written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Ny tapany farany amin'ny bokin'Isaia, manomboka eo amin'ny toko faha-40, dia ahitana fampanantenana mahafinaritra be ho an'ny kristiana. Mizara roa ny bokin'Isaia, ireo toko 39 voalohany dia mifanandrify amin'ireo boky 39 n'ny Testamenta Taloha ary ireo toko 27 manaraka dia mifanandrify amin'ireo boky 27 n'ny Testamenta Vaovao. Ny votoatin'ireo toko 27 farany ao amin'Isaia ireo dia faminaniana momba ny fanekena vaovao. Izany hoe maro amin'ireo faminaniana ao no ilazana an'i Kristy ary maro no manasa ny olona hanara-dia an'i Jesosy. Noho izany, ireo toko manomboka amin'ny faha 40 ka hatramin'ny faha-60 n'ny Isaia dia mirakitra fampanantenana mahafinaritra ho antsika ao amin'ny Fanekena vaovao.

Isaia 66:1-2dia fanehoana an-tsary ny fanorenana ny tena Fiangonan'i Jesosy Kristy, izay tsy ho resin'ny vavahadin'ny helo mihitsy. "Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Fiangonana manao ahoana no haorinareo ho Ahy, ianareo izay milaza fa kristiana efa nateraka indray ?".

Rehefa manambara ny Tompo hoe "izao no olona hotsinjoviko" dia milazalaza Izy ny olona izay hankasitrahany hanorina ny fiangonany. Ilay fiangonana izay tsy ho resin'ny vavahadin'ny helo. Fiangonana izay tsy azon'i Satana anatsofohana fahatezerana, filàn'ny nofo, fanitsakitsaham-bady, lainga, halatra sy izay zava-dratsy rehetra hita ao amin'ny taranak'i Adama.

"Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay mahalelo sy torotoro fanahy" (Isaia 66:2). Ny toetra mendrika voalohany tadiavin'ny Tompo dia ny fanetren-tena sy ny fanenenana na fahatorotoroam-panahy. Jeren'Andriamanitra ireo olona izay mihevitra ny tenany ho ambany kanefa tsy manambany tena. Tsy nanambany tena Jesosy. Zanak'Andriamanitra Izy. Hoy Izy tamin'ireo mpianany "Tompo sy Mpampianatra Aho. Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary izany tokoa Aho" (Jaona 13:14). Tsy nisalasala Izy ny tamin'ny naha-Izy Azy. Fantany fa Zanak'Andriamanitra Izy. Tsy nanambany ny Tenany Izy. Kanefa nanana fanetren-tena lehibe tokoa Izy ka nihevitra ny hafa ho olona tokony hotompoiny sy hosasany tongotra. Fantatrao ve fa mba nosasany koa ny tongotr'i Jodasy Iskariota ? Izany no atao hoe fanetren-tena, manasa ny tongotry ny olona hamadika anao afaka ora vitsy. Tsy nanambany tena Izy fa nisafidy haka ny toerana ambany. Nihevitra ny Tenany ho ambany Izy. Mikasika ny fifandraisantsika amin'ny hafa dia hoy ny Filipiana 2:3 "aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany". Izany no toetra mendrika voalohany, fahatorotoroam-panahy. Rotidrotiky ny alahelo satria tsy manahaka an'i Kristy. Jeren'Andriamanitra ny olona tahaka izany.

Ny toetra mendrika faharoa tadiavin'Andriamanitra ao amin'ny olona anankiray dia ao amin' Isaia 66:2 "olona izay mangovitra noho ny Teniko". Tena zava-dehibe ny mampifandray an'izany amin'ny didin'i Jesosy. Rehefa mamaky ny Toriteny teo an-tendrombohitra ianao, moa ve ianao mangovitra noho ny Tenin'Andriamanitra ? Moa ve ianao mangovitra noho ilay andininy anankiray izay milaza hoe raha tezitra ianao ka avoakanao amin'ny vava izany fahatezeranao izany dia mendrika hohelohina any amin'ny helo ianao? Moa ve ianao mangovitra noho ilay teny hoe raha tsy hentitra dia hentitra ianao ka manapaka ny rantsambatanao izay mampanota anao hitsiriritra amin'ny maso sy hanao firaisana ara-nofo amin'ny maso sy ny tanana dia ho any amin'ny helo ianao ? Mangovitra ve ianao noho izany teny izany ?

Vitsy dia vitsy ny kristiana hitako fa mangovitra amin'io Teny io na dia olona efa nandre ahy nitory an'izany nandritra ny taona maro aza. Miala tsiny aho raha milaza fa na dia ireo fiangonana izay iandraiketako sy efa nandre ahy nitory ireo fahotana ireo nandritra ny 25 taona aza dia mbola tsy mangovitra noho io Teny io. Izany no misy eo amin'ny ankamaroan'ny kristiana : ananan'izy ireo ny fahalalana izy kanefa hamaivaniny izany. Ahoana moa no hanamaivananao ny fahotana rehefa fantatrao ny vidiny nefain'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana mba hanafahana anao amin'ny fahotana ? Misy fihirana anankiray hiraiko matetika hoe :

Rehefa tonga ny fakam-panahy

Tompo o Dia asehoy ahy

Fa Andriamanitra irery

No niampatra amim-pery

Nandatsaka ny rany

Teo amin'ny tany

Izay noforoniny

Ataovy tsapako hatrany

Fa ny fahotako irery ihany

No tsy zakany ny vesany

Kanefa Izy dia nitondra

An'izao tontolo izao

Hiraiko irery matetika mihitsy io mba hahatsiarovako hoe ny Tompoko, Izay afaka nilanja ny entan'izao tontolo rehetra izao teo an-tsorony, dia tsy nahazaka ny vesatry ny fahotako. Nanorotoro Azy teo Kalvary izany koa izany no nanampy ahy hankaloiloy ny fahotana sy hangovitra noho ny Tenin'Andriamanitra. Izany koa no nananako vesatra tao am-po, dia ny hampianatra ny kristiana, hanampy azy ireny hahafantatra fa ny fahotana toy ny filàn'ny maso dia ratsy noho ny aretina sida na homamiadana.

Amin'ny fotoana izay hahatakaranao an'izany dia hiady amin'ireo fahotana ireo arak'izay azonao atao ianao. Tsy manao adaladala ianao milalao amin'ny fanjaitra voan'ny sida. Nahoana ianao no mitandrina be amin'ireny, kanefa tsy mitandrina ny amin'ny zavatra ratsy lavitra noho ny sida ? Holazaiko anao ny valiny : satria tsy inoanao fa ny fahotana dia ratsy noho ny sida sy ny homamiadana . Tsy mangovitra noho ny Tenin'Andriamanitra ianao. Izaho efa nianatra nino an'izany ary izany no mahamalina ahy fatratra amin'ireo fahotana toy ny fahatezerana, ny filàna vehivavy ary ny fisaraham-panambadiana. Raha te hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra isika dia tsy maintsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarinantsika.

Vitsy dia vitsy ny kristiana tena mihevitra an'izany ho zava-dehibe, ary vitsy dia vitsy ny mpitory teny no mitory an'izany amin'ny fomba hentitra. Ny Toriteny nataon'i Jesosy teo an-tendrombohitra no fepetra fototra tsy maintsy takiana amintsika. Hoy Jesosy "Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo" (Matio 5:20).

Tena inoako amin'ny foko manontolo izany. Ny Tompo dia manantena fa ny kristiana dia hampiseho fahamarinana ambony lavitra noho ny an'ny Didy folo. Ny fanompoan-tsampy dia tsy hoe fiankohofana eo anoloan'ny vato aman-kazo fa fanomezako toerana ho an'ny zavatra hafa ny toeran'Andriamitra ao am-poko. Ny sabata dia tsy hoe fitsaharana amin'ny asa amin'ny andro sabata fa fiainam-pitsaharana ao anaty. Ny fijangajangana dia tsy fijangajangana ara-nofo fotsiny fa fijangajangana amin'ny maso. Ny vonoana olona dia tsy fanalana ny ainy fotsiny fa fahatezerana. Dia toy izany avokoa ny didy rehetra izay hojerentsika aoriana.

Andeha isika hianatra hangovitra noho ny Tenin'Andriamanitra mba hahafahan'Andriamanitra mampiasa antsika hanorina ny fiangonany. Ny olona tadiavin'Andriamanitra sy ampiasainy hanorina ny Tranony dia ilay olona hitantsika ao amin'Isaia 66:1-2. Andriamanitra anie hanampy antsika.