WFTW Body: 

Romana 7:14-25 dia andininy manan-danja be ho an'ireo olona te handroso ho amin'ny fahatanterahana. Miresaka momba ny zavatra niainany tamin'izy kristiana efa nateraka indray i Paoly eto, satria ny olona tsy mbola niova fo dia tsy miteny hoe "Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty" (Rom. 7:22) .

Ny taratasin'i Paoly ho an'ny Romana dia nosoratana ao anatin'ny fizarana izay mamaritra"ny filazantsara izay herin'Andriamanitra ho famonjena" (Rom. 1:16), manomboka hatrany amin'ny Toko voalohany. Rehefa avy niresaka momba ny fanamarinana ny olona avy amin'ny finoana ao amin'ny toko faha 3 sy faha 4 ary faha 5 izy, dia miresaka momba ny fandresena ny ota izy ao amin'ny toko faha 6. Dia lazain'i Paoly ny dingana manaraka ao amin'ny toko faha 7. Amin'io fotoana io izy dia tsy niverina tany amin'ny fotoana izay mbola tsy niovany fo tsy akory. Tsia. Fa manohy ny famaritany ny filazantsara izy. Eto izy dia miresaka momba ny ady misy ao amin'ny toetra anatin'ny olona izay te handroso ho amin'ny tanteraka. Tao an-tsainy dia efa nifidy ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany izy nanomboka hatreo. Naniry hahazo fandresena izy ary nahita fahasoavana namonjena azy tamin'izay andro mahory. Dia zavatra anankiroa no tsapany : (i) fa amin'ny fotoana tsy iambenany dia mbola lavo ihany izy ao amin'ny sehatra izay efa nahazoany fahazavana (ota fantatra), ary (ii) indraindray ny fiainany dia tsy mendrika ny maha kristiana ary tsy tsapany izany raha tsy efa avy lavo izy (ao amin'ny sehatra vaovao anankiray izay tsy nahazoany fahazavana talohan'ny nahalavo azy, izay atao hoe ota tsy fantatra).

Ny olona izay tsy liana ho tonga amin'ny fahatanterahana feno dia tsy manana izany adim-panahy izany, satria nijanona teo amin'ny Romana toko faha 5 izy. Ireo izay te handresy tanteraka ny ota (Rom. 6:14), ka iharan'izany adim-panahy izany no miteny amin'ny tenany hoe "Indrisy, olo-mahantra aho. Iza no hanafaka ahy amin'ity tena mpanota ity izay mitondra ahy amin'ny fahafatesana ara-panahy hatrany foana ?" (Rom.7:24).

Ireo olona izay tsy miaiky ny fisian'izany adim-panahy izany dia tsy mitsotra ny marina momba ny fiainana anaty ao aminy. Izany no manome antsika fanantenana lehibe. Satria na dia efa lavo aza isika tamin'ny fotoanan'ny fahalemena, na dia ota tsy maintsy ibebahantsika aza izany, tsy maintsy afointsika, ary angatahantsika Kristy hanadio antsika amin'ny rany, dia tsy zavatra niniantsika nofidina hatao izany. Ny nenina lehibe tsapantsika no mampiseho mazava tsara an'izany. Ary satria tsy mitsahatra mankahala izany ota izany isika ary malahelo mafy rehefa nahavita izany, indray andro any dia hahazo fandresena amin'ireny ota ireny koa isika.

Vakio tsara mihitsy ny Romana toko faha 7 ary mangataha amin'Andriamanitra hanomezany anao fahazavana mikasika an'io. Ny Romana 7:1-13 dia miresaka momba ny fanafahana amin'ny Lalàna ho torolalana ho antsika. Ankehitriny dia efa manambady an'i Kristy isika, mba hananantsika fiainana ambony kokoa noho izay takian'ny Lalàna, kanefa tsy mampihatra an-jambany ny didin'Andriamanitra. Isika dia "efa afaka tamin'ny lalàna satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra" (Rom. 7:6) .

Tsy misy fandresena ho azon'ny olona izay tsy mitsotra ny marina momba ny adim-panahy mahazo azy. Tsy dia ny mahatakatra tsy misy diso ny Romana faha 7 no tena zava-dehibe fa ny mitsotra ny marina tanteraka momba ireo adim-panahy. Izaho dia te hamporisika anao mba hiala amin'ireo olona izay tsy mitsotra ny marina mikasika ny adim-panahiny satria mpihatsaravelatsihy izy ireny. Tsy maintsy mahay manavaka ianao. Aoka ianao ho hendry tahaka ny menarana ary ho mora tahaka ny voromailala. Tadidio fa ny zava-dehibe indrindra izay tadiavin'Andriamanitra amintsika dia isika mitsotra ny marina. Izany no dingana voalohany hahatongavana amin'ny fahadiovana.