WFTW Body: 

« Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'Izay naniraka Ahy » (Jaona 6:38) . Jesosy mihitsy no manambara amintsika amin'ny alalan'ny teniny eto fa tonga tety an-tany Izy mba hanao ny sitrapon'ny Rainy. Ary io fehezan-teny anankiray io no mamaritra ny fomba niainan'i Jesosy isan'andro tety ambonin'ny tany. Ireo telopolo taona niainan'i Jesosy tao Nazareta no antsoina hoe ireo taona niafina. Kanefa eto Jesosy dia maneho mazava tsara ny zavatra nataony isan'andro nandritra ireo 30 taona ireo. Nandà ny sitrapony Izy ary nanao ny sitrapon'ny Rainy.

Tamin'i Jesosy niaraka tamin'ny Rainy tany an-danitra taloha hatrizay tany dia tsy voatery nandà ny sitrapony Izy, satria ny sitrapony dia nitovy tamin'ny sitrapon'ny Rainy ihany. Fa rehefa nidina tety an-tany tonga nofo Izy, dia nanana ny sitrapon'ny nofony manokana, izay nifanohitra tanteraka tamin'ny sitrapon'ny Ray, tamin'ny zavatra rehetra. Ny fomba tokana nahafahan'i Jesosy nanatanteraka ny sitrapon'ny Rainy, noho izany, dia tamin'ny fandavany ny sitrapon'ny tenany, tamin'ny fotoana rehetra. Ny hazo fijaliana nolanjain'i Jesosy nandritra ny androm-piainany tety an-tany dia ny nanombohany ny sitrapon'ny tenany. Ary izany hazo fijaliana izany ankehitriny no angatahiny holanjaintsika isan'andro raha te hanara-dia Azy. Ny nandavany mandrakariva ny sitrapony no nahatonga an'i Jesosy ho Olona araka ny fanahy. Ary ny fandavantsika ny sitrapontsika no hahatonga antsika ho olona araka ny fanahy koa.

Ny mahatonga anao ho olona araka ny fanahy dia tsy avy amin'ny fihaonanao indray mandeha amin'Andriamanitra, fa avy amin'ny safidinao handà ny tenanao sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra MANDRAKARIVA mandra-pivadiky ny andro sy ny volana ary ny taona. Diniho ange ny toe-panahin'ny rahalahy anankiroa (nitovy ny andro nandraisany an'i Kristy). Folo taona taorian'ny niovan'izy ireo fo, ny anankiray efa lasa rahalahy anti-panahy mahay mamantatra ny zavatry ny fanahy, ary azon'Andriamanitra omena andraikitra lehibe ao am-piangonana. Ny anankiray kosa mbola nitoetra ho zaza, tsy mahay mamantatra, ary mbola fahanan-kanina sy ampaherezina tsy an-kijanona. Inona no antony nampisy izany fahasamihafana izany teo amin'izy roalahy ? Ny valiny dia izao : ireo fanapahan-kevitra madinidinika izay noraisiny isan'andro nandritra ireo folo taona naha-kristiana azy. Raha tohizan'izy ireo izany fomba fiainany izany mandritra ny 10 taona manaraka dia vao mainka hisongadina kokoa ny fahasamihafany. Ary rehefa tonga any amin'ny mandrakizay dia ho samy hafa ny voninahiny tahaka ny maha-samy hafa ny jiro 2000 watts sy 5 watts. « fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray » (1 Kor. 15:4).

Eritrereto hoe mamangy tokantrano anankiray ianao ary alaim-panahy hitantara zavatra manaratsy olona anankiray (tsy tianao) izay tsy manatrika eo. Inona ny ataonao ? Ho resin'ilay fakam-panahy ve ianao dia hifosa ilay olona, sa handà ny tenanao ianao ka hanakombona ny vavanao ? Tsy misy olona asian'Andriamanitra habokana na homamiadana noho ny fanaratsiana olona. Tsia. Noho izany dia maro ny mihevitra fa ny fahotana tahaka izany dia tsy hanimba ny fiainany. Indrisy, fa any amin'ny mandrakizay vao ho takatry ny sain'ny rahalahy sy rahavavy maro fa isak'izay nampifaly ny tenany izy ireo dia efa nanimba tsikelikely ny fiainany. Any izy ireo vao hanenina noho ny nandanilaniany foana ny fiainany tety an-tany.

Jesosy dia mba nalaim-panahy tahaka izany koa nandritra ny 30 taona tao Nazareta. Voasoratra fa nandritra ireo taona niafina ireo dia «tsy nitady izay hahafaly ny tenany » Jesosy na oviana na oviana (Rom. 15 :3). Nandà ny tenany hatrany foana Izy. Ary nitady izay hahafaly ny Rainy tamin'ny fotoana rehetra. Ny famalifaliana ny tena dia azon'ny olona atao any amin'ny sehatra maro ao amin'ny fiainany, ohatra amin'ny sakafo hohanina. Eritrereto ny fotoana anankiray, na dia tsy noana aza ianao dia minia mandany vola hividianana tsakitsaky. Azo antoka fa tsy fahotana izany ary tsy mahadiso. Kanefa manambara sori-piainana sahady izany. Satria ianao manam-bola dia vidinao izay tianao na ilaina izany na tsia. Izay mahafaly ny tenanao no ataonao. Rehefa misy zavatra tianao vidiana dia vidinao. Rehefa misy toerana tianao aleha dia andehananao. Rehefa te hiari-tory ianao dia miari-tory. Inona no fiafaran'ny fomba fianana tahaka izany, na dia manatrika fivoriam-bavaka tsy tapaka aza ianao ary mamaky Baiboly isan'andro ? Mety tsy ho very ny famonjena azonao, kanefa azo antoka kosa fa ho lanilany foana ilay fiainana tokana nomen'Andriamanitra anao mba hivelomanao ho Azy.

Ny rahalahy anankiray kosa anefa hafa noho izany no nataony. Minia mifehy ny tenany izy. Rehefa tsy noana izy dia minia tsy mihinana. Minia tsy mividy zavatra ho an'ny tenany mihitsy izy raha tsy tena ilaina izany. Minia mifoha fahefak'adiny mialoha isan'andro izy mba hananany fotoana itokanana miaraka amin'Andriamanitra. Rehefa misy olona mitrerona azy dia minia mamaly mora izy. Minia hijanona ho olona fitiavana sy ho mora fanahy lalandava izy. Minia tsy mamaky ireo vaovao sasany ao amin'ny gazety izy izay mety hanitikitika ny filàny. Amin'ny zava-mitranga rehetra dia minia manetry tena izy ary tsy manamarin-tena. Iniany ilaozana ireo namana izay mitarika azy ho any amin'izao tontolo izao. Amin'izany fandavany tsy hanao ny sitrapon'ny tenany (izay mahafaly azy) hatrany hatrany izany, dia miha-matanjaka ny sainy hitady izay hahafaly an'Andriamanitra irery ihany. Inona no fatiantony raha tsy mividy izay zavatra tsy ilainy izy, raha mifoha fahefakadiny mialoha, raha mampandefitra ny hambom-pony izy ka mifona mangataka famelan-keloka ? Tsy misy. Kanefa eritrereto ny tombontsoa efa azony. Ny lehilahy tahaka izany, izay mahatoky lalandava amin'ny zavatra kely dia ho tonga lehilahin'Andriamanitra mahatoky ao anatin'ny taona vitsy. Tsy noho ny fahaizany Baiboly, fa noho izy natoky tamin'ireo fanapahan-kevitra madinidinika izay raisiny eo amin'ny fiainany, mba tsy hitadiavany izay hahafaly ny tenany fa izay hahafaly an'Andriamanitra. Noho izany dia aoka ianao ho olona matanja-tsaina. Zaro ny sainao mba hitady izay hahafaly an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra.

Ny kristiana anti-panahy dia ireo izay « manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara (efa zatra nifidy izay tsara nandritra ny taona maro) ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy » (Heb. 5:14). Ataovy izay hahatonga anao ho tena lehilahin'Andriamanitra marina sy ho tena vehivavin'Andriamanitra marina.