WFTW Body: 

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy dia nandinika ireo fepetra maha-mpianatra isika. Ireo fepetra ireo no takiana mialoha ny fanaovana batisa. Iverenantsika ny Hafatra lehibe navelan'i Jesosy ao amin'nyMatio 28:19, hoe : "Rehefa avy ataonareo mpianatra ny olona dia ataovinareo batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izy".

Raha lazaina tsotra : alohan'ny anaovana batisa ny olona anankiray dia tsy maintsy ampahafantarina azy izay angatahina amin'ny mpianatry ny Tompo, ary lazaina aminy hoe "Ny antony anasanay anao hanatona an'i Kristy dia tsy hoe mba hankanesanao any an-danitra fotsiny rehefa maty, tsy hoe mba hahazoanao famelan-keloka. Ny anasanay anao dia ny mba hanaovanao an'i Jesosy ho Tompon'ny fiainanao. Tsy hataonao olona hovangianao indray mandeha isan-kerinandro Izy, fa Olona hataonao Vadinao".

Rehefa manambady ny vehivavy dia afoiny na dia ny anaran'ny ray aman-dreniny aza, ary tonga iray tanteraka amin-dralehilahy vadiny izy. Izany no tokony ho izy, ary izany no fifandraisana tian'i Kristy hananana miaraka amin'ny tsirairay amintsika. Izany no dikan'ny hoe mpianatry ny Tompo. Ny vehivavy dia tsy tokony hanambady raha mieritreritra hoe "Mila miaraka amin'ny vadiko indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aho" na hoe "Afaka manohy ny fiainako aho ary mitsidika ny vadiko indraindray fotsiny". Tsy maintsy ampahafantarina azy fa ny fanambadiana dia fanoloran-tena tanteraka ho an'ny lehilahy izay ho vadiny.

Na amin'ny fitoriana ny filazantsara aza dia tsy maintsy mazava tsara ny fomba fanazavana amin'ny mpihaino fa ny fiainana kristiana dia mitaky fanoloran-tena tanteraka. Izany no maha-mpianatra. Izany no dikan'ny hoe manaraka ny Tompo. Ny olona izay vonona amin'izany no vonona hiroso amin'ny batisa. Tsy voatery andrasana ho tonga lafatra akory ny olona, kanefa tsy maintsy ampahafantarina azy izay fepetra maha-mpianatra takiana aminy. Rehefa manaiky ny fangatahana hanao an'i Kristy ho Mpamonjiny sy Tompony izy, dia atao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Izany no antony mahatonga antsika miandry aloha ao am-piangonana mba ahitana na vonona hanara-dia ny Tompo ny olona anankiray alohan'ny anaovantsika batisa azy.

Any amin'ny tany misy fanenjehana kristiana, na tany ankahalan'ny olona ny kristiana dia mety tsy voatery miandry elabe. Tany am-boalohany dia tena sorona be ho an'ny Jiosy izany mivadika ho kristiana izany (mbola hatramin'izao izany), ary izany no antony nanaovana batisa azy ireny saika teo no ho eo ihany (araka izay hitantsika ao amin'ny Asan'ny Apôstôly). Ho an'ny mpanompo sampy, raha miala amin'ny sampiny izy ka mivadika ho kristiana dia midika hoe tapaka tanteraka ny fihavanany amin'ny fianakaviany. Noho izany dia mora ny mahafantatra fa olona tena vonona ho tonga mpianatry ny Tompo izy ka azo atao batisa haingana izy ireo. Saingy amin'izao androntsika izao kosa, any amin'ny firenena tsy misy fanenjehana kristiana, dia tsy mora tahaka izany ny mahafantatra raha efa azon'ny olona tsara izay takiana amin'ny mpianatra. Mety hoe nanaiky an'i Kristy fotsiny ilay olona satria te hankany an-danitra. Ny zavatra takiana amin'ny mpianatry ny Tompo dia mety tsy nampahafantarina azy, na mety tsy azony tsara na azony tsara ihany kanefa tsy vonona ny hanatontosa ireo fepetra maha-mpianatra izy. Tsy manana zo hanao batisa ny olona tahaka izany isika.

Mety miverin-dalana ny olona anankiray efa vita batisa, olana anankiray hafa indray izany, kanefa ny zavatra takiana amin'ny mpianatry ny Tompo dia tsy maintsy mazava amin'ny olona hatrany am-piandohana. Tahaka izany foana ny fomba nitorian'i Jesosy ny fahamarinana. Rehefa nanatona an'i Jesosy ny zatovo anankiray mpanapaka sady nanankarena ka nanontany Azy hoe "Inona no tokony hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay", dia notsorin'i Jesosy taminy fa tsy maintsy afoiny izay rehetra nananany. Rehefa tsy vonona ny hanao an'izany ilay zatovo fa lasa nandeha dia tsy nanaraka azy velively ny Tompo. Tsy nampilefitra ny fepetra mihitsy ny Tompo mba hahamora ny fanatanterahana an'izany. Tsy nasain'i Jesosy nataony tsikelikely izany. Hoy Izy "Izao ihany no izy. Raha te hanaraka Ahy ianao dia tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra".

Zava-dehibe ny batisa satria araka ny vakiantsika ao amin'ny Romana toko faha-6 dia tandindon'ny fandevenana ilay olona taloha, ilay fomba fiainako taloha, izay amin'ny ankapobeny dia ilay fanaovako ny sitrapoko, fanaovako izay sitrako, ilay fitadiavako izay hahafaly ny tenako sy fitadiavako izay hahafaly ny hafa. Izany olona izany na ilay adama ela tao anatiko dia efa maty. Efa naka ny toerako teo amin'ny nanombohana ahy niaraka tamin'i Kristy tamin'ny hazo fijaliana iny ary efa maty. Rehefa manaiky an'izany aho dia azo atao batisa. Ny fivoahako avy ao anatin'ny ranon'ny batisa, dia fijoroako vavolombelona fa efa olom-baovao aho izao. Koa izany no dikan'ny hoe atao batisa na asitrika. Raha tsy izany no mitranga ho an'ilay olona niova fo, dia tsy misy dikany ilay batisa.

Tsy afaka alevina ny olona anankiray raha mbola tsy maty, kanefa ny ankamaroan'ny olona vita batisa dia mbola tsy maty akory satria mbola tsy nifidy ny ho faty ho an'ny sitrapon'ny tenany. Miditra ao anaty rano fotsiny izy ireo araka ny fanao. Ny ankamaroan'ny ray aman-dreny dia mamporisika ny zanany hatao batisa mba hahazoany voninahitra. Na mihevitra ireo ray aman-dreny fa ny batisa dia tahaka ny fiarovana ny zanany amin'izao tontolo izao. Tsy marina izany.

Ny batisa dia famantarana fotsiny ny safidy nataon'ny olona anankiray, izany hoe nisafidy izy ny ho faty amin'ny fanaovana ny sitrapony. Raha mbola tsy nanao izany safidy izany izy, dia fombafomba sady tsinontsinona ny batisa.