WFTW Body: 

Amin'izao faran'ny taona izao, dia maro ny rahalahy sy anabavy mahatsapa izany satria nanota ary nandao an'Andriamanitra tamin'ny fotoana iray teo amin'ny fiainany teo aloha, noho izany dia tsy afaka manatanteraka ny drafitr'Andriamanitra tonga lafatra ho an'ny fiainany ankehitriny izy ireo.

Andeha hojerentsika izay lazain'ny Soratra Masina momba izany, fa tsy miankina amin'ny fahazahoantsika azy manokana na ny fomba fijery lojika. Mariho ety am-piandohana aloha ny fomba nanombohan'ny Baiboly. "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany ( Genesisy 1:1 ). Tsy maintsy ho lavorary ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronan'Andriamanitra azy ireo, mba tsy hisy tsy tanteraka na tsy feno ireo izay vao afaka mivoaka avy amin'ny tànany. Fa lavo anefa ireo anjely sasany izay noforoniny ary resahina antsika izany ao amin'ny Isaia 14:11-15 sy Ezekiela 28:13-18 . Tamin'izay no nidiran'ny tany teo amin'ilay toe-javatra voalaza ao amin'ny Genesisy 1:2 hoe "tsy nisy endrika; foana ary maizina". Ny aorian'ny Genesisy 1 dia mamaritra hoe ahoana ny fomba niasan' Andriamanitra tamin'io bolongana tsy misy endrika, foana sy maizina io ka nanaovany zavatra tena tsara avy tamin'izany ka Izy tenany mihitsy no nanambara hoe "tena tsara" ( Genesisy 1:31 ). Mamaky isika ao amin'ny Genesisy 1:2, 3 fa ny Fanahin'Andriamanitra dia nanomba tambonin'ny tany, ary Andriamanitra nanambara ny Teniny - ary izany no nahatonga ny fiovàna. Inona no hafatra ao anatin'izany ho antsika anio? Izany hoe na dia tsy nahomby na nanao korontana teo amin'ny fiainantsika aza isika dia Andriamanitra mbola afaka manao zavatra be voninahitra avy amin'ny fiainantsika amin'ny alalan'ny Fanahiny sy ny Teniny. Nanana drafitra tonga lafatra ho an'ny lanitra sy ny tany Andriamanitra fony Izy nahary azy. Saingy tsy maintsy najanona aloha io drafitra io noho ny tsy fahombiazan'i Losifera. Fa Andriamanitra nanamboatra ny lanitra sy ny tany ary mbola namokatra zavatra "tena tsara" avy tamin'ilay korontana.

Diniho indray izay nitranga taorian'izay. Namorona an'i Adama sy Eva Andriamanitra ary namerina nanomboka indray. Tsy maintsy nanana drafitra tonga lafatra ho azy ireo koa Andriamanitra, izay mazava ho azy fa tsy nahitana ny fahotany, raha tsy tamin'ny fihinanana ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nihinana tamin'ilay hazo voarara anefa izy ireo ary nandà ny fikasan'Andriamanitra tany am-boalohany ho azy ireo - na inona na inona izany drafitra izany. Ny lojika dia hilaza amintsika izao fa tsy afaka manatanteraka ny drafitra lavorary ho azy ireo intsony Andriamanitra. Nefa hitantsika fa rehefa tonga nitsena azy ireo tao amin'ny saha Andriamanitra, dia tsy nilaza tamin'izy ireo Izy fa tsy maintsy mivelona amin'ny tsara indrindra faharoa nataony mandritra ny androm-piainany sisa akory. Tsia. Nampanantena azy ireo Izy ao amin'ny Genesisy 3:15 fa ny taranaky ny vehivavy hanorotoro ny lohan'ilay menarana. Izany dia fampanantenana ny amin'ny fahafatesan'i Kristy noho ny fahotan'izao tontolo izao ary nandresy an'i Satana teo Kalvary.

Diniho izao, ary jereo raha afaka mampisaintsaina anao. Fantatsika fa ny fahafatesan'i Kristy dia anisan'ny zavatra tonga lafatra tamin'Andriamanitra, ny fahafatesan'i Kristy dia efa

planina hatrizay hatrizay. " Ny Zanakondry dia novonoina hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao" ( Apok. 13:8 ). Fa fantatsika koa izany fa maty i Kristy satria nanota i Adama sy Eva ary nandao an'Andriamanitra. Noho izany araka ny lojika, dia afaka milaza isika fa lavorary Andriamanitra. Ny fikasana handefa an'i Kristy ho faty noho ny fahotan'izao tontolo izao dia tanteraka, tsy hoe na dia teo aza ny tsy fahombiazan'i Adama, fa noho ny tsy fahombiazan'i Adama! Tsy ho nahafantatra ny fitiavan'Andriamanitra naseho teo amin'ny hazofijalian'i Kalvary isika, raha tsy noho ny fahotan'i Adama.

Inona àry no hafatra tian'Andriamanitra hampitaina amintsika, hatrany amin'ny pejy voalohany ny Baiboly?

Izao fotsiny afaka maka lehilahy iray izay tsy nahomby Izy ary manao zavatra be voninahitra avy aminy ary mbola afaka manatanteraka ny drafitra tonga lafatr'Andriamanitra eo amin'ny fiainany. Izany no hafatr'Andriamanitra ho an'ny olombelona - ary tsy tokony hohadinointsika mihitsy izany: Andriamanitra dia afaka mandray lehilahy izay tsy nahomby imbetsaka, ary mbola manao azy hanatanteraka ny drafitra tonga lafatr'Andriamanitra - tsy ny tsara indrindra faharoa an'Andriamanitra, fa ny an'Andriamanitra dia izay drafitra tsara indrindra. Izany dia satria na dia ny tsy fahombiazana aza dia mety ho anisan'ny drafitra tonga lafatra nataon'Andriamanitra mba hampianatra lesona tsy hay hadinoina.

Na inona na inona fahadisoanao na tsy fahombiazanao, dia afaka manao fanombohana vaovao amin'Andriamanitra ianao. Mbola afaka manao zavatra be voninahitra eo amin'ny fiainanao Andriamanitra. Aoka àry isika " hampahaherezin'ny finoana ka hanome voninahitra an'Andriamanitra" ( Rom. 4:20 ), matoky Azy amin'ny andro ho avy ny amin'ireo zavatra izay heverintsika fa tsy azo atao amin'izao fotoana izao. Ny olon-drehetra - tanora na antitra - dia afaka manana fanantenana, na dia tsy nahomby toy inona aza izy ireo tamin'ny lasa, raha toa ka manaiky ny tsy fahombiazany izy ireo, manetre tena ary matokia an'Andriamanitra. Noho izany dia afaka mianatra avy amin'ny tsy fahombiazantsika isika rehetra ary manohy manatanteraka ny drafitr'Andriamanitra tonga lafatra ho an'ny fiainantsika. Ary amin'ireo taona ho avy dia afaka mampiseho antsika amin'ny hafa Izy ho ohatra amin'ny zavatra azony atao amin'ireo izay tsy nahomby tanteraka ny fiainany. Amin'izany andro izany dia hasehony izay azony atao amintsika, amin'ny alalan'ny "harena be tsy hita lany"

ny fahasoavany amin'ny hatsaram-panahiny eo amintsika.