WFTW Body: 

Andriamanitra dia mampiasa ny fahasamihafan'ny toetrantsika sy ny talentantsika mba hanehoany amin'izao tontolo izao ny sarin'i Kristy izay mifandanja tsara. Raha ny tenantsika irery no hita dia hampiseho ny endrik'i Kristy mivilana sady tsy mifandanja tsara isika. Raha asa fanompoana anankiray fotsiny, dia tsy hahay mamolavola kristiana mifandanja tsara. Soa ihany fa misy olona isan-karazany ao anatin'ny Tenan'i Kristy izay samy manana ny maha-izy azy, ary samy manana ny toetrany. Ohatra, raha misy rahalahy mpitory anankiroa izay mitory ny Teny ao amin'ny fikambanana mpino anankiray. Ilay voalohany ohatra mitory foana hoe « Aza matoky tena loatra ka milaza fa efa feno ny Fanahy Masina, satria mety mamita-tena ianareo », ary ilay rahalahy faharoa kosa dia mamerimberina hoe « Matokia fa efa feno ny Fanahy Masina ianareo ». Raha tombanana dia tahaka ny mifanohitra izay lazain'izy mirahalahy. Kanefa ireo zavatra anankiroa amafisiny ireo dia ilaina avokoa, noho izany dia afaka mifameno tsara ny asa fanompoan'izy mirahalahy.

Ao amin'ny Tenan'i Kristy dia mety hisy Kalvinista sy Armeniana miara-miasa (ny Kalvinista dia mino fa Andriamanitra no nifidy antsika ary Izy no mampisy finoana ao anatintsika, ny Armeniana dia mino fa isika ihany no mampisy finoana ao anatintsika). Izy ireo dia samy mitondra ny zavatra tiany amafisina, satria ireo fomba fijery anankiroa ireo dia samy voalaza ao amin'ny Baiboly. Araka izay nolazain'i Charles Simeon indray mandeha hoe, « Ny Fahamarinana dia tsy eo afovoany, ary tsy eo amin'ny tendrony anankiray, fa eo amin'ireo tendrony anankiroa ». Noho izany, dia mila olona mampiseho ireo tendrony anankiroa ireo isika.

Dia torak'izany ihany, misy toerana ho an'ny olona 'tia miseho' sy ho an'ny olona saro-kenatra ao. Ny toetra anankiroa samy hafa dia afaka mifameno tsara. Mety ho malina loatra ny olona sasany, tsy sahy mandingana mihitsy raha tsy efa avy nandinika lalina, raha tsy efa nandanjalanja ny lafitsarany sy ny lafiratsiny, ary maka fotoana elabe hieritreretana izy ireo vao sahy hihetsika na tsia. Misy indray olona tsy mivaky loha ary te hitroatra avy hatrany, tsy mandinika lalina izay mety ho vokatr'izany. Ary satria ireo sokajin'olona anankiroa ireo (sy sokajin'olona hafa koa) dia samy hita ao amin'ny tenan'i Kristy avokoa, dia misy fifandanjana tsara ao. Raha toa ka tsy misy afa-tsy olona be fisalasalana sy be fandinihana ao amin'ny Tenan'i Kristy dia mety hiadana be ny fandrosoana. Ny mifanohitra amin'izany, raha tsy misy afa-tsy olona entin-kafanam-po ao, dia mety marobe ireo fikasana tsy ho tanteraka.

Ny toetra tsirairay dia samy manana ny heriny sy ny fahalemeny. Ny olona samy hafa izay samy manana ny toetrany ka miara-miasa amin'ny maha-kristiana azy, dia afaka maneho sarin'i Kristy feno kokoa sy marina kokoa ho hitan'izao tontolo izao. Noho izany, aoka isika tsy handany fotoana hiezaka hanova ny olona rehetra ao amin'ny Tenan'i Kristy hitovy amintsika. Tsy maintsy avelantsika ny olona hihazona ny toetra maha-izy azy. Ny zavatra tsy maintsy hifantohantsika dia ny fomba ahafahan'ny herintsika manohana ny fahalemen'ny hafa. Ny herin'ny hafa kosa avy eo dia afaka hanohana ny fahalementsika.

Rehefa niara-niasa i Petera sy i Jaona (lehilahy samy nanana ny toetrany) dia nitombo bebe kokoa ny voninahitr'Andriamanitra noho ny teo aloha izay samy niasan'izy ireo irery. Paoly sy Timoty (mahavariana ny fahasamihafan'ny toe-pony) dia afaka niara-niasa ho an'ny filazantsara ary tonga mpiara-miasa feno fahombiazana.

Maro ny olona marani-tsaina ary maro koa ny olona votsa saina ao am-piangonana. Mazava ho azy fa ny fomba fanehoan'izy ireo ny fahamarinan'Andriamanitra dia tsy hitovy. Kanefa tsy misy sokajin'olona afaka hanamavo na hitsikera ny hafa, satria ireo sokajin'olona anankiroa ireo dia samy ilaina ao amin'ny Tenan'i Kristy, mba hanehoana ny filazantsara amin'izao tontolo izao. Satria ao amin'izao tontolo izao dia misy olona marani-tsaina sy votsa saina, misy filozofa sy reny mpikarakara tokantrano, misy mpianatra, tantsaha, sy ny sisa. Andriamanitra dia mila olona manan-talenta sy avara-pianarana tahaka an'i Paoly no sady mila olona mpanjono tsy nahita fianarana tahaka an'i Petera mba hanao ny asany. Samy hafa ny fomba fitoriany. Kanefa samy manana ny anjara fanompoany izy. Tsy misy amin'izy roalahy afaka manao ny asan'ny namany izay tsy nampanaovin'Andriamanitra azy, satria tsy hahavita tsara kokoa izy.

Ny fiovam-po dia tsy manova ny halalin'ny sain'ny olona. Ary tsy manery ny olona hanova ny toerany eo amin'ny fiaraha-monina. Ny filazantsara dia tsy manafoana ny tsi-fitoviana ara-piaraha-monina eto ambonin'ny tany. Ny fanavakavahana ara-tsosialy dia tsy zava-dehibe intsony ao amin'i Kristy. Andriamanitra dia sady nila lehilahy mpanankarena tahaka an'i Filemona no nila an'i Onesimosy izay mpanompon'i Filemona. Tsy nisy novàna ny toerana nisy azy roalahy teo amin'ny fiaraha-monina sy ny fari-piainany, kanefa samy nitondra ny anjara birikiny avy izy nandrafetana ny Tenan'i Kristy, ary tsy nisy tamin'izy roalahy afaka nisolo ny anjaran'ny namany. Noho izany dia afaka niara-niasa ho an'ny filazantsara izy roa lahy.

Tsy tao anatin'ny fikasan'Andriamanitra mihitsy ny hoe ho feno olona mitovy amin'ny lafiny rehetra ny Tenan'i Kristy, tahaka ny fiarakodia amboarina any amin'ny ozinina izay mitovy avokoa. Tsia. Ny tena asa fanompoana ho an'ny Tenan'i Kristy dia miankina amin'ny fahasamihafan'ny mpikambana ao aminy. Raha mitovy daholo ireo mpikambana ao dia hisy fiatoana sy fahafatesana ara-panahy.

Na dia ny fifanolanana misy eo amintsika aza dia azon'Andriamanitra ampisaina mba hahalalim-paka ny firaisam-pontsika sy hitondrany antsika ho amin'ny fahamatorana ara-panahy. Ny Ohabolana 27:17 (Baiboly Living) dia milaza hoe « Ny resaky ny mpisakaiza dia mamohafoha fanahy tahaka ny pitik'afo izay manidina rehefa mifampipaika ny vy », ho betsaka ireo pitik'afo, noho izany dia samy haranitra ny vy anankiroa. Indraindray Andriamanitra dia mametraka olona roa samy hafa toetra mba hanao ny asany, ary rehefa miara-miasa izy ireo, dia mety hisidina eo afovoany ireo pitik'afo, kanefa mety fomba ampiasain'Andriamanitra «maharanitra» azy ireo izany. Raha misy olona anankiray tahaka ny vy ary ny olona anankiray kosa tahaka ny tanimanga, dia tsy hisy pitik'afo ary tsy hisy maharanitra. Fa ny zavatra hitranga kosa dia ny diam-by hipetaka eo amin'ny tanimanga, izany hoe ny hevitr'ilay olona mahery tereny heken'ilay olona manaiky lembenana. Ny fanirian'Andriamanitra anefa dia mba tsy hisy olona hanery ny hafa hitovy hevitra aminy. Fa kosa mba samy hianatra amin'ny namany avy ny olona. Mety tsy hifanara-kevitra isika, kanefa azontsika atao foana ny miray hina, ary azontsika atao foana ny mifankatia, tsia, tsy izany, azontsika atao anio ny mifankatia bebe kokoa mihoatra noho ny tamin'ny lasa.