"Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra" (Matio 5:14-16).
Ny fahazavana dia fanoharana na sarin-teny anankiray nampiasain'i Jesosy. Tamin'ny andron'i Jesosy dia jiro no nampiasain'ny olona. Ny lahin-jiro dia bitika dia bitika (ny ampoule koa dia bitika), kanefa manazava ny efitra iray manontolo. Tsy ny haben'ny lahinjiro na ny haben'ny ampoule anefa no zava-dehibe fa ny herin'ny hazavana azo avy aminy. Eto dia mbola ny kalitao ihany no omena lanja fa tsy habe. Misy ampoule zéro watt izay tsy mamoaka afa tsy hazavana kely manjavozavo ary misy kosa ampoule mitovy habe aminy kanefa matanjaka be, tahaka ny jiro halogène, izay mahavita manazava ny arabe iray manontolo. Ny ampoule dia mety manana tanjaka kely na lehibe. Ny zava-dehibe dia tsy ny habe fa ny tanjaka, ny vaikan'ny hazavana. Koa hoy Jesosy "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao".
Izao tontolo izao dia ao anatin'ny haizina ary tsy tokony hisy amin'izany haizina izany na kely aza ao anatiko. Raha toa aho ka ampoule kanefa tafiditry ny aizin'izao tontolo izao dia ampoule vaky aho izay. Ny ankamaroan'ny kristiana any amin'ny fiangonana maro dia mitovy amin'ny ampoule vaky. Nirehitra izy taloha fa ankehitriny efa simba : efa nivily lalana izy ary tsy mazava intsony ny fahazavany. Inona moa izany fahazavana izany ? Izao no voalaza eto " Aoka hazava eo imason'ny olona ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ". Fahiny ny fahazavana dia azo avy tamin'ny jiro, ary solika na diloilo no nandrehetana ny lahin-jiro. Ny solika dia sary anehoana ny Fanahy Masina.
Ny mariky ny hosotra avy amin'ny Fanahy Masina dia ny fanaovan-tsoa. Voalaza ao amin'ny Asan'ny Apostoly 10:38 fa rehefa nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery Jesosy dia nandehandeha nanao soa. Tsy nanangom-bola ho an'ny asa fanompoany Izy, tahaka ny mpitory lazaina hoe "olom-boahosotra" amin'izao andro izao. Nifanohitra tanteraka tamin'ireny i Jesosy. Nivezivezy nanao soa maimaimpoana Izy. Tsy nangata-bola Izy fa ny olona no nanome azy an-tsitrapo. Kanefa tsy nampahafantariny olona mihitsy ny vola nilainy. Nandehandeha nanao soa Izy ary tsy nampandoa vola ny olona.
Hoy Jesosy "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo ka tsy hankalazany anareo fa hankalazany an'Andriamanitra!" Raha manao asa soa ianao mba hahazoanao dera na hahazoanao voninahitra ho an'ny tenanao dia izany no tena atao hoe haizina. Ary ny ankamaroan'ny asa soa ataon'ny kristiana dia fanindrahindrany ny tenany, filan-dera ho an'ny tenany raha ny tena marina. Tena haizina tokoa ny fikambanana misy azy sy ny asa fanompoany satria tsy misy voninahitra mankany amin'ny Ray izay any an-danitra. Ny voninahitra dia lasan'ilay fikambanana na lasan'ilay olona. Kanefa hoy Jesosy "Aoka ho hitan'ny olona ny asa soa ataonareo mba hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra". Izany no tena fahazavana, izany hoe rehefa manao soa ny olona anankiray dia Kristy no mahazo voninahitra fa tsy ilay olona.
Izany no dikan'ny hoe maneho fahazavana. Ao amin'nyJaona 1:4dia faritana tahaka izao ny fahazavana "Jesosy Kristy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona". Koa ny fanazavana dia tsy foto-pampianarana, tsy fampianarana ary tsy toriteny fa fiainana. Ilay fiainan'i Jesosy Kristy izay miseho eo amintsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Ilay fiainan'i Jesosy izay asehontsika dia tahaka ny jiro fahiny izay narehitry ny solika ka nanome hazavana.
Nolazain'i Jesosy mazava tsara ao amin'ny Jaona 8:12 hoe "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina". Araka ny voalazan'io Jaona 8:12 , isaky ny mandeha ao amin'ny maizina ny olona anankiray dia azo antoka fa tsy manara-dia an'i Jesosy izy. Raha milaza ianao hoe "Eny e, somary ao anaty haizina kely aho izao", ny antony dia tsy manaraka an'i Jesosy ianao. Aza afangaro ny hoe mandeha amin'ny maizina sy ny hoe misalasala ny amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Na Jesosy aza dia nisalasala tamin'ny sitrapon'ny Ray ka very hevitra tao an-jaridainan'i Getsemane. Izany no nahatonga azy nivavaka nandritra ny adiny iray hoe "Raiko ô, inona ny sitraponao, hosotroiko ve ity kapoaka ity sa tsia ?". Tsy haizina izany. Zavatra fahita ao amin'ny fiainam-pinoana ny fahaverezan-kevitra fa ny haizina kosa dia zavatra hafa, zavatra mifanohitra amin'ny fiainan'i Jesosy. Hoy Jesosy "izay manaraka Ahy dia tsy mba handeha amin'ny maizina fa hanana ny fahazavan'aina satria Izaho no fahazavan'izao tontolo izao".
Dia mbola notohizan'i Jesosy ny teniny hoe fahazavan'izao tontolo izao mandritra ny fotoana voafetra ihany Izy. "Raha mbola eto amin'izao tontolo izao Aho dia Izaho no fahazavan'izao tontolo izao" (Jaona 9:5). Hafiriana moa Jesosy no teto amin'izao tontolo izao ? 33 taona sy tapany. Dia izay ihany.
Ny olona miseho ho ara-panahy tafahoatra dia milaza hoe "fa angaha moa Kristy izao tsy eto amin'izao tontolo izao ?. Raha vakianao ny Jaona 17:11 dia izao no lazain'i Jesosy "tsy eto amin'izao tontolo izao intsony Aho". Aoka isika tsy ho ara-panahy tafahoatra. Taloha kelin'ny nandaozan'i Jesosy ny tany sy niakarany tany an-danitra, ny andro nialoha ny nanombohana Azy teo amin'ny hazo fijaliana dia hoy Izy "tsy eto amin'izao tontolo izao intsony Aho fa ireto mpianatra ireto no eto amin'izao tontolo izao, fa Izaho tsy eto intsony. Izaho mankany aminao, Ray Masina ô, noho izany dia tsy eto amin'izao tontolo izao intsony Aho". Koa rehefa nilaza Jesosy ao amin'ny Jaona toko faha-9 hoe "Raha mbola eto amin'izao tontolo izao Aho" dia ireo 33 taona sy tapany nanehoany ny fiainany no noresahiny. Taorian'ny niakaran'i Jesosy tany an-danitra dia iza moa no fahazavan'izao tontolo izao ankehitriny ?
Izao no voalaza ao amin'ny Matio 5:14 "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao". Raha misy manontany ahy hoe "Iza moa no fahazavan'izao tontolo izao ?" dia izao ny valin-teny avy amin'ny Soratra Masina "izaho, ny tenako no fahazavan'izao tontolo izao miaraka amin'ireo olona rehetra manaraka an'i Jesosy". Efa nisaintsaina tahaka izany ve ianao ? Mba efa noeritreretinao ve ny hamaly ny fanontaniana hoe "Iza no fahazavan'izao tontolo izao ?" tamin'ny hoe "Izaho sy ireo olona manaraka an'i Jesosy ?". Izany no valin-teny marina.
Mora amintsika ny miteny hoe "Oh, aza izaho no jerena. Jesosy ihany jerena". Kanefa tsy ety an-tany intsony anie Izy e ! Efa nilaza Izy hoe "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao mandritra ny fotoana maha-eto amin'izao tontolo izao Ahy". Koa satria tsy vakian'ny kristiana tsara ny Soratra Masina dia manana hevi-diso isan-karazany izy avy amin'ny fahatakaran'ny sainy. Diso hevitra izy. Tahaka ny niankinan'Andriamanitra 100 isan-jato tamin'i Jesosy mba haneho fiainana tonga lafatra nandritra ny 33 taona sy tapany no iankinan'Andriamanitra koa amin'ny fiangonany, izany hoe amin'ny mpianatra, mba haneho tanteraka izany fahazavana izany ankehitriny.
"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra".