Maro ny olona no tsy mihevitra ny fanahiana ho fahotana, toy ny tsy fiheveran'izy ireo ny fahatezerana, ny fitiavam-bola, ny fitiavam-boninahitra, ny fankahalana fahavalo sy ny filazana lainga ho fahotana.
Antsoin'ny maro hoe fahalemena fotsiny izy ireny. Raha miantso an'ireny hoe "fahalemena" ianao dia tsy ho voavonjy amin'ireny mihitsy. Tsy tonga hamonjy antsika amin'ny fahalemana i Jesosy. Tonga hamonjy antsika amin'ny fahotana Izy. Raha miaiky isika fa fahotana ny zavatra anankiray dia hamonjy antsika amin'iny Jesosy. Fa raha omenao anarana mahasodoka iny dia tsy ho voavonjy amin'iny mihitsy ianao. Antsoy amin'ny anarana maharikoriko indrindra azonao saintsainina ny zavatra anankiray, izany hoe ny filàn'ny nofo dia antsoy hoe "fijangajangana", ny fahatezerana antsoy hoe "famonoana olona", ny fitiavam-bola antsoy hoe "fankahalana an'Andriamanitra" dia ho voavonjy amin'iny ianao satria hitanao tsara ny maha zavadoza azy.
Raha ampitovianao amin'ny kohaka sy sery ny Sida sy ny homamiadana dia hataonao tsirambina tokoa. Ny ankamaroan'ny olona dia manamaivana an'ireo fahotana ireo na dia melohin'i Jesosy fatratra aza izy ireny. Tsy omeko tsiny ny olona satria tsy nampianatra azy an'izany ireo mpitarika azy sy mpampianatra azy. Vitsy an'isa ireo mpitory fivavahana sy mpampianatra tsy mitady voninahitra fa mitory ny fahamarinan'Andriamanitra manontolo. Vitsy tokoa ireo mpitoriteny tsy mila ny volan'ny olona fa te hanambara ny fahamarinana mba hamonjena ara-panahy ny vahoakan'Andriamanitra. Tahaka ny mpitsabo izay ny fahasalamanao no zava-dehibe aminy fa tsy ny volanao. Vitsy dia vitsy ny mpitory tahaka izany.
Ny fanahiana dia lazain'ny olona koa fa fahalemena. Tsy fahalemena fotsiny izany.
Ao amin'ny Matio 6:25-34 dia in-telo Jesosy Kristy, Tompon'izao tontolo rehetra izao no milaza hoe "Aza manahy". Ao anatin'ny andininy folo monja dia in-telo ny Tompo no mamerina hoe "Aza manahy". Io Tompo io ihany ilay nandidy antsika tsy hamono olona, tsy hijangajanga ary tsy hangalatra. Ampiarahintsika ireo didy rehetra ireo "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra ary aza manahy". Iza amin'ireo no tsy fahotana ? Afaka miteny ve ianao hoe "Eny e, indray mandeha na indroa isan-kerinandro fotsiny aho no mitebiteby". Mitovy amin'ny miteny ihany izany hoe "Eny e, indray mandeha na indroa isan-kerinandro fotsiny aho no mamono olona" na hoe "Indray mandeha na indroa isan-kerinandro fotsiny aho no mijangajanga fa tsy dia imbetsaka akory".
Fa nahoana moa ny fahotana sasany no ataontsika ho zavadoza fa ny sasany tsia ? Satria tsy nampianarin'ny mpampianatra antsika izany. Ny tahotra dia tsy fahalemena, fahotana ny tahotra, fahotana tahaka ny famonoana olona. Ahoana no ahafantarana ny atao hoe fahotana ? Rehefa milaza Andriamanitra fa tsy tokony ataonao ilay zavatra dia fahotana iny izay. Rehefa nilaza Andriamanitra fa tsy maintsy tiavinao ny vadinao, na dia vehivavy ratsy fanahy aza dia tsy maintsy tiavinao izy satria Andriamanitra no nilaza an'izany. Ary raha milaza Andriamanitra fa tsy tokony hanao zavatra anankiray ianao, na dia heverinao fa tsy ratsy aza ilay izy dia aza atao, ratsy iny izay. Tsy hoe satria hitako fa ratsy ny fijangajangana. Andriamanitra no nilaza hoe "Aza manao an'izany". Izy no nilaza hoe "Aza manahy ary aza matahotra". Ataoko izay hiheverana hoe ratsy ny zavatra andraran'Andriamanitra ahy hoe "aza atao".
Ny ahiahy sy tebiteby dia manimba ny fiombonako amin'Andriamanitra. Ny fanahiana dia mampino ahy fa tsy miraharaha ahy Andriamanitra. Fanalam-baraka an'Andriamanitra izany. Ahoana ny eritreritrao raha mahita zazakely efa-taona mitsindroka zôridira ianao ? Betsaka izy ireny aty amin'ny firenentsika. Mampalahelo fa tsy miraharaha izay hikarakara azy ny ray aman-dreniny. Mitovy amin'izany ve ny Raintsika any an-danitra ? Tsy miraharaha antsika ve ny Raintsika any an-danitra ? Fanevatevana ny Raintsika ny mampitovy sokajy Azy amin'ny rain'ireo ankizy mitsindroka zôridira ireo. Ireny zaza ireny tsy mahafantatra hoe aiza indray no ahitana ny sakafo manaraka, manana zo hitebiteby izy satria tsy miahy azy ny rainy niteraka azy. Fa raha manana Ray any an-danitra kosa ianao kanefa manahy dia tahaka ny milaza ianao fa mitovy sokajy amin'ireny ray ireny koa ny Rainao any an-danitra.
"Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe : Aza manahy ny amin'ny ainareo" (andininy 25). Aza manahy ny amin'ny ainareo, izany hoe izay hohaninareo na izay hosotroinareo na izay ho an'ny vatanareo. Moa ny ainareo tsy mihoatra noho ny hanina sy ny fitafiana va ? Ataon'i Lioka ohatra ny voromanidina, tsy mamafy ireny, tsy mijinja ary tsy mitaona ho any an-tsompitra kanefa ny Rainareo any an-danitra mamelona azy. Impiry ianao no efa nahita voronkely maty teny an-dalana teny ? Tsy fahita firy izany. Angamba azoko isaina amin'ny ratsan-tanana teo amin'ny fiainako manontolo ny nahitako fatim-borona teny an-dalana. Taiza ianao no nahita vorona matin'ny hanoanana ? Tsy fahita firy koa izany. Anapitrisany maro ny isan'ny voromanidina eto an-tany ary mahita hohanina izy na dia tsy mamafy, tsy mijinja aza ary voatery mandehandeha eny mitady sakafo. Iza no mamelona azy ireny ? Lazain'i Jesosy fa ny Rainareo any an-danitra no mamelona azy. Tsy rain'ny voromanidina Izy. Rainareo any an-danitra Izy. Mpamorona ny voromanidina Izy ary mamelona ny voromanidina. Fa ho anao kosa dia tsy Mpamorona anao fotsiny Izy fa Rainao. Tsy mihoatra lavitra noho ireny vorona ireny ve ianao ?
Namaky tononkalo kely anankiray mahavariana aho indray mandeha. Resaka nataon'ny voronkely anankiroa izy io. Hoy ny fody tamin'ny tsikirity "Mba tiako ho fantatra mihitsy, nahoana ireo olombelona be fanahiana no mipenimpenina tsy manam-pitoniana". Dia hoy ny hitsikitsika tamin'ny fody "Ry sakaiza, ny azo antoka aloha dia izao : tsy mba manana Ray any an-danitra miahy azy izy tahaka antsika sy ianao".
Tadidio fa tsy tantara mahafinaritra fotsiny io. Fanevatevana an'Andriamanitra ny mihevitra fa tsy miraharaha ny tebitebintsika rehetra Izy.
Inona ny vahaolana ? Ny Baiboly dia milaza hoe aza manahy na inona na inona ao amin'ny Filipiana 4:6. Fanambarana hentitra izany "Aza manahy na inona na inona". Kanefa tsy maintsy misy zavatra ataontsika mikasika ny anton'ilay tebiteby. Angamba mety miatrika olana ianao izao ary tsy hainao ny hamahana azy. Inona no tokony ataonao ? Andriamanitra tsy niteny hoe aza manao na inona na inona. Asainy mivavaka mikasika an'ilay olana isika. Asainy manao fitalahoana na fangatahana manokana Aminy isika ary manambara tsotra amin'Andriamanitra hoe inona marina ilay olana. Aorian'ny fitalahoana dia aza adino ny mameno ny vavaka amin'ny fisaorana. Ny fisaorana dia filazana hoe "MIsaotra Anao aho, Ray, fa nohainoinao ny fivavako ary misaotra Anao aho noho ny fikarakaranao ahy". Ny misaotra an'Andriamanitra dia tahaka ny mandray rosia, izany hoe fanamarinana fa efa tonga teo anatrehan'Andriamanitra ny taratasiko ary efa voarainy. Izany no dikany rehefa miteny aho hoe "Misaotra Anao nihaino ahy".
Rehefa ataonao ireo zavatra anankiroa ireo dia hoy ny Filipiana 4:7 "Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro (tahaka ny manda fiarovana) ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy".
Ny hoe aza manahy dia didy tsy maintsy ankatoavintsika. Rehefa voavonjy amin'ny fanahiana aho dia voavonjy ho afaka amin'ny fahakiviana maro koa. Dingana mahafinaritra tsy maintsy ataontsika izany.