WFTW Body: 

Inona no tokony avalinao an'Andriamanitra noho izay rehetra efa nataony taminao ? Tsy ampy raha tenim-pankasitrahana fotsiny no lazainao amin'Andriamanitra. Ny Romana toko 12 (ny toko manontolo) dia manome ny valin'io fanontaniana io. Noho ny « famindrampon'Andriamanitra », dia izao no tsy maintsy ataonao :

1. Voalohany indrindra dia atolory ny tenanao ho fanatitra velona ho an'Andriamanitra (Rom. 12:1). Io teny hoe 'fanatitra' io dia milaza fa hisy sarany tsy maintsy aloanao amin'izany fanoloranao ny tenanao ho an'ny Tompo izany. Misy zavatra izay tsy maintsy ataonao fanatitra. Tsy inona izany fa ilay sitrapon'ny tenanao mahery vaika izay te hampiasa ny vatanao, te hampiasa ny masonao, ny tananao, ny lelanao, ny fandrenesanao sy ny firehetamponao sy ny sisa, mba hanaovanao izay sitraponao.

2. Atolory ny sainao (Rom. 12:2) mba hohavaozina. Izany hoe, mba hijery ny olona sy ny zava-misy amin'ny fomba fijerin'Andriamanitra. Eto no tsy maintsy anadiovanao ny tenanao mba ho afaka amin'nyfahalotoana amin'ny fomba fijerinao tovovavy, ho afaka amin'ny fo lentika amin'ny fomba fijerinao ireo olona izay nanisy ratsy anao, ho afaka amin'ny fiangarana amin'ny fomba fijerinao ireo olona azoazonao sy ireo olona tsy azoazonao, ary ho afaka amin'ny tsi-finoana, amin'ny ahiahy ary amin'ny tahotra amin'ny fomba fijerinao ny zava-misy na ny ho avy. Aoka ianao hanontany tena foana hoe « Ahoana ny fomba fijerin'Andriamanitra ity olona ity na ity zava-miseho ity ? » Koa diovy ny tenanao isak'izay tsy mitovy amin'ny an'Andriamanitra ny fomba fijerinao an'izy ireny.

3. Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina (Rom. 12.3 ). Ny ohatry (na ny halehiben') ny finoanao, fa tsy ny ohatry ny fahalalanao na ohatry ny fahazotoanao, no fandrefy marina milaza ny ara-panahinao.

4. Tontosao ny asa fanompoanao na inona na inona fanomezam-pahasoavana sy talenta nomen'Andriamanitra anao, mba hananganana ny Tenan'i Kristy ( Rom. 12:4-8). Aza alevina ao anaty tany (ao amin'izao tontolo izao) ny talentanao, tahaka ny nataon'ilay lehilahy tamin'ny talenta nomena azy. Aoka ianao hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo (Rom. 12 :11 ), sy amin'ny fivavahana (amin'ny fihainoana an'Andriamanitra sy firesahana Aminy) matetika (Rom. 12 :12).

5. Mankahalà ny ratsy ary mifikira amin'ny tsara (Rom 12:9). Ny fanaovana ity voalaza farany ity no hanampy anao sy hanatanterahanao moramora kokoa iry voalohany.

6. Tiavo sy hajao ny rahalahy rehetra, satria izy ireny no zandrin'i Jesosy (Rom. 12:9,10). Iantrao izy ireny (Rom. 12:13). Mifalia rehefa misy zavatra mahafaly azy ary mitomania rehefa misy zavatra mampalahelo manjo azy (Rom. 12:15). Manetre tena manoloana ny olona rehetra, indrindra indrindra manoloana ireo mahantra sy ireo izay tsy manan-talenta loatra ao amin'ny Tenan'i Kristy (Rom. 12:16).

7. Tiavo sy asio soa ny olona rehetra, indrindra indrindra ireo izay nanisy ratsy anao (Rom. 12:14, 17-21). Mihavàna amin'ny olona rehetra, araka izay azonao atao. Aza mamaly ratsy na maniry loza ho an'ireo olona izay nanao ratsy anao. Asio soa izy ireny, koa amin'izany dia reseo amin'ny soa ny ratsy. Eto amin'izao tontolo izao dia feno olona miezaka handresy ny ratsy amin'ny ratsiratsy kokoa. Kanefa ny ratsy dia tsy haharesy velively ny ratsy. Ny soa ihany no afaka mandresy ny ratsy, satriany soa dia mahery kokoa noho ny ratsy. Izany no noporofoin'i Jesosy teo Kalvary. Miareta amin'ny fahoriana izay ampandalovin'Andriamanitra anareo ary mifalia amin'ny fanantenana fa ireny rehetra ireny dia natao mba hahatonga anao hanahaka bebe kokoa an'i Jesosy (Rom. 12:12).

Amin'ireo fomba maro ireo no anaporofoantsika amin'Andriamanitra fa tena feno fankasitrahana Azy isika noho izay rehetra nataony tamintsika, sy noho ny haren'ny fahasoavany tamintsika tamin'ny namelany ny helotsika hatrany hatrany.