WFTW Body: 

Ao amin'ny Apokalipsy 22:2 dia izao no vakiantsika : teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana, ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro . Misy itovizana be dia be ny Genesisy toko faha 2 sy ny Apokalipsy toko faha 22. Ny hazon'aina dia anoharana ny tena fiainan'Andriamanitra mihitsy, izany hoe ny fiainana mandrakizay na ilay toetran'Andriamanitra izay efa azontsika iombonana Aminy ankehitriny. Ny fiainana mandrakizay dia tsy midika hoe "fisiana mandrakizay" satria ireo mandeha any amin'ny farihy mirehitra afo koa dia mbola hisy mandrakizay. Tsy manana fiainana mandrakizay anefa izy ireo. Ny fiainana mandrakizay dia midika hoe fiainana izay tsy manana fiandohana ary tsy manana fiafarana. Izany ny an'Andriamanitra ny fiainany. Izany no noharina tamin'ny hazon'aina. Adama dia nanaonao foana nankany amin'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, raha tokony ho nankany amin'ny hazon'aina izy. Tahaka izany no ataon'ny olona maro ankehitriny, ny fahaizana Baiboly no tena tadiaviny fa tsy ny aina. Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia tsy hita ao amin'ny Apokalipsy 22. Efa nanjavona iny. Manoloana ny hazon'aina dia nametrahan'Andriamanitra lelafon'ny sabatra mihebiheby (Gen. 3:24 ). Mampianatra antsika izany fa ny sabatra dia tsy maintsy mihatra amin'ny fiainan-tsitrapontsika aloha, raha te hanana anjara amin'ny hazon'aina isika. Izany no mahatonga ireo kristiana maro misafidy mankany amin'ny hazon'ny fahalalana, izay tsy ialohavana sabatra. Raha fahalalana ara-Baiboly no tiantsika ho azo, dia tsy voatery ho faty ho an'ny fiainan-tsitrapontsika isika, na tsy voatery mitondra ny hazo fijaliana isan'andro. Fa raha te-hiombon-toetra amin'Andriamanitra kosa isika dia tsy maintsy "mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena" ( 2 Kor. 4:10). Tsy maintsy avelantsika hianjera eo amintsika ny sabatra. Ny lalan'ny hazo fijaliana no lalan'ny hazon'aina. Nianjera tamin'i Jesosy ny sabatra ary nohomboana tamin'ny hazo fijaliana Izy. Ary satria isika koa dia efa niara-nohomboana taminy, dia tsy maintsy mianjera amintsika koa ny sabatra. Amin'izany no hahazoantsika anjara amin'ny hazon'aina, izay mitondra karazam-boa vaovao samy hafa isam-bolana, ary ny raviny dia mitondra fanasitranana.

Ao amin'ny Apk. 22:7 dia izao no vakiantsika : Ary, indro, avy faingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity . Ny tian'ny Tompo holazaina eto dia tsy hoe ho avy vetivety Izy, fa, ho avy faingana, izany hoe ho avy tampoka Izy. Tahaka ny mpangalatra izay avy tampoka amin'ny alina, fa tsy mampilaza.

Ao amin'ny Apk. 22:8,9 dia izao no vakiantsika : Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo. Dia hoy izy tamiko : Tandremo, aza manao izao, fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity ; Andriamanitra ihany no ivavaho . Jaona dia nanao fahadisoana rehefa variana tamin'ilay olona nampiasain'Andriamanitra hampianatra ireo fahamarinana rehetra ireo. Niankohoka hivavaka teo an-tongotr'ilay anjely izay naneho aminy ireo zavatra rehetra ireo izy. Kanefa dia niteny haingana ilay anjely hoe " Aza manao izao. Mpanompo namanao ihany aho. Andriamanitra irery no ivavaho ". Izany dia marika anankiray hamantarana ny tena mpanompon'Andriamanitra, izany hoe isak'izay misy olona mifikitra aminy, dia mihataka amin'ilay olona avy hatrany izy mba hahafahan'ilay olona mifikitra amin'i Jesosy fa tsy mifikitra amin'ny olona !! Any an-danitra dia fihirana tokana ihany no hiraina, dia ilay fihiram-baovao, izay manao hoe " Ianao irery ihany no mendrika". Io anjely io dia nianatra izany fihirana izany koa, noho izany dia nakifiny haingana i Jaona ary nasainy nanome voninahitra an'Andriamanitra irery ihany.

Ao amin'ny Apk. 22:11 dia izao no vakiantsika : Izay manao ny tsy marina dia aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy, ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy . Teny fananarana mahatalanjona izany, izay hitantsika ao amin'ny pejy farany amin'ny Baiboly. Asain'io andininy io mitohy "hihaloto" hatrany ny olona, ary asainy manohy "manao ny tsy marina". Izany dia vokatr'izao zavatra izao : " Raha efa novakianao hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny Baiboly ary tonga eto amin'ny pejy farany ianao, kanefa mbola tsy te-hibebaka ihany na mbola tsy mahafoy ny fahotanao ihany, dia tohizo ka aoka ianao hihaloto hatrany sy hitohy hanao ny tsy marina hatrany. Tsy misy fanantenana intsony ny aminao ". Raha efa avy novakianao ny amin'ny fitsaran'Andriamanitra ny fahotana ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy, kanefa mbola te-hanaraka ny filan-dratsinao ihany ianao, ary mbola mitady ny fahafinaretan'ny fahotana, ary mbola mamaky boky vetaveta sy mijery sarimihetsika mamoafady, raha mbola te-hitahiry fo lentika aman'olona ihany ianao, ary tsy te-hamela heloka ny hafa, raha mbola te-hanala baraka olona sy hifosa olona ihany, ary mbola te-ho be fialonana sy te-hivelona ho an'ny tenanao sy hivelona ho an'ity tontolo efa lo ity, tohizo àry dia ataovy izany. Tsy hanakana anao akory Andriamanitra. Kanefa jereo izay voasoratra ho an'ny olo-marina ao amin'ny tapany faharoa amin'ny andininy 11. " Ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina kosa, aoka mbola hihamasina ihany izy ". Tsy misy fahataperana mihitsy ny fitadiavana ny fahamasinana. Koa miezaha mitady fahamarinana sy fahamasinana bebe kokoa hatrany. Ny toetry ny fiainantsika alohan'ny ahafatesantsika no hamaritra izay handaniantsika ny mandrakizay. Raha nivelona tamin'ny fahotana sy ny fahalotoana isika, dia mbola hotohizantsika ihany izany fahotana sy fahalotoana ary fanaovan-dratsy izany mandritra ny fotoana tsy mety tapitra any amin'ny farihy mirehitra afo. Raha niezaka nitady fahamarinana sy fahamasinana isika tamin'izao fiainana izao, dia izany koa no katsahintsika any amin'ny mandrakizay. Tsy misy na inona na inona azo atao intsony hanovàna ny mandrakizaintsika rehefa maty isika. " Ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany" (Mpitoriteny 11:3) .

Ao amin'ny Apk. 22:21 dia izao no vakiantsika : Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena . Mahafinaritra ny mahita hoe ahoana ny fiafaran'ny Tenin'Andriamanitra. Amin'ny alalan'ny fahasoavana ihany no ahatongavantsika ho anisan'i Jerosalema Vaovao. Amin'ny hery sy ny fanampiana omen'Andriamanitra antsika ihany no ahafahantsika amin'ny fatorana efa nanandevo antsika nandritra ny taona maro. Ny fahasoavana no mamela ny helotsika ! Ary ny fahasoavana no manampy antsika handresentsika ny fahotana, handresentsika izao tontolo izao ary handresentsika an'i Satana ! Ampitahao io teny hoe fahasoavana io amin'ny teny farany hitantsika ao amin'ny Testamenta taloha, izay tsy inona fa "ozona" (ozon'ny fandringanana). Ao amin'ny Malakia 4:6 dia izao no lazain'Andriamanitra : " fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny (ozon'ny) fandringanana ". Ny Testamenta vaovao dia manomboka amin'ny fahaterahan'i Jesosy ary mifarana amin'ny tso-drano hoe " ny fahasoavan'i Jesosy Tompo anie ho amintsika rehetra ". Tena mahafinaritra tokoa izany hoe afaka amin'ilay ozona voalaza ao amin'ny fiafaran'ny Testamenta taloha isika ary afaka miditra ao ambany fahasoavana ao amin'ny Testamenta vaovao, afaka manandrana ny fitahian'Andriamanitra ao amin'ny sehatra rehetra ao amin'ny fiainantsika, ary ny tenantsika dia afaka atao toerana fonenan'Andriamanitra, mandrakizay mandrakizay. Haleloia ! Ny voninahitra sy ny dera sy ny laza rehetra anie ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanak'ondry, Izay novonoina noho ny fahotantsika. Amena dia Amena !