WFTW Body: 

Ny dingana tsirairay mankany amin'ny ho avinao dia hotarihin'Andriamanitra, raha manapa-kevitra ho tonga olona matahotra an'Andriamanitra ianao. Ny olona manome voninahitra an'Andriamanitra no hahazo ny tsara indrindra eo amin'ny fiainana, fa tsy ny olona kinga, na ny olona manankarena, na ny olona manam-pahaizana, na ny olona manam-bintana. Tonga amintsika ny fanahiana ny ho avy rehefa tsy mifidy ny fahatahorana an'Andriamanitra isika eo amin'ny fiainana. Noho izany dia manapaha hevitra hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra. Dia homeny anao ny tsara indrindra ara-panahy, ary miaraka amin'izany dia homeny anao koa izay zavatra ara-materialy sy ara-batana rehetra ilainao. Efa hitako ny fahamarinan'izany nandritra ireo 50 taona farany teo amin'ny fiainako. Andriamanitra no hitari-dalana anao amin'ny zava-drehetra : manomboka eo amin'ny fianarana ataonao any amin'ny oniversite sy ny asa izay tokony hofidinao ka hatramin'ny fahitanao asa sy ny fahitanao vady aty aoriana. Hitari-dalana anao Izy raha manapa-kevitra fotsiny ianao mba hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra sy ho tonga olona matahotra an'andriamanitra, ary tsy hiala amin'izany.

Izany no atao hoe mahatoky amin'ny kely. Aza mba maka zavatr'olona izay tsy anao, na any aman'olona, na any an-tranon'olona, na any am-pianarana na any am-piasana na aiza na aiza, na penina izany na pensilihazo mora vidy. Aza mba manambaka olona na iza na iza na dia amin'ny zavatra kely indrindra aza. Ary araka ny nampianarina anao hatrany an-tsekoly, dia aza maka tahaka mihitsy na kely aza amin'ny fanadinana. Aleo tsy afa-panadinana toy izay afaka amin'ny hala tahaka. Aleo mahantra toy izay manankarena amin'ny fanambakana. Ajanony hatreo ny famakiana ireny boky sy ny fijerena ireny fandaharana tele ireny izay mandoto ny fisainanao. Tehirizo ho madio tanteraka ny eritreritrao amin'ny zavatra rehetra. Ireo izay miaina toy izany no hahazo ny tsara indrindra avy amin'Andriamanitra eo amin'ny fiainany, isaky ny taranaka mifandimby, na dia amin'ny vanim-potoana iakaran'ny vidim-piainana sy mampitotongana ny toekarena aza.

Tsy midika akory izany fa tsy ho lavo ary tsy ho resim-pahotana mihitsy ianao. Kanefa tsy maintsy manenina ianao isak'izay lavom-pahotana. Na dia lavo injato aman'arivo aza ianao ao amin'ny sehatra anankiray (na ara-panahy izany na ara-pianarana), dia tsy maintsy mitsangana ary manohy ny fihazakazahanao. Aza avelanao hanelohelo anao ny tsy fandresenao ota taloha. Ny tahotra ny ho resin'ny ota dia tahotra manelohelo izay tsy maintsy esorinao hiala aminao. Ny zavatra mila ataonao fotsiny dia ny manazatra ny sitraponao mba handà ny fieritreretana ireo faharesena taloha rehefa tonga ao an-tsainao izy ireny. Raha vitanao tsara izany, dia ho hitanao fa rehefa afaka kelikely, dia hiha mahalana ny fahatongavan'ireny ao an-tsainao ary farany dia hitsahatra tanteraka. Izany no dikan'ny hoe mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy (2 Korintiana 10:5).

Amin'izay dia ho tonga porofo velona ianao ho an'izay tsy mino fa ambinin'Andriamanitra ny marina sy ireo tsy mino fa Andriamanitra dia manome voninahitra izay manome voninahitra Azy. Irio fatratra amin'ny fonao rehetra ny ho tonga vavolombelon'Andriamanitra tahaka izany eto amin'ity izao tontolo izao ity fa aza manao izay hampiaiky volana izao tontolo izao amin'ny fahaizana sy ny zava-bita. Tandremo koa ny fialam-boly samy hafa mba tsy haka toerana be eo amin'ny fiainanao ka ho tonga andriamanitrakelinao.

Ny fanirian'Andriamanitra dia ny hanananao fiainana izay mitory ny filazantsaran'ny fandresena ny ota sy ny filazantsaran'ny fahafatesan'ny sitrapo (izay efa tanteraka eo amin'ny fiainanao). Fanirian'Andriamanitra koa ny hahatanterahanao ny asa fanompoana voatendrin'Andriamanitra ho anao ao amin'ny Tenan'i Kristy (na inona na inona izany). Izany dia tsy maintsy ataonao miaraka amin'ny asa fivelomanao. Manompo ny Tompo tahaka ny nataon'i Paoly, miala vola am-paosy ary tsy miankina na amin'iza na amin'iza. Izany no tokony ho hitan'izao tontolo izao ary izany no iriko indrindra ho anareo rehetra. Fantatro fa ireo olona izay mikatsaka mandrakariva ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinan'Andriamanitra voalohany indrindra no tsy ho tratry ny nenina rehefa hiverina Jesosy.