WFTW Body: 

Ny bokin'ny Romana toko faha 14 sy toko faha 15dia miresaka hoe tokony hifanaiky fa samy ao amin'ny Tenan'i Kristy. Tsy mitovy hevitra mikasika ny zavatra rehetra ny mpino rehetra. Indray andro any rehefa tafaverina Kristy ka tonga lavorary ny fisainantsika dia hifanara-kevitra 100 isan-jato isika mikasika ny foto-pampianarana rehetra ary ho fantatsika amin'izay ny atao hoe tena olon'ny fanahy sy ny atao hoe olon'ny saina sy olon'izao tontolo izao. Fa ankehitriny aloha dia samy manana ny heviny isika mikasika ireo zavatra ireo, satria na dia olona tso-po sady tsy miroa fo tokoa aza isika dia mbola voavilin'ny fahotana ny fisainantsika. Tsy misy olona mahafantatra mazava sady tsy misy diso ny zavatra rehetra. Maizimaizina tarafin'ny fitaratra ny fijerintsika ny zavatra rehetra (1Korintiana 13:12). Koa rehefa tsy mitovy amin'ny fahitantsika azy ny fahitan'ny hafa ny zavatra anankiray dia aoka isika tsy ho mafy loha hihevitra hoe isika ihany no marina fa diso avokoa ny olona rehetra. Izany no miteraka ny fisaratsarahana ao amin'ny Tenan'i Kristy. Misy fahamarinana mazava sy manan-danja be ao amin'ny Soratra Masina, indrindra indrindra mikasika ny maha-Izy Azy an'i Kristy sy ny asa nataony. Jesosy Kristy dia sady Andriamanitra feno no olombelona feno, maty noho ny fahotan'izao tontolo izao Izy ary efa nitsangana tamin'ny maty ary Izy irery ihany no lalana mankany amin'Andriamanitra Ray. Ny amin'ireo fampianarana fototra ireo dia tsy andeferantsika mihitsy na kely aza. Kanefa misy fampianarana tsy fototra ankoatr'ireo.

Ny batisan'ny rano, na dia tsy takiana amin'ny famonjena aza dia mbola fampianarana manandanja be ho an'ireo fiangonana. Tsy azon'ny olona manao batisa zaza atao ny miara-miasa ao am-piangonana amin'ireo olona izay mino fa ny batisan-jazakely dia tsy ara-Baiboly, satria hifandona tsy an-kijanona izy ireo. Kanefa na dia tsy afaka miara-miasa amin'ireny rahalahy ireny aza isika dia tsy maintsy ekentsika ho rahalahy ao amin'i Kristy izy raha efa nateraka indray, satria efa neken'Andriamanitra izy. Afaka manao fiombonam-panahy aminy isika na dia tsy afaka miara-miasa aminy aza. Ny mampalahelo ankehitriny dia marobe ny mpino no mihevitra fa raha tsy afaka miara-miasa amin'ny olona anankiray izy dia tsy afaka miombom-panahy aminy koa. Eo no miditra ny Toko 14 sy 15.

Mahita rahalahy malemy finoana va ianareo? Ekeo izy. Ahoana no fomba hanekenao azy ? "tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo" (Romana 15:7). Moa ve efa tonga lafatra hianareo vao neken'i Kristy ? Tsia. Koa nahoana no andrasanareo ho tonga lafatra ny rahalahinareo vao hekenareo ? Endre izany halementsika sy hadalantsika rehetra tamin'ny andro nahaterahantsika indray. Tsy nisy na inona na inona fantatsika mikasika an'Andriamanitra ary resim-pahotana avokoa isika rehetra. Kanefa dia neken'ny Tompo isika. Marobe ireo zavatra tsy nety hitany tao amintsika kanefa nekeny isika. Raha tsy manaiky ny olona izay efa neken'Andriamanitra isika dia mpirehareha ary mihevitra ny tenantsika ho olon'ny fanahy kokoa noho Andriamanitra ! Toy izany no nanorenan'ny olona ny sekta. Tsy noho ny fampianaran-diso ihany fa noho ny fihetsika tsy mety ataony amin'ireo zanak'Andriamanitra hafa. Ireo didy aman-dalàna kelintsika tsy misy dikany dia tsy tokony ataontsika fototra hanekena na tsia ny mpikambana hafa ao amin'i Tenan'i Kristy.

"Fa nahoana hianao no mitsara ny rahalahinao ?" (Rom. 14:10a). Toetra ivelany izany. "Ary nahoana kosa hianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao ?" (Rom. 14:10b). Toetra anaty izany. Tsy maintsy misoroka ireo toetra anankiroa ireo isika. Rehefa malalaka ny fontsika hanaiky ny olona rehetra izay efa neken'Andriamanitra, tahaka ny nanekeny antsika, dia hahatratra ny faratampon'ny hafatry ny filazantsara isika. "Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo (amin'ireo ao amin'i Tenan'i Kristy) mankalaza an'Andriamanitra" (Romana 15:6).

Ny toko farany, izany hoe ny Romana toko faha 16 dia ahitana ireo fiarahabana ataon'i Paoly ho an'ireo mpino maro tany Roma. Tao amin'ny fiangonana tao Roma dia nisy fiangonana tao an-trano niisa dimy (andininy 5-15). Tsy nivory tao amin'ny trano fiangonana malalaka be anankiray akory izy rehetra. Lehibe dia lehibe ny fiangonana tany Roma kanefa nizarazara ho vondrona madinika nivory tany amin'ny tokantrano samy hafa izy. Na dia mbola tsy nankany Roma hatrizay aza i Paoly dia nataony izay nahafantarana ireo olona maro tao am-piangonana ary nomeny fiarahabana izy ireo.

Farany, ilay fitenenana hoe "fanekena ny finoana" (Rom. 16:26) dia hita eto amin'ny faran'ny taratasy tahaka ny tany amin'ny fiandohan'ny taratasy. Efa nantsoin'Andriamanitra i Paoly mba hitarika ny olona tsy ho amin'ny finoana fotsiny ihany fa ho amin'ny fankatoavana izay efa ninoany ihany koa. Ny finoana tsy misy asa fankatoavana dia finoana maty, tahaka ny vatana tsy misy aina. Tao ambanin'ny fanekena taloha dia ny fankatoavana no tena nohamafisina. Fa ao ambanin'ny fanekena vaovao kosa, dia ny fankatoavana izay inoana na ny fanekena ny finoana. Mankato an'Andriamanitra isika ankehitriny satria fantatsika fa ny didy rehetra dia avy amin'ilay Ray be fitiavana ary efa nataony mba hahasoa antsika indrindra.