WFTW Body: 

Izao no vakiantsika ao amin'ny 1 Kor. 12:27,28 " Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra ".

Ireo olona tsirairay voalaza eo amin'ireo andininy ambony ireo dia efa nandray fahaizana mahagaga avy tamin'Andriamanitra, izay ilain'izy ireo hanampy azy amin'ny fanorenana ny fiangonan'Andriamanitra. Ny sasany amin'izy ireny, tahaka ny apostoly sy ny mpaminany ary ireo nahazo ny fanomezam-pahasoavana hanao fahagagana sy hanasitrana dia iaraha-mahita fa tena manana fahaizana mahagaga tokoa, ary Andriamanitra no nanome azy ireny fahaizana ireny. Noho izany dia azo lazaina fa ireo olona sasany voalaza eo ambony, tahaka ny mpampianatra, ny mpanampy ary ny mpitondra dia olona tsy maintsy nandray ny fahaizana mahagaga avy tamin'Andriamanitra koa, mba hanaovany ny anjara asany ao amin'ny Tenan'i Kristy. Fa tsy olona manana fahalalana mifanaraka amin'ireo asa ireo fotsiny.

Eritrereto ohatra ireo olona antsoina hoe "mpanampy" izay notendren'Andriamanitra ao am-piangonana. Tsy olona nanolo-tena hanadio ny gorodona sy hanadio ny trano fivoahana akory no atao hoe mpanampy. Tena ilaintsika tokoa ny olona mahafoy tena hanao ireny asa ambany ireny any amin'ny fiangonana tsirairay. Kanefa ny asa tahaka ireny dia azon'ny olona rehetra atao tsy mila fahaizana mahagaga. Fa ny mpanampy voalaza ao amin'ireo andininy eo ambony ireo dia ireo olona izay manana fahaizana mahagaga nomen'Andriamanitra azy ireo mba hanampy ny hafa. Tena ilaina tokoa ny olona tahaka izany any amin'ny isam-piangonana, ary isika rehetra dia tokony haniry mafy mba homen'Andriamanitra ny fahaizana hanaovana izany asa fanompoana izany. Ny "mpanampy" tahaka izany dia " ireo izay manohana ara-panahy sy mitondra fanampiana ara-panahy" ho an'ny mahantra sy ny malahelo ao am-piangonana.

Ny Fanahy Masina dia nantsoina hoe Mpanampy (Jaona 14:16) ary ny asa fanampiana ataony amintsika dia tsy hita maso. Ireo "mpanampy" ao amin'ny Tenan'i Kristy koa dia miasa tahaka ilay Mpanampy Lehibe, dia ny Fanahy Masina, izany hoe miasa amin'ny mangingina sy any amin'ny takona, tsy mirehareha tsy misehoseho ary tsy manao izay hahitan'ny olona na hankasitrahan'ny olona azy. Mety ho rahalahy ny mpanampy, mety ho anabavy. Ny mpino tahaka izany dia nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana tokana (tokana tahaka ny fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitrana), hahay hamantatra ny zavatra tsy voalaza nefa ilain'ireo olona reraka ao am-piangonana, izay mitolona amin'ny tsi-finoana sy ny tahotra. Tsy miandry hasaina izy ireo vao manampy. Fa satria tarihin'ny Fanahy Masina izy ireo dia manatona moramora ireo olona ao anatin'ny ady ary manampy azy ireny amin'ny tenim-pinoana sy teny fampaherezana. Tsy misisika na manery na iza na iza izy. Fa mihaino an'Andriamanitra isan'andro izy sady efa nomena ny " teny hampahatanjaka izay reraka" (Isaia 50:4).

Ny olona manana izany fanomezam-pahasoavana izany no ilaina amin'izao androntsika izao, satria marobe ireo olona ao am-piangonana izay kivy sy ketraka, mitaintaina ary trotraky ny adim-piainana. Mila olona izy ireo hanakaiky sy hampahery azy. Noho izany dia maro ireo rahalahy sy anabavy izay tokony hitady ny Tompo hahazoany izany fanomezam-pahasoavana izany, mba hahafahany mitahy ny Tenan'i Kristy, ao amin'ny miafina sy ao amin'ny mangingina.