written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpitarika
WFTW Body: 

Ny mpitondra fivavahana aloha voalohany indrindra dia hahazo antso avy amin'Andriamanitra . Ny asa izay hataony dia tsy ho asa fivelomany fa ho fiantsoana .

Tsy misy olona afaka manendry ny tenany ho mpitondra fivavahana. "Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay nantsoin'Andriamanitra" (Hebreo 5:4). Izany dia fitsipika tsy azo ovàna. Ny andininy manarakaraka izany dia milaza fa na dia i Jesosy aza dia tsy nanendry ny Tenany ho Mpisoronabe. Ny Ray no nanendry Azy. Raha Jesosy aza niharan'izany, tsy mainka va fa isika amin'ny fiantsoana antsika.

Ny zavatra mampalahelo ankehitriny dia izao, ny androatokon'ny "olona mpanao asa kristiana" aty Inde dia manao izanyho fameloman-tena. Ho an'ireny olona ireny dia asa aman-draharahany izany. Tsy nantsoin'Andriamanitra izy ireny.

Misy fahasamihafana be ny atao hoe "asa fivelomana" sy ny hoe "fiantsoana ". Mamelà ahy hanazava tsara izany. Eritrereto hoe misy zaza marary ao amin'ny hopitaly ary misy mpitsabo mpanampy iray mikarakara io zaza io mandritra ny ora fiasàny adiny 8. Dia mandeha mody io mpitsabo mpanampy io avy eo ary manadino ny momba ilay zazakely. Ny fiahiany an'io zaza io dia ora 8 ihany. Manan-javatra hafa atao izy izao, toy ny hoe mijery sarimihetsika ary mijery tele. Tsy voatery alefany any amin'ilay zaza intsony ny sainy raha tsy rahampitso maraina indray rehefa miverina miasa izy. Fa ny renin'ilay zaza kosa tsy miasa adiny 8 ! Tsy afaka mandeha mijery sarimihetsika izy rehefa marary ny zanany. Izany no mahasamy hafa ny asa fivelomana sy nyfiantsoana.

Raha ampiharinao eo amin'ny fomba fikarakaranao ny mpino ao am-piangonanao io fanoharana nataoko io, dia ho hitanao na mpitsabo mpanampy ianao na tena reny !

Hoy Paoly ao amin'ny 1 Tesaloniana 2:7,8 "Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo".

Tsy ny filazantsaran'Andriamanitra fotsiny ihany no nomen'i Paoly an'ireo kristiana ireo fa nomeny koa ny ainy. Ny asa fanompoana rehetra tsy atao amin'izany fomba izany dia tsy azo lazaina ho tena asa fanompoana kristiana. Tahaka izany no nanompoan'i Paoly an'Andriamanitra satria nahazo fiantsoanahanao asa fanompoana izy. Tsy asa fameloman-tena no nandraisany an'izany.

Tena mahafinaritra be ny manompo ny Tompo. Izany no zavatra manan-danja indrindra eto amin'izao tontolo izao. Tsy misy na inona na inona ety ambonin'ny tany azo oharina amin'izany, raha toa ka nantsoinaianao. Tsy azo tsotsorina ho asa fivelomana izany.

Nantsoin'Andriamanitra hanompo Azy (amin'ny fotoana feno) aho tamin'ny 6 may 1964 fony aho manamboninahitra tao amin'ny tafika an-dranomasina indiana. Dia natolotro ny manam-pahefan'ny tafika ny fangatahako hiala amin'ny asa. Kanefa tahaka an'i Mosesy nangataka tamin'i Farao mba handefa ny zanak'isiraely ! Tsy neken'ny tafika indiana ny fangataham-pialàko. Roa taona no niverimberenako nangata-pialàna vao nekeny ny fandehanako tamin'ny farany, tamin'ny fotoana tonga lafatra nomen'Andriamanitra.

Ny niantsoan'Andriamanitra ahy dia nanova ny zavatra rehetra teo amin'ny fiainako.

Voalohany indrindra, tsy mampaninona ahy izao izay fiheveran'ny olona ny tenako na izay fiheveran'ny olona ny asa fanompoako satria Olon-kafa no Tompoko ary Izy irery ihany no hitsara ny ataoko.

Faharoa, matoky aho fa momba ahy Andriamanitra ary homeny ahy ny fahasoavany isak'izay miatrika fitsapana na fanoherana aho ao anatin'ny asa fanompoako, ary mitranga matetika izany.

Fahatelo, Tsy mampaninona ahy na mahazo vola aho na tsia, na manana hanin-kohanina aho na tsia. Raha mahazo sakafo na mahazo vola aho dia vao mainka tsara. Raha tsy mahazo sakafo na tsy mahazo vola aho dia mety amiko koa izany. Tsy azoko ajanona ny fanompoako ny Tompo satria hoe tsy nahazo vola na tsy nahazo sakafo aho, satria Andriamanitra no efa niantso ahy.

Tsy azoko ariana ny fiantsoana ahy. Tsy mpiasa mpikarama aho ka afaka mijanona tsy miasa rehefa tsy mandray karama na rehefa tsy omena sakafo ! Sahala amin'ilay reny amin'ny zanany. Tsy hiasa intsony ny mpitsabo mpanampy raha misy karamany iray volana tsy voaloa. Fa ny reny kosa tsy afaka mijanona mihitsy. Izy koa moa tsy mandray karama rahateo ! Ary hikarakara ny zazakeliny foana izy na tsy manan-kohanina na tsy manam-bola aza. Tahaka izany no fomba nanompoan'ny apôstôly ny Tompo.

Endre ny hasarobidin'izany hoe nantsoin'Andriamanitra !