WFTW Body: 

Ao amin'ny Apokalipsy 15:3,4, dia izao no vakiantsika : Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe : 'Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha ; Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjaka mandrakizay, Iza no tsy hatahotra ? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô ? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao ; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao' .

Anankiroa ireo fihirana nataon'i Mosesy voalaza ao amin'ny Testamenta taloha, ny anankiray dia ao amin'ny Eksodosy 15:1-18, rehefa nita ny Ranomasina mena ny zanak'Isiraely ary nilentika tany anaty rano i Farao sy ny miaramilany. Teo dia nanao izao fihirana izao i Mosesy " Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy, ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany tao amin'ny ranomasina ". Hitantsika ao amin'ny Apokalipsy toko faha-6 fa ny Antikristy koa dia noharina tamin'ny mpitaingina soavaly fotsy. Ao no ahitansika fa ireo mpandresy dia manao hira fiderana an'Andriamanitra noho ny namonoany io soavaly io sy ny mpitaingina azy. Ao amin'ny ady farany ao Armagedona, dia hankao amin'ny tanin'ny Isiraely ny Antikristy sy ny miaramilany ka hanafika azy. Amin'izay fotoana izay, dia hiara-hidina amin'i Jesosy Kristy Tompo ny olony masina. Hijoro eo ambonin'ny Tendrombohitra Oliva ny tongony, ary handringana ny miaramilan'ny Antikristy Izy. Ny olon'Andriamanitra hijery fotsiny dia hiombona amin'izany fandresena izany na dia tsy mandray anjara amin'ny ady aza. Ary tahaka izany koa no natao handresentsika ny ady rehetra amin'izao andro izao. Tsy amin'ny fampiasana ny fitaovam-piadian'ny olombelona no hahazoantsika fandresena. Mijanona isika ary matoky ao amin'ny Tompo ary ny Tompo no handringana ny fahavalontsika. Noho izany, ny olona manana izany finoana izany dia afaka mihira ny fihiran'i Mosesy na dia amin'izao andro izao aza !! Azontsika atao ny mihira ny fihiran'i Mosesy ao anatin'ny adim-piainana. Azontsika atao ny "mijanona" ary mijery izay anaovan'ny Tompo ny fahavalontsika.

Ny fihirana faharoa nataon'i Mosesy dia ao amin'ny Deotoronomia 31:30 hatramin'ny 32:43. Teo dia nihira koa i Mosesy hoe "Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony ; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany (hovalian'i Jehovah). Hamaly ny mpandrafy Azy Izy , ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony"(Deo. 32:43) . Ao amin'ireo fihirana anankiroa ireo dia fahamarinana anankiray no hitantsika : Ny olon'Andriamanitra dia tsy mamaly ratsy ny fahavalony. Mihemotra ny olon'Andriamanitra ary Andriamanitra no miady ho azy sy mamaly ny fahavalony.

Izany no fihirana izay mila ianarantsika amin'izao andro izao mba hohiraintsika amim-boninahitra miaraka amin'ny lokangan'Andriamanitra indray andro any. Ny zava-misy eo amin'ny fiainana andavanandro dia tahaka ny famerenan-kira ataontsika, mba hahaizantsika izany fihirana izany. Ny mpandresy dia manao fihirana hoe tanteraka ny lalan'Andriamanitra. Any an-danitra, dia hihira isika hoe "efa vitan'i Jesosy lavorary avokoa ny zavatra rehetra". Amin'izay andro izay, rehefa manao jery todika ny lalana nitondran'Andriamanitra antsika tety an-tany isika, dia ho hitantsika fa ny zavatra rehetra, eny, ny zavatra rehetra, dia notendren'Andriamanitra mba hahasoa antsika indrindra. Ankehitriny dia tsy takatry ny saintsika ny zavatra maro izay mitranga. Fa indray andro any, dia ho takatry ny saintsika mazava be. Kanefa ny olon'ny finoana dia tsy miandry ny fahatongavan'izany andro izany. Mino izy ary mahafantatra izy na dia amin'izao fotoana izao aza. Tsy voatery hiandry an'Andriamanitra hanazava aminy ny anton'ny zavatra rehetra izay mitranga amin'ny fiainany ety an-tany izy. Dieny izao sahady izy dia efa mihira hoe "Tompo ô, ny lalanao dia tanteraka !!"