WFTW Body: 

"Dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao taminy hoe : Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany ? Ary Izy namaly ka nanao hoe : Avelao izy" (Matio 15:12-14).

Rehefa nanarin'i Jesosy ny fariseo noho ny nampianaran'izy ireo ny olona hanala baraka ny ray aman-dreniny, dia tafintohina tamin'i Jesosy izy ireo. Ny olona fariseo di mora tafintohina amin'izay mety ho teny fananarana na fanitsiana omen'ny Tompo amin'ny alalan'ny loholona ao am-piangonana. Anisan'ny lesona ho an'ny zaza ara-panahy ao amin'ny fivavahana kristiana ny fandresena izany "mora tafintohina" izany. Tsy ho afaka amin'ny toe-tsaina fariseo mihitsy ianao raha tsy mikatsaka ny ho afaka tanteraka amin'ny fahatafintohinana rehefa ahitsy.

Nahalala olona tao amin'ny fiangonanay aho izay tafintohina mafy rehefa nanarina ka

nandao tanteraka ny fiangonana. Mirenireny any an-tany efitra izy ireny ankehitriny ary misy aza mety very mandrakizay. Azoko antoka fa hizotra hankany amin'ny helo tahaka ny Fariseo koa ianao raha tafintohina amin'ny fanitsiana atao aminao.

Hoy Jesosy tamin'ny mpianany "Avelao izy ho any". Tsy natao hanenjika ireo fariseo tratry ny fahatafintohinana isika ka hiezaka hamerina azy ireny ho any am-piangonana. Tsy maintsy mankato ny didin'ny Tompo isika ary mamela azy amin'izao. Raha mibebaka moa izy dia afaka miverina any amin'ny Tompo sy any am-piangonana. Izay ihany no lalana tokana hiverenany.

Voalaza ao amin'ny 2 Timoty 3:1-4 ireo olona manana karazam-pitiavana efatra : olona tia tena, olona tia vola, olona tia fahafinaretana ary olona tia an'Andriamanitra. Ao amin'ireo olona manana karazam-pitiavana samy hafa ireo dia iray ihany no marina. Ny tena kristiana dia tsy maintsy tia an'Andriamanitra, kanefa raha tsy mpitia an'Andriamanitra izy dia ho mpitia ny tenany, izany hoe ho tia ny zony, ny lazany amam-boninahiny sy ny sisa.

Izany no anisan'ny porofo fa mora tafintohina kely isika. Ny olona tia tena ihany no mora tafintohina. Ny olona tsy tia ny tenany fa tia an'Andriamanitra dia tsy ho tafintohina mihitsy na inona na inona lazain'ny olona na tsy lazain'ny olona, ary na inona na inona ataon'ny olona na tsy ataon'ny olona.

Tafintohina isika satria maratra fo. Maratra ny ain'ny nofo noho ny fomba nitondran'ny olona antsika na noho ny zavatra rentsika izay nolazain'ny olona tao an-damosintsika. Tiantsika loatra mantsy ny tenantsika !

Ary iza moa ireto olona resahintsika eto ireto ? Ireo olona tsi-mpino ve ? Tsia ! Ny resahintsika eto dia ireo olona lazaina fa "mpino", izany hoe ireo olona izay tsy mbola nahatakatra izany hoe mitondra ny hazo fijaliana sy maty ho an'ny nofo. Satria amin'ny andro farany dia zara raha hotoriana ny hazo fijaliana sy ny maty ho an'ny nofo. Efa mila tsy ho re intsony izany any amin'ny ankamaroan'ny fiangonana amin'izao andro izao, ary tsy re ao amin'ny fahitalavitra kristiana mihitsy. Rehefa tsy toriana ny famonoana ny hambompon'ny nofo dia ny Nofo no hiroborobo ao amin'ny fiainan'ny kristiana marobe. Tsy fantatr'izy ireo akory fa tsy afaka hanara-dia an'i Jesosy ny olona raha tia ny tenany. Hihevitra izy ireo fa azo atao ny sady mitia ny tena no manara-dia an'i Jesosy. Jereo ireo kristiana maro an'isa izay tafintohina sy maratra fo kanefa tsy mahatsapa akory fa fahotana lehibe izany.

Mety hiteny ianao hoe, "Eny e, kanefa nisy olona nanao zavatra nahatsiravina tamiko, manana zo haratra fo aho". Marina mihitsy izany ! Satria ianao olona tsi-mpino tsinona ! Tsy mpianatr'i Jesosy ianao, izany no hanananao zo haratra fo. Raha mpianatr'i Jesosy ianao dia tsy manana zo haratra fo. Jesosy dia tsy naratra fo mihitsy na dia nantsoin'ny olona hoe lohan'ny demonia aza, na dia nororan'ny olona ny tavany, na nasian'ny olona zava-dratsy maro.

Inona moa ny dikan'izany hoe mpianatr'i Jesosy ? Tena kristiana vitsy dia vitsy tokoa no hitondra ny hazo fijaliana amin'ny andro farany ka hanaraka an'i Jesosy. Koa tena ho sarotra tokoa ny ho tonga kristiana mijoro marina satria isika dia voahodidina olona izay milaza azy ho kristiana, izay milaza fa feno ny Fanahy Masina, izay miteny amin'ny teny tsy fantatra, kanefa mora maratra fo sy mora tafintohina. Na koa tezitra izy ireo satria voahosom-potaka ny anarany.

Jesosy dia nampianatra antsika hivavaka hoe "Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao". Ny dikan'izany dia izao, adinoy ny mikasika ny anaranao ! Any amin'ny andro farany anefa, na dia ao amin'ireo olona milaza ny tenany ho kristiana aza dia ho maro ny ho sarotiny amin'ny anaran'ny tenany. Ohatra amin'izany, fantatrao ve fa lehibe dia lehibe ny fahafaham-baraka mahazo ny anaran'i Jesosy eto amin'izao tontolo izao ankehitriny ? Kanefa tsy mampihontsina ireo olona maro izay milaza ny tenany ho kristiana izany. Fa saingy raha ny anaran'izy ireo no misy manoso-potaka, na dia indray mandeha aza, dia tena ho tezitra mafy tokoa izy ireo. Na raha ny anaran'ny zananivavy kely mahafatifaty no hosoram-potaka dia tena ho tezitra fatratra izy ireo. Fa raha ny anaran'i Jesosy, avelany ho afa-baraka ary tsy mampaninona azy akory izany. Dia heverinao ve fa mpianatr'i Jesosy ny olona tahaka izany ? Tsia ! Sanatria dia sanatria ! Kanefa mipetraka soa aman-tsara ao am-piangonana izy ireny. Milaza fa efa nateraka indray. Milaza fa tia ny Tompo.

Izany no zavatra mahagaga izay vitan'ny devoly, dia ny nahavitany namitaka ireo olona tia tena hatrany amin'ny tsinaimaintiny, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany nefa mbola mihevitra ny tenany fa mpianatr'i Jesosy.

Kanefa, tsy misy azoko atao afa-tsy ny mampitandrina anao. Tsy misy afaka manova anao tsy ho tia tena raha tsy ianao mihitsy no te ho afaka amin'izany !!