Voalaza ao amin'ny Matio 28:20 fa ny mpianatry ny Tompo dia tsy maintsy ampianarina hankato sy hanao ny didy rehetra nomen'ny Tompo. Izany no lalana ahatongavana ho mpianatra. Mila mamaky ny Matio toko faha 5 sy faha 6 ary faha 7 fotsiny ianao dia ho hitanao ny sasany amin'ireo didy nomen'ny Tompo, izay tsy eritreretin'ny ankamaroan'ny mpino hankatoavina akory. Ny Mpianatry ny Tompo dia sady mpianatra no mpanara-dia.
Mila olona voakasiky ny fiantsoana hitory ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra isika, dia olona mankato izay rehetra nandidian'i Jesosy sady manana faniriana mafy hampianatra ny hafa hankato ny didin'i Jesosy rehetra. Ary amin'izany no hanorenany ny Tenan'i Kristy.
Nolazain'i Jesosy fa izao marika izao no ahafantaran'ny olona ny mpianany rehetra, mifankatia izy ireo (Jaona 13:35). Mariho tsara izany ! Ny ahafantarana ny mpianatr'i Jesosy Kristy dia tsy amin'ny fahaizan'izy ireo mitory teny na mitendry mozika, tsy amin'ny "fiteny tsy fantatra" na amin'ny filanjana Baiboly handeha hivavaka, tsy amin'ny hamafin'ny tabataba mandritra ny fivoriana ! Ny ahafantarana azy dia amin'ny fitiavany miredareda ny namany.
Ny asa fitoriana izay mitondra ny olona ho ao amin'i Kristy dia tsy maintsy arahin'ny fananganana fiangonana eo an-toerana izay hifankatiavan'ny mpianatr'i Jesosy. Ny zavatra mampalahelo anefa any amin'ny toerana maro samy hafa izay anaovana asa fitoriana tsy tapaka isan-taona dia sarotra ny mahita na dia fiangonana iray fotsiny aza afaka milaza fa tsy mifampiolonolona ny mpiangona ao aminy, tsy mifampifosafosa sy ny sisa fa tena mifankatia.
Azo ekena fa ny olona vao avy niova fo dia tsy manana fiainam-pandresena avy hatrany. Kanefa inona no azontsika lazaina raha tia mifanditra sy manao sain-jaza ny kristiana loholona sy mpitondra fivavahana eo amin'ny tanintsika ?
Izany dia porofo mazava fa ny tapany faharoa sady manan-danja indrindra amin'ny hafatra lehibe navelan'ny Tompo (voalaza ao amin'ny Matio 28:19,20), izany hoe ny fanaovana ny olona ho tonga mpianatra sy ny fankatoavana an-tsakany sy an-davany ny didin'i Jesosy, dia efa notsinontsinoavin'ny olona tanteraka.
Ilay tapany voalohany amin'io hafatra lehibe io (Marka 16:15) ihany no imasoan'ny olona hatraiza hatraiza, dia ilay hoe ny fitoriana filazantsara dia harahin'ny famantarana sy fahagagana maro hataon'ny Tompo.
Ao amin'ny Matio 28:19,20 kosa anefa dia fanaovana ny olona ho mpianatra no tena antitranterina. Ny fiainan'ny mpianatry ny Tompo dia hita amin'ny fankatoavana tanteraka ireo didin'i Jesosy. Ny ankamaroan'ny kristiana dia ilay voalohany ihany no tena imasoany, ary vitsy dia vitsy ny manao amin'itsy faharoa. Kanefa ilay voalohany raha tsy miaraka amin'ilay faharoa dia tsy feno ary tsy misy ilana azy tahaka ny antsasaky ny vatan'olombelona. Kanefa firy no mba mahita izany ?
Tao amin'ny asa fanompoan'i Jesosy dia vakiantsika fa nisy vahoaka marobe niaraka taminy noho ny asa fitoriana sy fanasitranana nataony. Jesosy dia nivezivezy tsy nitsahatra nampianatra ny olona ny atao hoe mpianatra (Vakio Lioka 14:25,26). Enga anie ka hanao an'izany ireo evenjelistra ankehitriny, ka na izy samy izy na izy sy ireo apostoly sy mpaminany sy mpampianatra ary ny mpiandry dia hanao izay hamitana feno ny asa natomboky ny evanjelistra.
Nahoana ny mpitory fivavahana no misalasala mitory ny amin'ny fanaovana ny olona ho mpianatra ? Satria hampihena ny isan'ny mpiangony izany. Kanefa ny zavatra tsy fantany dia hanatsara be dia be ny fahamendrehan'ny fiangonany izany !!
Rehefa nitory tamin'ny vahoaka mikasika ny fanaovana ny olona ho mpianatra i Jesosy, vetivety foana dia nihena ny isan'ny mpianany ka iraikambinifolo sisa (Ampitahao Jaona 6:2 sy Jaona 6:70). Ny sasany nahita fa sarotra loatra ny teny nataon'i Jesosy ary nandao Azy (Vakio Jaona 6:60,66). Kanefa ireo mpianatra iraikambinifolo lahy ireo izay nijanona teo amin'i Jesosy no nanatanterahan'Andriamanitra tamin'ny farany ny tanjony teto amin'izao tontolo izao.
Amin'ny maha Tenan'i Kristy antsika eto an-tany ankehitriny dia natao hanao ny asa fanompoana natombok'ireo apostoly iraikambinifolo tamin'ny taon-jato voalohany ireo isika. Rehefa tonga ao amin'i Kristy ny olona dia tsy maintsy tarihina ho tonga mpianatra sy hankato. Izay no fomba tokana hanorenana ny Tenan'i Kristy.
Tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana ka vitsy no mahita azy.
Izay manan-tsofina enti-mihaino aoka izy hihaino.