written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Ny Tenan'i Kristy dia azo oharina amin'ny hopitaly. Rehefa mandeha mamonjy hopitaly ny marary dia misy sampam-pitsaboana samy hafa afaka mandray azy ao amin'ny hopitaly. Mety tsindrona no ilain'ilay marary, mety fitsaboana ara-batana, mety fandidiana. Mety mila mijery ny dokoteran'ny maso na ny dokoteran'ny sofina izy. Noho izany dia misy sampana fitsaboana maro samy hafa ao amin'ny hopitaly. Ny dokoteran'ny maso dia tsy manao afa tsy mijery maso ary izay ihany. Ny antony dia tsy hoe tsinontsinoaviny akory ny faritra hafa ao amin'ny vatan'ny olombelona fa ny maso no nahazoany mari-pahaizana manokana. Ao amin'ny Tenan'i Kristy koa ny mpino tsirairay dia manana ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoana azy manokana. Ary ny olona irery dia tsy ampy fifandanjana (équilibre). Ny olona tokana nanana fifandanjana tonga lafatra niaina teto ambonin'ity tany ity dia Jesosy Kristy Tompo. Fa isika rehetra izao, na dia ny mendrika indrindra aza, dia tsy ampy fifandanjana avokoa. Tsy tonga amin'ny fifandanjana isika raha tsy miara-miasa amin'ny rahalahy na anabavy hafa, izany hoe amin'ny olona any amin'ny sampam-pitsaboana hafa ao amin'ny hopitalin'ny Tompo. Noho izany dia tsy misy toerana ho an'ny fitokatokanana ao amin'izany hopitaly izany !

Ny hopitaly tsara dia manana sampam-pitsaboana maro mba handraisana an-tanana ireo olona mila fitsaboana. Dia torak'izany koa, ny Tenan'i Kristy dia manana asa fanompoana maro isan-karazany sy fanomezam-panahy maro mba hanampiana ny olona. Tsy misy fiangonana na vondron'olona manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin'ny Fanahy Masina. Fa ao amin'ny fitambaran'ny tenan'i Kristy kosa no misy ny fanomezam-pahasoavana rehetra. Tsy maintsy fantatsika ny antso manokana niantsoana antsika ao amin'ny Tenan'i Kristy.

Izao tontolo izao dia feno olona marary ara-panahy. Ary tsy misy aretim-panahy tsy azo sitranina. Azon'ny Tompo sitranina tanteraka ny olona rehetra. Izany no vaovao mahafalin'ny filazantsara izay torianay. Ny mpanota meloka indrindra sy ny olona ratsy fanahy indrindra dia azo sitranina ao amin'ny hopitalin'ny Tompo. Ny hopitaly tsara dia tsy handà olona marary mafy. Ny hopitaly ambanimbany no manao an'izany satria tsy ampy ny fitaovam-pitsaboana ireo olona efa ambavahaona. Dia torak'izany koa, ny fiangonana tsara dia tsy hiteny amin'ny lehibe indrindra amin'ny mpanota hoe tsy misy fanantenana intsony ny aminao !

Ny fiangonana tsara dia afaka hanova ireo ratsy indrindra amin'ny mpanota ho tonga lehibe indrindra amin'ny olomarina, raha vonona hihinana ny fanafody atolotra azy izy ireo. Azontsika oharina amin'ny vatan'ny olombelona koa ny fiangonana. Ao amin'ny vatan'ny olombelona dia samy manana ny anjara asany avokoa ny taova rehetra, ary ny taova tsirairay dia tsy mifantoka afa tsy amin'ny fanaovana ny anjara asany. Kanefa mankasitraka sy manome lanja ary miara-miasa amin'ny taova hafa izay manana anjara asa hafa izy. Izany koa no natao hitranga rehefa miara-miasa amin'ny mpanompon'Andriamanitra hafa ao amin'ny Tenan'i Kristy isika. Ao amin'ny 1 Korintiana 12, dia raisin'ny Fanahy Masina ho ohatra ny maso, ny sofina, ny tanana ary ny tongotra mba hanehoany an-tsary ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ao amin'ny tenan'i Kristy.

Ny ahy dia amafisiko hatrany foana ny zavatra sasany ao amin'ny Baiboly. Ny antony dia satria izany no vesatra napetraky ny Tompo tao am-poko. Izay niantsoan'ny Tompo ahy no efa nifikirako, satria fantatro fa izany ihany no asa fanompoana tokana azon'ny Tompo ampiasana ahy. Hanembatsembana ny drafitra nomanin'ny Tompo ho an'ny fiainako aho raha mitady hanao zavatra hafa ankoatr'izany. Kanefa tsy manamavo ireo asa fanompoana hafa aho. Tena mankasitraka an'ireny aho. Ny vavony dia tena mankasitraka ny tanana, kanefa tsy mitady hanao ny asan'ny tanana izy. Ohatra hoe, tsy handray ny sakafo avy ao am-bilia mihitsy izy. Avelany ny tanana hanao izany ary ataony ny anjara asany amin'ny fandevonana ny hanina noraisin'ny tanana homena azy ! Izany dia sary entina anehoana ny tokony hifamenoantsika tsirairay avy ao amin'ny Tenan'i Kristy. Ny ankamaroan'ny mpino dia tsy mbola nahita ity fahamarinana momba ny karazam-panompoana ao amin'ny Tena ity. Kanefa raha tsy hitanao io fahamarinana io dia tsy ho vitanao mihitsy ny hanantanteraka ny asa rehetra tian'Andriamanitra hovitaina. Mahasoa antsika rehetra raha mazava tsara ao an-tsaintsika ny asa niantsoan'Andriamanitra antsika. Ny vesatra ataon'Andriamanitra ao am-pontsika mazàna no ahafantarana ny asa fanompoana tiany ataontsika ao amin'ny Tenany. Manana asa fanompoana tokana sy miavaka ianao ao amin'ny Tenan'i Kristy, izay tsy azon'iza n'iza tanterahina. Ary izany asa fanompoana izany dia tsy ho ampy fifandanjana velively. Tsy ho ampy fifandanjana foana izany. Tsy maintsy ataonao izay hampifandanja izany. Tsy maintsy ampifandanjainao izany amin'ny fiarahanao miasa am-piraisam-po amin'ireo olona manao asa fanompoana hafa ao amin'ny Tena. Izany no fomba ihazonan'Andriamanitra antsika hanetry tena lalandava, izany hoe ataony mpiankin-doha amin'ny hafa isika. Deraina ny Tompo ! Isika rehetra dia samy mahery ao amin'ny sehatra sasany eo amin'ny fiainantsika ary osa amin'ny sehatra hafa, tahaka ny mpianatra mety mahery amin'ny taranja Anglisy ary osa amin'ny matematika. Kanefa tsy maintsy fantarintsika ny sehatra maha-osa antsika ary ataontsika izay hampahery antsika ao. Mety mahery amin'ny asa evanjelika ny fiangonanao kanefa osa amin'ny fitoriana ny fahamasinana. Raha izany no izy dia fantatrao ny karazana asa fanompoana ilain'ny fiangonanao.