WFTW Body: 

Esorin'Andriamanitra tsy ho ao amin'ny Fiangonany ireo "mibitaka am-pireharehana" (Zefania 3:8-17).

Efa hitan'ny apôstôly Jaona nitranga izany tamin'ny androny. Hoy izy "Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy ; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany ; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra" (1Jaona 2:19).

Ny loholon'ny fiangonana tsirairay no mamaritra ny fenitra ara-panahy tiany hotazonina ao amin'ny fiangonany. Ny fiangonana tsy manana ny fenitry ny fahamasinana dia tsy hialàn'ny olona. Fa ny fiangonana te hivelona amin'ny fenitra ampianarin'i Jesosy kosa dia hahita fa maro ny olona no hiala aminy tahaka ny nialàn'ny olona maro tamin'i Jesosy. Ary hitantsika efa mitranga koa izany eo anivontsika.

Ny niala voalohany tao amin'ny fiangonanay dia ireo mpanankarena sy olom-baventy izay tafintohina satria tsy nahazo fikarakarana manokana tahaka izay efa nahazatra azy tany amin'izao tontolo izao sy tany amin'ny fiangonana hafa. Tsy ny harenany sy ny fahamboniany akory no nanakana azy ireo tsy ho tonga mpianatr'i Jesosy fa ny fireharehany. Tsy mba nataonay zava-dehibe ny harenan'ny olona sy ny fahamboniany. Ny olona nanetry tena sy natahotra an'Andriamanitra ihany no nomenay voninahitra, na nahantra izy ireny na nanankarena (Salamo 15:4).

Ny sasany nandao ny fiangonanay satria te hatao loholona tao am-piangonana nefa tsy voatendry ho loholona ! Ary ny sasany voatendry ho loholona dia nandao anay rehefa niangaviana hiala tamin'ny naha-loholona azy noho izy tsy nahatoky tamin'ny andraikiny. Tao ireo te hahazo vola tamin'ny fahaizany mitory teny (1Petera5:2), ary isika dia efa nodidiana handositra ny olona mitory teny mba hahazoam-bola (1Timoty 6:3). Tao ireo nanjakazaka tamin'ny ondry (1Petera5:3). Ary ny sasany nitaona ny olona hanara-dia azy fa tsy hanara-dia ny Tompo (Asa 20:30). Nosoloin'Andriamanitra olona mendrika kokoa ireny loholona ireny mba hanamarinan'Andriamanitra fa Izy mihitsy no nanaisotra azy.

Ny sasany nandao anay satria te hifandray tamin'ny fiangonana tandrefana mpanankarena fa tsy fiangonana indiana mahantra tahaka ny anay. Ny ankamaroan'ny kristiana aty Inde dia mino fa manana fiainam-panahy ambony kokoa ny kristiana tandrefana koa manaiky ho eo ambany fifehezany. Ny ankamaroan'ny fiangonana aty Inde dia tsy manao fivoriam-bavaka manokana mihitsy raha tsy manafatra mpandaha-teny vahiny amerikana na eropeanina anankiray farafaharakeliny. Izany no fomba tokana itaoman'izy ireo olona hamonjy ny fivoriany ! Ny anay kosa dia mitovy avokoa ny fitondranay ny olona na avy aiza izy na avy aiza ary amin'ny alalan'ny hosotry ny Fanahy Masina sy ny toriteny torianay no ezahinay isintonana ny olona fa tsy amin'ny lokon'ny volon-koditry ny mpitory !! Ny ankamaroan'ny kristiana aty Inde dia mifikitra amin'ireo fikambanana tandrefana mba hahazoany vola sy hahafahany mivoaka any ivelany maimaimpoana !! Izahay dia manohitra ireo olona rehetra "mpitady tombontsoa".

Nisy olona maromaro koa nandao anay satria tsapany fa avo lenta loatra ny fenitry ny fahamasinana notorianay ! Notorianay ny fahatongavana ho mpianatry ny Tompo, ny batisan'ny Fanahy Masina (sy ny fanomezam-panahy), ny fandresena ny ota fantatra rehetra, ny toriteny teo an-tendrombohitra (Matio toko faha 5,6 ary faha 7), ny fandrosoana mankany amin'ny tanteraka, ny fandehanana tahaka ny nandehanan'i Jesosy, ny fiainam-pianakaviana matahotra an'Andriamanitra, ny fitondrana ny hazofijaliana isan'andro, ny fisarahana amin'ny fanahin'izao tontolo izao, ny fahafahana amin'ny fitiavam-bola, ny fifandian-kanina sy fivavahana, ny famelana ny heloky ny olona rehetra amin'ny fo manontolo, ny fitiavana ny olona tahaka ny nitiavan'i Jesosy antsika, ny fanorenana fiangonana ho Tenan'i Kristy sy ny sisa. Ny toriteny tahaka izany dia manafintohina olona maro ka miala izy. Kanefa tsy nampaninona anay izany satria fantatray fa marobe koa no tafintohina tamin'ny toritenin'i Jesosy ka niala taminy (Jaona 6:60,66). Ny nahatalanjona anay anefa dia ireo kristiana izay mifidy ny sekoly tsara indrindra hianaran'ny zanany sy hopitaly tsara indrindra hitsaboany tena no mifidy fiangonana manana fari-pahamasinana ambany ho an'ny fiombonam-panahiny. Izany fotsiny dia manaporofo fa sarobidy amin'izy ireo kokoa ny zavatry ny tany noho ny zavatra ara-panahy, sarobidy aminy kokoa ny vatan-tenany noho ny fanahiny.

Vao mainka nahazendana anay koa aza ny nahita olona tsy naniry hanana fiainana matahotra an'Andriamanitra kanefa nisafidy hijanona tao amin'ny fiangonanay. Tsikaritray anefa fa ny antony nijanony tao aminay dia satria hitany fa tsara ho an'ny fiainam-pianakaviany ny fifampitondrana ao am-piangonanay. Ny fiangonanay dia nitovy amin'ireo fikambanana mahasoa tsy andoavana vidim-pidirana !! Koa nisy kristiana 'babyloniana' maromaro mbola nijanona tao am-piangonanay. Na i Jesosy koa aza dia mba nanana Jodasy Iskariota anankiray tao amin'ny Fiangonany !

Niezaka anefa izahay hihazona fenitra ambony ho an'ireo loholona ao am-piangonana amin'ny alalan'ny fivoriana sy fihaonambe matetika izay natokana ho azy ireo. Andriamanitra dia manangana lehilahy mendrika ho loholona ao am-piangonanay. Ny ankamaroan'izy ireo dia mpitory tsy mahay mandaha-teny kanefa mikatsaka ny voninahitr'i Kristy sady mazoto miahy ny vahoakan'Andriamanitra (Filipiana 2:19-21). Raha tsy mahita rahalahy tahaka izany izahay eo amin'ny toerana anankiray dia tsy manorina fiangonana ao satria raha tsy misy mpiandry matahotra an'Andriamanitra dia hitanay fa mania ny ondry.

Rehefa mijery ny fiangonanay izahay ankehitriny dia mahita fa mbola tsy tratranay ny fenitra tian'Andriamanitra hiainanay. Kanefa miezaka manatratra ny tanteraka izahay ary miezaka mihazona ny fenitry ny fahamasinana izay nampianarin'i Jesosy na manatona anay ny olona na mandao anay.

Ny fiangonana dia fonenan'Andriamanitra, tahaka ny tabernakely tao amin'ny Testamenta taloha. Io tabernakely io dia nizara telo : ny kianja ivelany sy ny fitoerana masina ary ny fitoerana masina indrindra. Tao amin'ny kianja ivelany no nitangoronan'ny vahoaka marobe nanodidina ny alitara sy ny tavy fanasana (sarin'ny famelan-keloka sy ny batisan'ny rano). Tao amin'ny fitoerana masina kosa dia nihena ny isan'ny olona. Tao no nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatry ny mofo aseho ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra (sarin'ny hosotry ny Fanahy Masina sy ny fianarana ny Tenin'Andriamanitra ary ny vavaka). Fa tao amin'ny fitoerana masina indrindra dia tsy nisy olona nahazo niditra tamin'ny andron'ny Testamenta taloha. Io toerana masina io no misokatra ankehitriny ho an'ny olona rehetra mitady fiombonana amin'Andriamanitra, dia olona efa nanolotra ny zava-drehetra ho an'Andriamanitra sady te hivavaka Aminy amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Ireo fizarana anankitelon'ny tabernakely ireo dia ilazana faribolana telo ahafahana mifandray akaiky amin'Andriamanitra. Koa ny mpiangona rehetra ao am-piangonana (ao anatin'izany ny anay) dia olona efa nifidy ny hitoetra ao anatin'ny anankiray amin'ireo faritra telo ireo. Ny mpandresy kosa anefa dia ireo olona izay misadify ny hitoetra tsy tapaka ao amin'ny fitoerana masina indrindra. Koa noho izany izy dia haharitra hiray amin'ny Tompo hatramin'ny farany. Izy ireo no tena herin'ny fiangonanay, sy ny fiangonana rehetra.