Horonantsarin’ny fitadidiantsika

written_by :   Zac Poonen categories :   Fahamarinana Fototra Mpikaroka
Article Body: 

Amin'izao andro iainantsika izao, dia azo atao tsara ny mandrakitra ao anaty horonantsary, amin'ny alalan'ny kamerà, ny sary sy ny feo avy amin'izay zavamiseho manodidina antsika. Azo jerena ilay horonantsary aty aoriana rehefa alefa ny kasety ary dia averiny aseho tahaka ny tamin'ny fotoana nakana ny sary ny zavatra nitranga rehetra.

Ambaran'ny Baiboly fa ho avy ny andro izay hanadinan'Andriamanitra antsika rehetra. Rehefa heverintsika ireo vahoaka andavitrisany maro izay efa niaina teto ambonin'ity tany ity, nandritra izay taonjato marobe teo amin'ny tantaran'ny olombelona izay, dia mety hanontany tena isika hoe fomba ahoana moa no itehirizan'Andriamanitra ny fitambaran'ny zavatra rehetra nataon'ny olona tsirairay, na noeritreretiny, nandritra ny androm-piainany manontolo ? Ao anatin'ny fitadidian'ny isambatan'olona no nandraketan'Andriamanitra izany.

Ny fitadidiana dia azo oharina amin'ny horonantsary izay mandrakitra amin'ny fomba tsy misy diso izay zavatra rehetra ataontsika sy tenenintsika ary sainintsika. Raketiny ao ihany koa ny toe-panahy ao anatintsika sy ny hery manetsika antsika. Rehefa maty ny olona na dia avelany ety an-tany aza ny vatany, dia entiny miaraka amin'ny fanahiny any amin'ny fitoeran'ny fanahin'ny maty kosa ny fitadidiany. Rehefa tonga amin'izay ny andron'ny fitsarana farany, dia hotafatambatra indray ny vovoky ny nofony, izay navelany tety an-tany, sy ny fanahiny ka hitsangana amin'ny maty eo anatrehan'Andriamanitra ny vatany ary hadinina aminy izay rehetra nataony nandritra ny androm-piainany rehetra. Amin'izay andro izay, rehefa misesy eo anatrehan'Andriamanitra ho tsaraina ny olona, dia alefan'Andriamanitra fotsiny ny horonantsary voarakitra ao anatin'ny fitadidian'ilay olona ary hojeren'izao tontolo izao eo amin'ny efijery (écran) lehibe. Tsy hisy olona afaka handà ny fahamarinan'izay zavatra aseho eo satria ny fitadidian'ilay olona ihany no mamoaka indray ny tantaram-piainany.

Ny sarintsarim-pahamaotinana sy ny sarintsarim-pivavahana izay itafian'ny olona ankehitriny dia hendahina aminy amin'izay andro izay ka hibaribary ny toetra miafin'ilay olona. Tsy hahavonjy ny olona ny fivavahany amin'izay andro izay satria ho hita mazava tsara fa efa nanota avokoa izy rehetra, na inona fivavahana nahaterahany na inona fivavahana narahiny. Na ny asa soa natao, na ny vola nanaovana fiantrana sy fanohanana asa fitoriana dia samy tsy hahavonjy ny olona, satria tsy misy amin'ireny no afaka hamafa ny rakitsary misy ny fahotantsika.

Tsy misy afa-tsy FOMBA TOKANA IHANY no afaka mamafa tanteraka ny rakitsary mampiseho ny faharatsiana rehetra natao na notenenina na nosainintsika mba tsy hahitan'Andriamanitra azy ary mba tsy hiseho eo amin'ny horonantsary rehefa alefa ny kasety amin'ny andro fitsarana. Ny asa soa natao moa dia tsy afaka hamafa velively ny asa ratsy natao, sanatria. Na oviana na oviana.

Ny famaizana araka ny rariny sy ny hitsiny dia tsy maintsy ampiharina noho ny fahotana izay efa nataontsika. Ny Baiboly dia manambara fa iray ihany ny famaizana voatendrin'ny lalàn'Andriamanitra ho an'ny fahotana, tsy inona izany fa ny FAHAFATESANA MANDRAKIZAY. Izany fahafatesana izany no mendrika ho antsika rehetra tsirairay avy noho ny fahotantsika.

Ny mba hanavotana antsika amin'io famaizan'ny fahafatesana mandrakizay io no nahatongavan'i Jesosy Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra avy tany an-danitra ho ety an-tany, ho tonga nofo sy ho faty teo amin'ny hazo fijaliana tany ivelan'i Jerosalema, 1970 taona lasa teo ho eo izay. Teo no nanefàny ny famaizan'Andriamanitra noho ny fahotan'ny olombelona rehetra, eny, ny fahotan'ny olona REHETRA avy any amin'ny antokom-pivavahana rehetra. Telo andro taorian'ny nandevenana azy, dia nivoaka avy tao am-pasana Izy ary nitsangana tamin'ny maty. Noporofoiny tamin'izany fa Andriamanitra efa tonga tamin'ny nofo tokoa Izy ary efa naharesy ny fahafatesana, ilay fahavalon'ny olona lehibe indrindra. Efapolo andro taty aoriana, raha mbola variana nijery Azy ireo olona marobe, dia niakatra ho any an-danitra Izy rehefa avy nampanantena fa hiverina ety an-tany indray amin'ny fotoana voatendry mba hitsara ny olombelona rehetra. Taonjato 19 mahery izay no efa lasa hatramin'ny nanomezany izany teny fampanantenana izany ary ankehitriny dia efa miha-antomotra hatrany ny fiverenany. Efa ho avy ny andro izay ahitantsika Azy miverina eny amin'ny habakabaky ny lanitra.

Jesosy Kristy no OLONA TOKANA ao amin'ny tantara no maty noho ny fahotan'ny zanak'olombelona. Izy ihany koa no OLONA TOKANA izay nitsangana tamin'ny maty. Amin'ireo zavatra roa ireo dia tsy misy olona mitovy Aminy.

Ankehitriny dia azo avela ny fahotantsika ary azo fafàna ao amin'ilay horonantsary, raha toa ka miala amin'ny fahotantsika sy mibebaka marina isika, mangataka amin'Andriamanitra hamela ny fahotantsika amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, mino fa efa maty noho ny fahotantsika Izy ary efa nitsangana tamin'ny maty.

Izao ankehitriny izao ary dia angataho Jesosy Kristy Tompo hiditra ao amin'ny fiainanao mba hamafa ny rakitsary misy ny fiainam-pahotanao taloha, na dia tsy hay refesina sy tsy hita isa aza ny fahotana efa vitanao. Amin'izany dia afaka hanomboka fiainana vaovao indray ianao izay horaketina ao anaty kasety madio ary dia ho tonga zanak'Andriamanitra ianao.

Izay ihany no FOMBA TOKANA voatendrin'Andriamanitra ahazoan'ny olona famonjena. Koa dia ampiharo dieny izao izany. Tsarovy tsara fa raha tsy manao an'izany ianao dia tsy maintsy hiatrika ny rakitsary misy ny fahotanao izay hasehon'ny horonantsarin'ny fitadidianao amin'ny andro fitsarana. Fantatsika izao ny marina ary samy miaiky isika fa tsy somonga izany fanamelohana mandrakizay ao amin'ny farihy mirehitra afo izany, izay miandry ny mpanota rehetra, koa dia adidintsika ny mampandre am-pitiavana ny olona rehetra.

Enga anie horaisinao androany ihany izany fanapahakevitra tsara izany, ka tsy hitaredretra ianao, mba hitahian'Andriamanitra anao amin'ny fianana mandrakizay.

Atolotray anao amin'ny fo feno fitiavana ity hafatra avy amin'Andriamanitra ity.