Filazantsara Tena Izy sy Filazantsara Sandoka

Article Body: 

Amin'ny ankapobeny dia azo sokajiana anankiroa toy izao manaraka izao ireo kristiana :

(1) « Ireo Katolika Romana » sy « ireo Protestanta » : izany dia miankina amin'ireo ray aman-dreny niteraka.

(2) «Ireo Anaty vondrom-piangonana na Episkopaly » sy « ireo Tsy miankina na Tsy anaty vondrom-mpiangonana » : izany dia miankina amin'ny modelim-piangonana.

(3) « Ireo Kristiana efa nateraka indray » sy «ireo Kristiana tsotra fotsiny » : izany dia miankina amin'ny andram-piainana (expérience) efa nandalovana.

(4) « Ireo Evanjelika» sy «ireo Tia fivoarana na Liberaly» : izany dia miankina amin'ny foto-pampianarana (doctrine) ijoroana.

(5) «Ireo Karismatika » sy « ireo Tsy Karismatika » : izany dia miankina amin'ny « fitenenana na tsia amin'ny teny tsy fantatra ».

(6) « Ireo matihanina na karamain'ny fiangonana » sy « ireo manana ny antom-pivelomany manokana » : izany dia miankina amin'ny fameloman-tena.

Mety mbola hisy sokajy hafa koa ankoatr'ireo voalaza ireo. Tsy misy amin'ireo sokajy ireo anefa, na dia iray aza, no mahavaha ny olan'ny olombelona. Koa Jesosy mihitsy no tsy maintsy nidina tety an-tany mba hamaha izany.

Maro ny olona no mahafantatra fa « Kristy maty noho ny fahotantsika» (1 Kor. 15:3). Kanefa maro no tsy mahafantatra izay lazain'ny Baiboly fa Kristy koa anie ka maty « mba tsy ho velona ho an'ny tenantsika intsony isika fa ho Azy » (2 Kor. 5:15).

Noho izany dia izao manaraka izao ny fanasokajiana mety kokoa sady ara-Baiboly :

« Ireo izay mivelona ho an'ny tenany » sy « ireo izay mivelona ho an'i Kristy », na

« Ireo izay mitady ny tombontsoa ho an'ny tenany » sy «ireo izay mitady ny tombontsoa ho an'i Kristy », na

« Ireo izay mikatsaka ny zavatry ny tany aloha, voalohany indrindra » sy « ireo izay mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra aloha, voalohany indrindra » na

« Ireo izay tia vola » sy « Ireo izay tia an'Andriamanitra »

(Jesosy efa nilaza fa tsy misy olona mahay mitia vola sady mitia an'Andriamanitra Lioka 16:13).

Izaho anefa tsy mbola naheno olona nampiasa ireo sokajy vaovao ireo mihitsy. Io fanasokajiana vaovao io mantsy dia misy ifandraisany amin'ny toe-piaina anaty ao amin'ilay kristiana sy ny fiarahany amin'Andriamanitra. Tsy misy itovizana amin'ilay fanasokajiana tery am-boalohany izay misy ifandraisany amin'ireo pitsipitson'ny fiainana ety ivelany fotsiny. Ity fanasokajiana vaovao faharoa ity anefa no ampiasain'ny lanitra hanavahany ny kristiana. Ary raha izany tokoa no izy, dia io fomba farany io ihany no mikaonty. Amin'io fomba fanasokajiana io dia tsy misy mahay mamantatra ny sokajy misy antsika fa isika tsirairay ihany no mahafantatra ny sokajy misy ny tenantsika. Ny antony dia satria tsy misy olona mahafantatra izay hery manetsika (motivations) na izay faniriana miafina ao anatintsika. Eny na dia ny vady andefimandry aza dia mety tsy hahafantatra ny antony ivelomantsika.

Ny antony nahatongavan'ny Tompontsika tety an-tany, voalohany indrindra, dia tsy hoe hanome fampianarana ho an'ny olona, na hanome azy modelim-piangonana, na hampiteny azy amin'ny teny tsy fantatra, eny, tsy hanome azy andram-piainana akory aza !

Tonga ny Tompo « hamonjy antsika amin'ny fahotantsika ». Tonga Izy mba hametraka ny famaky eo amin'ny fototry ny hazo. Ary ny fototry ny fahotana dia izao : manao ny tenantsika ho ivon'ny zavatra rehetra, mikatsaka ny tombontsoantsika sy manao izay sitraky ny fontsika. Raha tsy avelantsika hikapa sy hanongotra izany « fototra » eo amin'ny fiainantsika izany ny Tompo dia hijanona ho kristiana ivelany foana isika. Mety ho voafitak'i Satana mihitsy aza isika ka hihevitra fa efa lasa lavitra kokoa noho ny kristiana hafa, noho ireo fampianarana sy andram-piainana ary modelim-piangonantsika !

Tsy mampaninona an'i Satana ange na dia marina aza ny fampianarana sy ny andram-piainana sy ny modelim-piangonantsika e. Ny tadiavin'i Satana dia ny itohizantsika « mivelona ho an'ny tenantsika » (izay fomba ilazana hoe « mivelona ao anaty fahotana »!!!). Ny tontolo kristiana ankehitriny dia feno olona mitady ny tombontsoan'ny tenany sy mivelona ho an'ny tenany. Resy lahatra tanteraka anefa izy ireny fa ambony kokoa noho ny kristiana hafa ny fijerin'Andriamanitra azy, satria tsara ny azy ny fampianarana sy ny modelim-piangonana sy ny andram-piainany. Izany dia mampiseho fa nahomby tokoa ny asaratsin'i Satana tao amin'ny tontolo kristiana.

Ao amin'ny bokin'i Jaona 6:38 dia lazain'ny Tompontsika fa tonga avy any an-danitra Izy ho ety an-tany :

1- mba handà ny sitrapon'olombelona tao anatiny (izay noraisiny rehefa nidina tety an-tany ho tonga Olona Izy) ary koa

2- mba hanao ny sitrapon'ny Rainy, amin'ny maha Olona Azy. Izany no antony nahatonga Azy ho fianarana ho antsika.

Nandritra ny fiainan'i Jesosy tety an-tany, izany hoe nandritra ny 33 taona sy tapany ngarangidiny, dia nandà tsy hanao ny sitrapony Izy fa nanao ny sitrapon'ny Rainy kosa. Ary efa nolazainy mazava tsara tamin'ireo mpianany fa na iza na iza te ho mpianany dia tsy maintsy mandà ny sitrapony sy manao ny sitrapon'ny Ray koa. Tonga Jesosy mba handrava ny fototry ny fahotana ao amin'ny fiainantsika dia ilay «fanaovantsika ny sitrapontsika », sy mba hanafaka antsika amin'izany.

Ao amin'ny sahan'ny siansa dia nisy fiheveran-diso nananan'ny olona, izay naharitra anarivo taona maro, satria ninoan'ny olona tamin'izany fotoana izany fa ny tany no ivon'izao zavatra àry rehetra izao. Raha araka ny fijerin'ny masontsika olombelona dia toa mitombina tokoa izany, satria ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia tahaka ny miodina manodidina ny tany tokoa isaky ny 24 ora. Nila ny herimpon'ny lehilahy anankiray atao hoe Copernic vao nisy sahy nikitikitika izany fiheverana neken'ny besinimaro izany. Vao 500 taona lasa monja izay no nitrangan'izany sy nanehoana fa diso tanteraka izany fiheverana izany fa ny tany dia tsy ivon'ny rafiplanetan'ny masoandro (système solaire) akory, mainka moa izay hoe ivon'izao àry rehetra izao. Nasehony fa ny tany dia noforonina mba hiodina ka ny masoandro no ivon'ny faribolana. Nandritra ny fotoana ela izay niheveran'ny olona fa ny tany no ny ivon'izao tontolo rehetra izao dia diso avokoa ireo kajy sy tsoakevitra siantifika nifototra tamin'izany. Ny antony dia satria diso ny ivotoerana noraisina. Fa raha vao hitan'ny olona kosa ny tena ivotoerana marina dia niova ho marina avokoa ireo kajy sy tsoakevitra rehetra.

Dia mitovy amin'izany koa ny mianjady amintsika raha mbola « ny tenantsika no ataontsika ivo» (centré sur soi-même) fa tsy « Andriamanitra no ataontsika ivo » (centré sur Dieu). Raha izany no mitranga dia ho diso avokoa ny fahatakarantsika ny Baiboly sy ny sitrapon'Andriamanitra tanteraka rehetra (kajy rehetra sy tsoakevitra rehetra). Dia hitovy amin'ireo olona diso fihevitra fahiny isika izay tena resy lahatra nandritra ny 5000 taona fa ny azy no marina (araka ny hitantsika tetsy ambony). Mety hihevitra koa isika hoe ny antsika no marina ! Kanefa isika no tena diso be 100 isan-jato.

Izany no hita taratra eny amin'ny « kristiana mafana fo» maro ankehitriny. Samy manana ny fomba famoasany ny tenin'ny Soratra Masina izy rehetra, kanefa Baiboly mitovy ihany. Izy rehetra anefa dia samy resy lahatra fa ny azy irery ihany no marina fa ny an'ny sasany diso avokoa. Lazain'izy rehetra koa fa « voafitaka » ireny sasany ireny. Inona no anton'izany ? Satria ny ivo noraisin'izy ireo mihitsy no tsy eo amin'ny izy.

Ny olona dia noforonina natao hanana ny ivon'ny fiainany ao amin'Andriamanitra fa tsy ao amin'ny tenany ihany tsy akory. Ary rehefa diso toerana ny ivom-piainana ao amin'ny kristiana dia ho diso koa ny « filazantsara- »ny. Raha ny tena izy dia tsy misy afa-tsy filazantsara roa no toriana ankehitriny, ny iray dia filazantsara izay manao ny olona ho ivo fa ny anankiray kosa dia filazantsara izay manao an'Andriamanitra ho ivo.

Ny filazantsara izay manao ny olona ho ivo dia filazantsara izay mampanantena ny olona fa homen'Andriamanitra azy avokoa izay rehetra ilainy ka hanana amby ampy ny fiainany, ary homen'Andriamanitra toerana any an-danitra koa izy rehefa tapitra ny ainy. Lazainy amin'ny olona koa fa havelan'i Jesosy avokoa ny helony, hositranin'i Jesosy avokoa ny aretiny, hotahiana sy hampitomboina ny fananany, hivaha ho azy avokoa ny olany rehetra ety ambonin'ny tany sns …

Ny nofo foana no mijanona ho ivom-piainan'izany olona izany, ary Andriamanitra ny azy no miodina manodidina azy, ataony mpiasa kely, mpamaly vavaka sy mpanome izay rehetra tadiaviny !! Tsy misy zavatra ataony afatsy « mino » fotsiny sy «mitaky ireo fitahiana ara-nofo amin'ny anaran'i Jesosy » !!

Izany dia filazantsara sandoka, satria tsy miresaka « fibebahana ». Ny fibebahana no zavatra voalohany indrindra notorin'i Jaona Mpanao Batisa, notorin'i Jesosy, notorin'i Paoly sy Petera ary notorin'ny apostoly rehetra. Mampalahelo anefa fa ny fibebahana dia tsy toriana intsony ankehitriny, tsy zara raha toriana akory aza !!!

Etsy an-danin'izany kosa, ilay filazantsara izay manao an'Andriamanitra ho ivo, dia miantso ny olona hibebaka. Hazavainy fa ny « fibebahana » dia midika hoe :

- MIALA amin'ny fanaovana ny nofo ho ivon'ny fiainana, miala amin'ny fanaovana ny sitrapon'ny tena, miala amin'ny fandehanana any amin'izay tian-kaleha, miala amin'ny fitiavam-bola, ary miala amin'ny fitiavana izao tontolo izao sy izay rehetra momba azy (ny filan'ny nofo, ny filan'ny maso sy ny avonavona) sy ny sisa ..., fa kosa :

- Mitodika MANKANY amin'Andriamanitra, mitia Azy amin'ny fo manontolo, manao Azy ho Ivon'ny fiainana ary mivonona hanao ny sitrapony amin'izay, sns ...

Ny finoana ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana dia hahazoan'ny olona famelan-keloka raha toa ka efa nibebaka izy. Aorian'izany dia afaka mandray ny herin'ny Fanahy Masina izy hanampy azy handà ny tenany isan'andro, mba hananany ivom-piainana ao amin'Andriamanitra. Izany no filazantsara izay notorian'i Jesosy sy ny apostoly.

Ny filazantsara sandoka dia manangeza ny vavahady sy manitatra ny lalana (mora ny mandeha ao satria tsy mila mandà ny sitrapony ny olona mankao, ary tsy voatery afoiny ny fanaovany izay mahafinaritra azy sy ny fitadiavany tombontsoa ho an'ny tenany). Olona anapitrisany maro no manatrika ny fivoriana izay itoriana ny « filazantsara » sandoka. Ary marobe no miditra amin'izany vavahady izany sy mandeha amin'izany lalana izany, izay heveriny fa mitondra azy any amin'ny fiainana. Ny tena marina anefa dia mitondra azy any amin'ny fandringanana. Ny evanjelistra mivoy izany filazantsara izany anefa dia midehaka ery, ka faly manao tatitra ny amin'ny habetsaky ny olona izay « nanangan-tanana sy nanapa-kevitra ho an'i Kristy » nandritra ny fivoriana.

Fitaka bevava ireny rehetra ireny. Na dia misy amin'ireny olona ireny aza no tena niova fo mandritra ny fivoriana, noho ny fahatsoram-pony, ny ankamaroan'ny olona « miova fo » amin'izany fomba izany dia lasa « zanaky ny helo mihoatra ny indroa » no iafarany (Matio 23:15), voafitaka tsy mahalala ny tena marina momba azy.

Ny « filazantsara » tena izy kosa, dia manatery ny vavahady sy manety ny lalana, tsy ataony tery kokoa sy ety kokoa noho izay nanaovan'i Jesosy azy anefa, tahaka ny ataon'ireo sekta «diso ara-panahy tafahoatra », fa ataony mitovy habe tsara amin'izay nanaovan'i Jesosy azy. Vitsy ny mahita izany lalana mitondra any amin'ny fiainana izany. Tsy misy tatitra momba ny isan'ny mpanatrika fivoriana ataon'ny evanjelistra mitory izany filazantsara izany, ary tsy misy statistika manaitra. Kanefa izany izany filazantsara izany no mitondra ny olona any amin'i Jesosy Tompo sy any an-danitra.

« Mitandrema ianao izay mihaino. Na iza na iza mankato ny teny izay reny, dia vao mainka hampitomboina ny fahazavana sy ny fahalalana azony. Fa na iza na iza kosa tsy mankato ny teny izay reny, na dia ny fahazavana sy ny fahalalana heveriny ho efa ananany aza dia hesorina aminy » (fandikana malalaka ny Lioka 8:18).

Izay manantsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino.