WFTW Body: 

Izao no voalazan'ny lalàna ao amin'ny Testamenta taloha "Maso solon'ny maso ary nify solon'ny nify". Lalàna nomen'Andriamanitra izany ary hitantsika ao amin'ny Eksodosy toko faha-21, Levitikosy toko faha-24 ary Deotoronomia toko faha-19. Andriamanitra tsy niteny hoe raha misy olona manapotsitra ny masonao anankiray dia tsy maintsy potsirinao koa ny masony anankiray. Izao no tiany nolazaina : aza ny masony anankiroa no esorina raha maso anankiray ihany ny anao no nesoriny. Ny hevitra tiana ampitaina dia hoe mamelà ny helok'izay nanisy ratsy anao ary aza misy potsirina ny masony. Izany no fomba tsara indrindra tokony atao. Noferan'Andriamanitra ny famaizana tamin'ny nilazany hoe "Maso anankiray solon'ny maso anankiray ary nify anankiray solon'ny nify anankiray".

Fa Jesosy kosa nampiakatra avo ny fenitra ka niteny hoe "Aza manohitra izay manisy ratsy anao, fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray dia mandehana miaraka aminy maily roa" (Matio 5:39-41). Indraindray ny jiosy izay tonga mpanompo dia teren'ireo miaramila Romana hiaraka aminy handeha maily iray hilanja ny entany sy fitaovana miaramila. Mpanompo ny jiosy ka voatery tsy maintsy nandeha. Nambaran'i Jesosy fa amin'ny tarehin-javatra tahaka izany dia tokony hiara-mandeha aminy maily roa isika fa tsy hila ady aminy amin'izany. Tokony hanome izay mangataka amintsika isika fa tsy ilaozantsika miodina izay te hisambotra amintsika.

Tsy maintsy raisintsika amin'ny toe-panahy nilazana azy ireo teny ireo. Mila takatsika tsara izay tian'i Jesosy lazaina. Tian'i Jesosy atao tahaka ny famafan-tongotra ve isika ? Tokony avelantsika hanao izay tiany amintsika ve ny olona ? Sanatria tokoa. Rehefa tsy azonao tsara izay lazain'ny Soratra Masina dia Jesosy Kristy mihitsy jerena atao modely, satria Izy ilay Teny tonga nofo. Tao amin'ny Testamenta taloha dia nisy mpanora-dalàna nandinika ny lalàna sy nanazava ny antsipiriany rehetra. Ao amin'ny Testamenta vaovao dia tsy ny famakafakana andinin-tSoratra Masina loatra no tokony atao betsaka fa ny fijerena an'i Jesosy satria Izy izao no fianarana ho antsika.

Inona moa no tian'i Jesosy nambara tamin'ny hoe "Raha misy mamely tahamaina ny takolakao ankavanana dia atolory azy koa ny havia" ? Isika nahita fa rehefa notsaraina teo anatrehan'ny mpisoronabe Jesosy taloha kelin'ny nanombohana Azy dia Jesosy mihitsy no nasiana tahamaina nefatsynatolony ny takolany anankiray. Hoy Izy ao amin'ny Jaona 18:23 "Raha tsara ihany kosa no nolazaiko, nahoana no dia mamely Ahy ianao?" Tsy namaly Azy izy ireo (Angamba nasiany indray mandeha Jesosy nefa tsy niaro ny tenany). Rehefa avynasiana tahamaina Jesosy dia tsy natolony hofelahana ny takolany ilany. Koa mila mitandrina isika mba hahatakatra tsara ny fanahin'ny teny nolazain'i Kristy, fandrao isika hiampanga an'i Jesosy hoe tsy mampihatra akory izay zavatra notoriany.

Izao no fitsipika arahina eto : tsy mitady hamaly faty aho, tsy mitady hamaly ny ratsy nataon'ny olona tamiko. Raha misy miantso ahy hoe devoly dia tsy hiantso an'iny olona iny hoe devoly aho. Raha asiana tahamaina aho dia tsy hamaly ratsy. Fa aleoko apetraka amin'Andriamanitra ny fahatokisako fa Izy hiaro ahy tsy ho hararaotin'ny hafa.

Inona moa no tiany nolazaina tamin'ny hoe raha misy olona mitory anao any amin'ny fitsarana ka maka ny akanjonao dia omeo azy koa ny lambanao ? Ohatra, raha misy olona mandainga tsy ara-drariny ka mitory anao ary milaza fa fananany ireo kanefa fanananao, angamba nahazo taratasy sandoka tany amin'ny tribonaly izy ary te haka ny tranonao, dia inona no tokony hataonao ? Tokony hiteny aminy ve hianao hoe raiso ho anao io tranoko io dia atolotro anao koa ny tranoko anankiray ? Izany ve ny no tian'i Jesosy nolazaina ?

Tsy izany velively no tian'i Jesosy nolazaina. Eto koa dia mbola mila mamantatra ny fanahin'ilay teny isika. Raha misy olona manery anao handeha maily iray dia miaraha mandeha maily roa aminy. Raha lazaina tsotra dia izao, raha misy olona manery anao hanao zavatra anankiray dia mihoatra noho izany atao. Tsy maintsy fantarinao ny fanahin'ilay teny. Jesosy koa dia nampianatra antsika hoe aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra amintsika. Ny tiany lazaina amin'izany ve dia hoe omeo vola avokoa ny olona rehetra misambotra aminao ? Raha aty Inde ianao ka manome vola olona indray mandeha ary malaza hoe olona malala-tanana be, vetivety foana dia hahantra fadiranovana ianao !!

Raha tsy fantatrao ny fanahin'ireo teny ireo fa raisinao ara-bakiteny sy anjambany fotsiny dia hampidi-kizo anao izany. Ny ampianarin'i Jesosy antsika dia hanana toe-tsaina hentitra dia hentitra manoloana ny fahotana tahaka ny tamin'ny nampianarany antsika ho tonga tahaka ny jamba na ho tonga olona tapa-tanana. Amin'izany fanahy izany no tokony handraisantsika ireo zavatra rehetra ireo : tsy mitady hamaly faty, manaiky hararaotin'ny olona ary vonona ho faty ho an'ny tena, kanefa tsy midika akory izany fa tsy manana zo isika na kely aza.

Nisy rahalahy anankiray mpamily fiarabe fitateram-bahoaka nijoro vavolombelona tao am-piangonana fa indraindray amin'ny alina eny am-pamiliana eny dia misy fiara mifanena aminy mandefa jiro mazava be manajamba ny masony. Tokony hampihena ny jirony ny mpamily rehefa misy fiara mifanena aminy fa tsy manao an'izany izy ireo. Ary satria nanajamba azy ilay jiro be dia mba te handefa ny jirony ho mazavabe lavitra noho ny an'io olona io izy mba hanomezana lesona azy. Tsapany tampoka anefa fa Kristiana izy ary tsy tokony hamaly ratsy koa nanapa-kevitra izy tsy hanao an'izany. Mariho ange ny fanambarana na révélation azon'io rahalahy io mikasika ny dikan'ny hoe mamaly faty : mandratra olona amin'ny fomba nandratrany ahy!

Raha azoko tsara ny fitsipika nampianarin'i Jesosy dia ho haiko ny mampihatra izany na dia eny ambony fiara aza ka misy olona manajamba ahy amin'ny jiron'ny fiarany. Mety tsy voasoratra ao anaty Baiboly ny zavatra mahazo antsika tahaka izany kanefa mazava amiko ny dikan'ilay fitsipika ary mandefitra aho, manaiky fa ny fotoanako sy ny volako ary ny heriko dia an'ny Tompo aloha voalohany indrindra. Tsy andevozin'olona aho ary tsy avelako hisy olona hanandevo ahy. Andevon'ny Tompo aho voalohany indrindra ary tsy hanaiky ho andevon'olona.

Koa raha ataoko ao an-tsaina mandrakariva izany dia azoko tsara ireto fitsipika ireto : tsy te hamaly faty na oviana na oviana aho, tsy te hanao amin'ny olona izay nataony tamiko mihitsy aho ary tsy hamaly azy amin'ny fomba ratsy niresahany tamiko. Te handefitra aho, te ho feno fahasoavana ary te hahafoy ny zoko.