WFTW Body: 

Betsaka ny olona no faly fotsiny satria voavela heloka dia ampy azy izay. Ny olona tahaka izany dia tsy mahafantatra an'i Jesosy ho Mpamonjy azy, ny ahafantarany an'i Jesosy dia Mpamela ny helony.
 
Tsy maintsy tandremantsika tsara ny fahatezerana fahotana sy ny eritreritra vetaveta mba hahitantsika ny tena maha-zava-doza azy ary indrindra mba hahaizantsika mandresy azy. Ny maha-zava-doza azy dia hita tao amin'ny toriteny nataon'i Jesosy teo an-tendrombohitra. Ireo fahotana anankiroa ireo ihany no nampifandraisin'i Jesosy tamin'ny mety hankanesan'ny olona any amin'ny helo. Raha ny fandinihako azy dia tsy tsapan'ny 99 isan-jaton'ny kristiana fa tena fahotana mampididoza ny fahatezerana. Tsy heveriny mihitsy fa mety hitondra azy any amin'ny helo ny fahatezerana. Izany no tsy dia inoany loatra izay lazain'i Jesosy ao amin'ny Matio 5:22. Kristiana inona moa ireny tsy mino izay lazain'i Jesosy Kristy ireny ? Inoanao ve izay nolazain'i Jesosy mikasika ny fahatezerana ? Sa aleonao mino ny psikology ? Tsy afaka mitondra anao any an-danitra ny psikology. Toy izany koa, ny 99 isan-jaton'ny kristiana dia tsy tena mino fa ny fitsiriritana vehivavy amin'ny maso dia zava-doza hitondra azy any amin'ny helo. Tsy heverin'ny maro ho zava-dehibe loatra izany. Izany no porofo fa efa vitan'ny devoly ny nanao ny fahotana ho zavatra maivana sy tsy misy dikany.
 
Eritrereto ohatra ny areti-mandoza mahafaty tahaka ny Sida sy ny homamiadana. Firy ny olona manamaivana ny sida sy ny homamiadana ? Izay olona tsy mahalala na kely aza ny vokadratsin'ireo aretina ireo ihany. Raha milaza amin'ny vehivavy mahantra sy bado anankiray any ambanivohitra be any ianao hoe voan'ny homamiadana izy dia tsy mampihetsi-bolomaso azy akory izany satria tsy fantany ny atao hoe homamiadana. Fa ny olona nahita fianarana kosa dia hivarahontsana raha lazain'ny dokotera fa manenika ny tenany ny homamiadana. Satria nahoana ? Satria fantany loatra ny loza ateraky ny homamiadana.
 
Dia torak'izany koa, raha bado ara-panahy ianao dia tsy hihevitra ny hatezerana ho fahotana mandoza. Ny bado ara-panahy dia tsy hihevitra ny fitsiriritana vehivavy ho fahotana mandoza. Izany no marika ahafantarana fa bado ara-panahy ny olona anankiray, tahaka ilay vehivavy bado izay tsy mahalala ny maha zava-doza ny homamiadana. Toy izany ihany, ny olona nahita fianarana ara-panahy dia hihevitra fa tena fahotana mandoza ireo. Tsy mila ny Tenin'Andriamanitra hampahafantatra azy akory izy fa fantany amin'izao fotsiny fa tena fahotana mahatsiravina tokoa ireo satria ny iray manimba ny hafa ary ny iray manimba ny tenany. Koa izany no tsy maintsy itandremantsika fatratra an'ireo sy hanontaniantsika ny fomba handresena azy.
 
Rehefa tonga tao amin'i Josefa ny anjely ao amin'ny Matio toko voalohany dia nanome ny teny fampanantenana voalohany indrindra ao amin'ny Testamenta vaovao ilay anjely. Hoy ny Matio 1:21 "Jesosy no hamonjy ny olony amin'ny fahotany". Izany no dikan'ny anaran'i Jesosy. Betsaka ny olona manonona ny anaran'i Jesosy no tsy mahafantatra akory ny dikan'ny anaran'i Jesosy. Lazain'ny Matio 1:21 fa ny anarana hoe "Jesosy" dia midika hoe "Ilay hamonjy ny olony amin'ny fahotany".
 
Inona moa ny mahasamy hafa ny hoe voavonjy amin'ny fahotana sy ny hoe voavela ny fahotana momba an'io resaka fahatezerana sy eritreritra mamoafady io ?
 
Raha tezitra ianao ary fahotana ilay fahatezerana ka mibebaka sy mangata-pamelana amin'ny Tompo ianao dia havelany ny helokao. Rahampitso raha mbola tezitra indray ianao ary mifona amin'ny Tompo dia hamela anao Izy. Amin'ny herinandro ambony dia mamerina indray ianao ary mifona Aminy dia hamela ny fahotanao Izy. Dia toy izany koa, raha mitsiriritra vehivavy amin'ny masonao ianao ary fantatrao fa fahotana izany ka mangataka amin'ny Tompo ianao hamela ny helokao dia hamela anao Izy. Ary raha mamerina indray ianao rahampitso ka mifona Aminy dia hamela anao Izy. Sokafanao indray ny internet ary mijery porno ianao ary mifona amin'ny Tompo hamela anao. Dia hamela anao Izy.
 
Kanefa voavonjy tamin'ireo fahotana ireo ve ianao ? Tsia. Efa voavela heloka ve ianao ? Eny. Ny endriky ny fiainanao dia tahaka izao : manota dia mangata-pamelana amin'ny Tompo dia manota indray dia mangata-pamelana amin'ny Tompo indray. Manao faribolana tsy misy farany. Olona efa voavela heloka ve ianao ? Eny ! Mety efa nanota in-jato amin'arivo ianao ary efa voavela avokoa ny fahotanao, kanefa ve voavonjy amin'ny fahotana ianao ? Tsia, satria mbola tohizanao atao foana ilay izy! Mitovy amin'ny olona tafavoaka avy ao anaty lavaka dia latsaka ao indray. Miangavy olona hisintona anao dia tafavoaka avy ao ianao ary rahampitso dia tafalatsaka ao indray. Isak'izay miangavy olona hisintona anao ianao dia latsaka ao amin'ilay lavaka indray. Rahoviana izany vao hisy fitsaharany ?
 
Fa inona no nataon'i Jesosy ho anao hatramin'izay ? Namela ny helokao Jesosy. Raha izany dia tsory ny marina ka teneno hoe "Ny ahafantarako an'i Jesosy dia Mpamela ny heloko fa tsy mahafantatra Azy ho Mpamonjy ahy aho. Ny ahafantarako Azy dia Izy ilay mamela ny fahotako fa tsy Ilay mamonjy ahy ho afaka amin'ny fahotako". Tsy maintsy ekentsika fa izany no marina. Raha tsy mitsotra ny marina isika dia tsy ho tratrantsika mihitsy ny fahafenoana nampanantenain'ny Baiboly. Tian'Andriamanitra ny olona mitsotra ny marina. Mamporisika anao aho mba hilaza ny marina eo anatrehan'Andriamanitra ka hitsotra amin'ny fonao manontolo hoe : "Jesosy Tompo ô, Mpamela heloka ihany no ahafantarako anao. Tsy mahafantatra anao ho Mpamonjy ahy aho".
 
Ny sampana dia tsy mitondra voa raha tafasaraka amin'ny taho ary ny sampana rehetra dia afaka milaza amin'ilay hazo niraiketany nandritra ny 50 taona hoe "Raha tsy misy anao dia tsy mahay mamoa aho, fa rehefa ao aminao aho dia tsy sarotra amiko ny mamoa". Heverinao fa mitolona mafy ve ny sampana mba hamoazany ? Jereo ny hazo mamoa manga anankiray. Miasa mafy ve ny sampany mba hamoa manga ? Tsia. Kanefa raha kapainao hiala amin'ny hazo iny sampana iny dia eo no ho eo ihany dia tsy mamoa ary tonga malazo na dia efa namokatra manga nandritra ny 50 taona aza. Raha mbola miaraka amin'ny taho izy dia hikoriana ao anatiny ny ranonkazo ary izany no hamokarany manga. Izany no fitsipiky ny fandresena ny fahotana ary izany no tsy maintsy ampianarina ny mpianatry ny Tompo any amin'ny firenena rehetra.
 
Ry havako malala, tsy maintsy fantarinareo fa raha tsy miaraka amin'i Kristy dia tsy haharesy fahotana anankiray akory hianareo. Mety haharesy fahotana ivelany ianao, marina izany. Kanefa manaporofo inona moa izany? Eto amin'izao tontolo izao dia misy olona marobe tsy mino an'Andriamanitra kanefa tsy mamono olona, tsy mijangajanga ara-nofo akory aza. Tsy misy ilàna an'i Jesosy Kristy raha tiana ho madio ny ivohon'ny kapoaka. Mila tonga Fariseo mahafatrapo fotsiny. Misy olona tsy kristiana, tsy mino an'Andriamanitra akory izay tsy mba manambaka olona mihitsy, mandeha amin'ny fahatsorana, tsy misy kianina ny fiainany ety ivelany, fa feno fahalovana kosa ny ao anatiny. Ny fahitsiana ao anaty dia mihoatra noho ny fahaizana mifehy tena. Mety vitanao ny manafina ny fahatezeranao tsy ho hita ety ivelany amin'ny herin'ny yoga kanefa tsy fanafahana izany. Fanapenana mafy ny vavan'ny tavoahangy fotsiny izany mba tsy hivoahan'ny poizina kanefa hamotika anao ihany izany. Tsy izany no fanafahana atolotr'i Kristy ho anao.
 
Fanafahana amin'ny fahatezerana ao anaty no atolotr'i Kristy. Azoko sokafana ny tavoahangy fa tsy misy poizina ao. Raha mandinika ny ao anatin'ny foko ianao dia tsy hahita fahatezerana ao. Tsy miezaka mafy aho manakombona ny vavako na mba tsy hisafoaka. Yoga izany. Tsy fanafahana ahy amin'ny fahatezerana izany. Ny fanafahana amin'ny hatezerana dia rehefa manafaka antsika amin'ny fahatezerana ao am-pontsika i Kristy. Manjavona tanteraka ilay izy, ary raha jerenao ny ao anatin'ilay fo dia tsy misy fahatezerana intsony. Raha jerenao ny ao anatin'ilay fo dia tsy misy fitsiriritana vehivavy intsony. Jesosy irery ihany no afaka manao izany.