WFTW Body: 

"Tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny TENANY hamonjy azy" (Efesiana 5:25). Raha te-hanorina fiangonana isika dia tsy maintsy tia ny fiangonana tahaka ny nitiavan'i Jesosy ny fiangonana. Tsy ampy ny manome ny volantsika sy ny fotoanantsika fotsiny. Tsy maintsy atolotsika ny TENANTSIKA, izany hoe atolotsika ny fiainantsika. Rehefa te hanambara ny fitiavany ny olombelona Andriamanitra dia tsy nisy fitiavana azony nampitahaina tamin'izany afa tsy fitiavana anankiray ihany ety an-tany, dia ny fitiavan'ny reny ny zanany minono (Jereo Isaia 49:15). Rehefa mandinika renim-pianakaviana anankiray ianao dia ho hitanao fa feno fahafoizan-tena izy. Vao mangiran-dratsy mandra-paharivan'ny andro ary mandritra ny alina manontolo dia mahafoy tena mahafoy tena ary mahafoy tena ho an'ny zanaka keliny ny reny. Ary tsy mahazo na inona na inona izy ho tambin'izany. Faly izy miaritra ny fahoriana sy fijaliana mandavan-taona ho an'ny zanany ary tsy manantena tambiny izy. Tahaka izany no itiavan'Andriamanitra antsika. Ary izany koa no toe-panahy tian'Andriamanitra ampitaina amintsika. Kanefa tsy misy na iray aza fiombonan'ny mpino eto an-tany afaka milaza marina fa mifankatia tahaka izany ny olona ao. Ny ankamaroan'ny mpino dia tsy tia afa tsy ireo olona miombon-kevitra aminy sy miditra ho mpikambana ao aminy. Fitiavan'olombelona izany ary lavitra dia lavitra ny fitiavana feno fahafoizan-tenan'ny renim-pianakaviana. Ny fitiavan'Andriamanitra kosa anefa no tanjona tsy maintsy ezahintsika tratrarina. Tsy mampaninona ny reniny na misy olona hafa mahafoy tena ho an'ny zanany manodidina azy na tsia. Amin-kafaliana no anaovany sorona ny zavatra rehetra ho an'ny zanany. Dia toy izany koa ny olona izay mahita ny fiangonana tahaka ny zanaka naterany ka tsy mampaninona azy na mahafoy tena ho an'ny fiangonana ny olona sasany manodidina azy na tsia. Amin-kafaliana no hanaovany sorona ny tenany ary TSY misy olona mampimenomenona izy na antenainy. Ireo izay mimenomenona satria ny sasany tsy mahafoy tena ho an'ny fiangonana dia tsy reny fa mpitaiza voakarama. Ny mpitaiza zaza tahaka izany dia efa voafetra ny ora iasany ary raha vao tapitra ny adiny 8 ka tara kely ny mpisolo azy dia mimenomenona izy. Fa ny reny kosa dia tsy miasa adiny 8 isan'andro. Miasa andro aman'alina isan-taona isan-taona izy ary tsy mandray karama akory. Na dia feno 20 taona aza ny zanany dia mbola tsy vita ihany ny asan'ny reniny !! Ny reny ihany no afaka mampinono tsy tapaka ny zanany isan'andro. Ny mpitaiza tsy manana nono ho an'ny zaza tezainy. Dia toy izany koa, ny olona tahaka ny reny ao am-piangonana dia manana Teny ho an'ny zanany ara-panahy foana isaky ny fivoriana. Maro ny loholona no tsy manana Teny ho an'ny fiangonany satria mpitaiza izy ireny fa tsy reny. Ny reny dia tsy manantena handray vola avy amin'ny zanany. Tsy misy zaza manome vola ny reniny noho ny nikarakarany azy. Raha toa ka atambatra ny karama tokony horaisin'ny reny raha atao hoe arivo Ariary ny adiny iray (toy ny karamin'ny mpitaiza) dia ho hitanao fa ananan'ny reniny dimampolo amby zato tapitrisa avy ny zaza tsirairay mandra-pahatongany ho 20 taona !! Iza no zanaka afaka handoa an'izany trosa be izany amin'ny reniny ! Izao àry ny fanontaniana mipetraka : iza amintsika no vonona hiasa tahaka izany ho an'ny Tompo sy ho an'ny fiangonany ka tsy handray karama fa hahafoy tena isan'andro, isan-taona mandra-piverin'i Jesosy ? Raha mahita na dia olona anankiray fotsiny manana izany fahafoizan-tena izany Andriamanitra dia hampiasainy hanorina fiangonana izy ary hampiasainy mihoatra lavitra noho ny mpino mihazohazo 10000 miezaka manompo an'Andriamanitra tsy misy fahafoizan-tena. Rehefa tafaverina ety an-tany Jesosy ka mijoro eo anatrehany ianao, moa ve ianao ho tra nenina noho ny fomba nandanianao ny fiainanao, sa hahatsiaro ianao fa ny nandanianao ny fiainanao dia ho an'ny fanjakan'Andriamanitra ? Ny ankamaroan'ny olona dia miriorio sy mandanilany foana ny fiainany ety an-tany. Mifohaza ianao sao tara loatra ary mangataha amin'Andriamanitra mba hasehony aminao fa ny lalany dia ny lalan'ny fahafoizan-tena. Izay manan-tsofina enti-mihaino aoka izy hihaino.