WFTW Body: 

Ny porofo anankiroa fa mbola miasa ao anatin'ny fiangonana anankiray Andriamanitra dia ireto : manampy mpianatra mahafatrapo ho isan'ilay fiangonana Izy ary manaisotra amin'io fiangonana io ny olona izay tsy te hanara-dia ny Tompo. Vakiantsika ao amin'ny Soratra Masina hoe :

"Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo" (Tamin'izany andro izany dia ny olona nanaiky ho mpianatry ny Tompo ihany no noheverina hoe "voavonjy") (Asa 2:47).

Hoy ny Tompo "Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka am-pireharehana nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao. Ary Jehovah Andriamanitrao dia ho ao aminao amin'izay, hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy"' (Zefania 3:8-17).

Efa nahita ny Raintsika any an-danitra niasa tamin'ireo fomba ireo izahay tao anatin'ny fiangonanay hatrany amin'ny fiandohanay mihitsy.

Aty amin'ny firenena tahaka an'i Inde izay misy mponina maherin'ny iray miliara dia tahaka ny mitady fanjaitra vitsy ao anaty antonta-mololo iray hetsy ny mitady olona te ho mpianatr'i Jesosy Kristy Tompo!! Azonay atao ny mandany ny androm-piainanay rehetra mikaroka ao anaty antonta-mololo ao nefa mety tsy hahita afa-tsy fanjaitra iray na roa izahay. Kanefa misy fomba anankiray mahomby kokoa dia ny mametraka andriamby mahery vaika ety ivelan'ny mololo. Ho voasinton'io andriamby io ny fanjaitra ka hivoaka avy ao anaty antonta-mololo mora foana ! Izay no fomba tsara indrindra sy mahomby indrindra amin'ny fitadiavana olona mahafatrapo. Ary izany koa no fomba tian'Andriamanitra atao. Nolazain'i Jesosy fa ho fantatry ny olona rehetra fa mpianany isika raha hitan'ny olona ny fifankatiavantsika (Jaona 13:33-35). Ny laza tsarantsika amin'ny maha-fiangonana antsika no tokony hanintona ny olona.

Koa nirinay ny fiangonanay (mbamin'ny fiangonana rehetra naorin'ny Tompo tamin'ny alalanay) mba ho andriamby tahaka izany ka hisintona ny mpianatry ny Tompo hivoaka avy ao anaty antonta-mololo an'arivony aty Inde sy avy any an-kafa koa.

Koa satria nandidy anay ny Tompo mba hanao ny olona ho mpianatra (fa tsy ho olona miova fo) (Matio 28:18-20), dia nitory ireo fepetra anankitelo maha-mpianatra (voalaza ao amin'ny Lioka 14:26-33) hatrany am-piandohana izahay, dia ny fitiavana faratampony an'i Jesosy, ny fandavana ny sitrapon'ny nofo isan'andro ary ny tsi-firaiketam-po amin'ny vola aman-karena eto an-tany. Ny olona vonona ny hanatanteraka ireo fepetra maha-mpianatra anankitelo ireo ihany no nirinay hiangona ao amin'ny fiangonanay.

Koa nivavaka izahay mba hanampin'ny Tompo ho isanay ny olona vonona ny ho tonga mpianatra tahaka izany. Izahay tsy mba nitaona olona hiditra ao amin'ny fiangonanay mihitsy. Tianay hanatona anay amin'izao ny olona. Nandritra ireo taona maro, nanomboka tamin'ny taona 1975, dia tsy mbola nitaona olona aho ho tonga mpikambana ao amin'ny anankiray amin'ireo fiangonanay. Izahay tsy nandray afa-tsy ireo olona nanatona anay an-tsitrapo. Ninoanay fa hirahin'ny Tompo hanatona anay ireo olona nantsoiny hotandremanay sy hanaovanay asa fanompoana. Ny Tompo mihitsy no manampy olona ho isan'ny Fiangonany. Hoy Jesosy :

Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy (Jaona 6:37).

Inoanay fa marina aminay koa io andininy io amin'ny maha-Tenan'i Kristy anay ety an-tany.

Nampiasa fomba mahagaga maro ny Tompo nanampiany mpianatra ho isanay. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

Tato amin'ny firenena akaiky anay dia nisy ady ka olona marobe no voatery nandao ny fananany rehetra ka nandositra an--tsambokely niaraka tamin'ny fianakaviany. Ny sasany tamin'ny sambokely dia rendrika tao anaty ranomasina ary marobe ny olona maty. Kanefa avotra ihany ny sasany ary tonga teny amin'ny morontsirak'i Inde. Dia nomen'ny governemanta indiana fialofana tao amin'ny toby anankiray ireo mpitsoa-ponenana ireo. Nisy fiangonanay anankiroa teo akaikin'io toby io. Koa nisy rahalahy avy tao amin'ireo fiangonana ireo nandeha namangy an'ireo mpitsoa-ponenana (izay kristiana tsotra tsy mbola niova fo) ka nitory ny filazantsara taminy. Koa mpitsoa-ponenana maro no nateraka indray. Dia tonga tsy tapaka tao amin'ny toby ireo rahalahy ireo ary nanorina fiangonana tao. Tonga nanatrika ny fihaonambe nataonay tao Bangalore sy tany amin'ny toerana hafa koa izy ireo nandritra ny roa taona teo ho eo. Ny zotom-pon'izy ireo nijoro vavolombelona dia nahazendana tokoa fa nifandrombaka izy nankeny amin'ny pilipitra mandritra ny fivoriana nijoro vavolombelona tamin'ny fahasahiana. Saika tsy afaka nijoro vavolombelona mihitsy ny mpikambana avy tany amin'ny fiangonana hafa tonga tany!! Tena nampahery be anay mihitsy ny hafanam-pon'izy ireo. Tao amin'ny fivoriambe anankiray, rehefa avy nanazava ny fampianaran'ny Baiboly aho hoe tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy, dia nisy vehivavy anankiray vao avy nanambady tamin'izy ireo izay nitomany sy nivavaka mafy tamin'ny Tompo mba hanomezany azy fahasoavana hahatongavany ho vehivavy manaiky ny vadiny hatrany am-piandohan'ny fanambadiany. Hatramin'izay niainako aho dia mbola tsy nahita vehivavy nitomany sy nivavaka mafy hahazo izany zavatra izany !!

Rehefa afaka roa taona dia nanapa-kevitra ny governemanta indiana hamerina azy ireo any amin'ny tany nihaviany. Kanefa tamin'izany fotoana izany dia efa niorina tsara tamin'ny finoana ireo mpino ireo ary efa afaka notendrena ho loholona ny telo talohan'ny niaingany. Koa efa nomanin'Andriamanitra tsara ny fotoana nijanonany taty India. Fotoana kelikely taorian'ny nodian'izy ireo dia niverina indray ny ady tany amin'ny faritra nisy azy ary niparitaka tany amin'ny faritra telo samy hafa izy ireo. Tena nahagaga anefa fa ireo vondrona tsirairay dia samy nahazo loholona voatendry anankiray avy! Koa afaka niasa toy ny fiangonana telo teo ambany fitarihan'ireo loholona izy ireo. Olona maro koa no nanampy ho isan'ny fiangonan'izy ireo noho ny laza tsarany. Namangy azy imbetsaka ny rahalahy anankiray avy tao am-piangonanay ary niara-nivavaka taminy sy nampahery azy.

Nisy indray rahalahy iray hafa nandeha nifindra monina mba hanangana orinasa kely tany amin'ny toerana anankiray. Mbola tsy nisy fiangonana mihitsy tany amin'io toerana io hatramin'ny andron'i Kristy. Noho ny laza tsaran'io rahalahy io dia nisy olona tonga mpianatry ny Tompo ary amin'izao fotoana izao dia misy fiangonana mahafinaritra ao, izay sambany tao anatin'ny 2000 taona.

Ny fahagagana lehibe indrindra izay nataon'Andriamanitra tao aminay anefa nandritra izay 50 taona lasa izay dia tsy ny nananganany fiangonana tany amin'ny toerana tsy nisy fiangonana nandritra ny 2000 taona fa ny nananganany loholona matahotra an'Andriamanitra hitarika ireo fiangonana marobe. Tena fahagagana be mihitsy ny mahita mpitarika ara-panahy izay vonona ny hanompo sy hitandrina ny ondrin'Andriamanitra kanefa tsy mandray vola akory aty amin'ny firenena toa an'i Inde. Aty Inde dia firenena avy any ivelany avokoa no manakarama ny ankamaroan'ny mpitarika kristiana. Andriamanitra kosa anefa dia naniraka olona hiasa maimaimpoana ho loholona ao amin'ireo fiangonanay efa am-polotaona maro izao. Ary satria tsy karamainay ny loholona ao aminay dia voaaro tamin'ireo "kristiana mpisoloky" izay mety ho nankaty amin'ny fiangonanay raha nanarama loholona izahay. Izany anefa dia olana atrehin'ny fiangonana kristiana maro sy fikambanana kristiana maro ankehitriny izany.

Ny andriamby-nay izay efa mihanaka manerana ny firenenay dia efa nahasintona fanjaitra maro tsara tarehy sy tena izy nivoaka avy tamin'ny antonta-mololo. Manantena izahay fa mbola hahasintona fanjaitra betsaka kokoa amin'ny andro ho avy.

Deraina ny Tompo!