WFTW Body: 

Tsy maintsy atao mitovy tanteraka tamin'ny nanoratana azy ny andraisantsika ny fampianaran'i Jesosy satria ny ankamaroan'ny olona dia efa nanatsatso an'izany na nanova ny dikany. Ary satria tsy vitan'ny olona mpampianatra Tenin'Andriamanitra ny mivelona araka ny fenitra takian'Andriamanitra dia nampidininy hitovy haavo amin'ny fenitry ny fiainany ny Tenin'Andriamanitra. Isaky ny misy andininy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra mbola tsy tanterakao eo amin'ny fiainanao na ambony kokoa noho ny haavon'ny fenitry ny fiainanao dia anankiroa ny safidinao. Ny sadify voalohany dia miteny hoe "Eny e, tsy dia izany loatra anie no tian'io Tenin'Andriamanitra io lazaina e. Zavatra ankapobeny mikasika an'izany no tiany lazaina fa tsy tena hoe izany". Miteny ianao ohatra hoe "Fantatro ilay andininy hoe "Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo" ao amin'ny Filipiana 4:4, kanefa tsy dia tena hoe "mandrakariva" no tiany lazaina. Ny tiany lazaina dia hoe amin'ny fiainana ankapobeny, na amin'ny ankamaroan'ny fotoana". Amin'ny filazanao an'izany dia efa naetrinao tanteraka ny Tenin'Andriamanitra hidina hitovy lenta amin'ny ara-nofonao ka faly ianao mieritreritra fa efa nankato ilay Teny. Ny safidy faharoa dia miteny tahaka ny kristiana ara-panahy izay mamela ny Tenin'Andriamanitra araka ny nanoratana azy ka manao hoe "Izaho dia natao hifaly ao amin'ny Tompo andro aman'alina tsy misy fitsaharana", koa hiaiky am-panetrentena izy hoe "Tompo o, mbola tsy tonga any amin'izany aho. Indraindray aho mifaly, indraindray aho mimonomonona (na matetika), ary matetika aho tezitra fa tsy mifaly amin'ny zava-mitranga rehetra. Tsy misaotra Anao amin'ny zavatra rehetra araka ny andidian'ny Baiboly aho, mibaboka aho. Mba ento aho ho tonga any amin'izany."

Ny olona tahaka izany no hahatratra ny fenitr'Andriamanitra. Ilay olona anankiray izay nampidina ny fenitr'Andriamanitra hitovy haavo amin'ny an'ny fiainany dia tsy hahatratra izany mihitsy. Indray andro any rehefa hifoha any amin'ny mandrakizay izy dia ho hitany fa tsy nankato an'Andriamanitra izy nandritra ny androm-piainany. Noho izany dia tsara raha avelantsika amin'izao fotsiny ny Tenin'Andriamanitra fa isika no miaiky hoe tsy azoko ilay izy na tsy tratrako ny fenitra. Raha izany dia mbola misy fanantenana kely hanatrarantsika azy.

Izany no tsy maintsy ao an-tsaintsika rehefa mamaky ny Matio 5:20 isika hoe "Fa lazaiko aminareo : Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo".

Avo lenta be ny fenitry ny fahamarinan'ny Fariseo. Nitandrina ny Didy Folo izy ireo. Ilay zatovo mpanapaka sy mpanankarena anankiray dia nanatona an'i Jesosy niteny hoe "Efa voatandriko avokoa ny didy folo rehetra", ary tsy notoherin'i Jesosy ny teniny. (Mazava ho azy fa tsy nahatandrina ny Didy Folo izy satria tsy nisy olona nahatandrina ny didy fahafolo izay mikasika ny fiainana anaty. Kanefa voatandriny ireo ireo didy sivy ambiny sy ireo lalàna miisa mihoatra ny 600 ao amin'ny Testamenta Taloha). Nirehareha ny Fariseo satria nivavaka tsy tapaka, angamba in-telo isan'andro, nifady hanina indroa isan-kerinandro ary nandoa ny ampahafolon'ny vola azony rehetra. Koa inona moa ny tian'io andininy io lazaina amin'ny hoe tsy maintsy mihoatra noho ny azy ireo ny fahamarinantsika ?

Midika ve izany fa tokony hivavaka mihoatra ny in-telo isan'andro ianao na tokony hifady hanina mihoatra ny indroa isan-kerinandro na tokony handoa mihoatra noho ny 10 isan-jaton'ny karamanao ? Tsy izany no dikany. Ny saintsika dia mitodika any amin'ny isan-javatra foana satria manaraka ny fisainan'izao tontolo izao. Arakaraky ny hitovizan'ny saintsika amin'ny an'izao tontolo izao no hieritreretantsika isa, antontan'isa, habetsahana. Ny isan'ny mpiangona ao aminy no itsarantsika ny fiangonana fa tsy ny hatsaran-toetran'ny olona ao. Heverintsika hoe izao no lazain'i Jesosy "Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo raha mahatratra 30000 ny isan'ny mpiangona ao amin'ny fiangonana anankiray". Kanefa tsy izany no nolazain'i Jesosy. Hoy Izy tamin'ny mpianany iraikambinifolo "Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo raha mifankatia hianareo iraikambinifolo lahy". Tsy zava-dehibe ny isa. Ny fifankatiavana no marika voalohany hahafantarana ny tena fiangonan'ny mpianatry ny Tompo.

Ny hatsarana foana no nohamafisin'i Jesosy. Ao amin'ny tontolo kristiana ankehitriny, toy ireo fikambanana mpanao asa fitoriana na fiangonan-dehibe dia ny isa no asongadina. Firy ny isan'ny olona ao am-piangonantsika ? Firy ny toerana efa nalehantsika ? Ohatrinona ny rakitra azontsika isan-taona ? Izany no zavatra ireharehavan'ny olona ao. Na koa miteny ny mpitory hoe "Firenena firy izay no efa novangiako ? Toriteny firy izay no efa notoriako ? Boky firy izay no efa nosoratako ? Fandaharana fahitalavitra firy izay no efa nandraisako fitenenana ? Izany no zavatra izay ireharehan'ny olona raha mbola ara-nofo izy ?

Ny hatsarana foana no antitranterin'i Jesosy : hatsaran'ny sira, hatsaran'ny hazavana. Tsy nanana afa-tsy mpianatra iraikambinifolo Jesosy tamin'ny farany. Tsy betsaka izany kanefa jereo ny hatsaran'ny fiainan'izy ireo. Ireo mpianatra iraikambinifolo ireo dia nanatsimbadika ambony ambany an'izao tontolo izao. Aiza no misy mpianatra tahaka izany, izay mahafoy ny zavatra rehetra, izay tsy miraharaha vola intsony sy ny sisa ? Tsy fahita firy ny mpitory tahaka izany eto amin'izao tontolo izao ankehitriny.

Ary io hatsarana io no navohitran'i Jesosy rehefa nilaza Izy hoe "Tsy maintsy mihoatra noho ny an'ny Fariseo ny fahamarinanareo". Ny hatsarana fa tsy ny habetsahan'ny raharaha sahaninao. Tsy misy ifandraisany amin'ny vola izany. Tsy misy ifandraisany amin'ny vavaka. Tsy misy ifandraisany amin'ny fifadian-kanina. Fa amin'ny hatsaran'ny fiainana.

Dia tohizan'i Jesosy ao amin'ireo andininy manaraka (raha ny tena marina dia saika hatrany amin'ny faran'ny toriteny teo an-tendrombohitra) ny fanazavana an'io andininy anankiray io. Azo lazaina fa ny ankabeazan'ny toriteny teo an-tendrombohitra dia fanazavana ny Matio 5:20. Moa ve hianao te hiditra ny fanjakan'ny lanitra ? Raha izany dia tsy maintsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanao. Tsy azontsika atao ny mampidina ny fenitr'Andriamanitra.