WFTW Body: 

"Sambatra hianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko" (Matio 5:11). Mitovitovy amin'ilay andininy eo aloha ihany ity andininy ity, ilay milaza hoe "Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana ; fa azy ny fanjakan'ny lanitra" saingy misy fanavahana lehibe anankiray nataon'i Jesosy.

Ny tsy mampitovy ny andininy faha-10 sy faha-11 dia izao : ao amin'ny andininy faha-10 dia mijoro amin'ny fahamarinana ianao. Misy mihitsy aza olona tsy kristiana mijoro amin'ny fahamarinana. Nisy olona voaroaka tamin'ny asany, nisy mpitsara novonoina satria namoaka didim-pitsarana araka ny fahamarinana, nisy mpandraharaha, mpanao politika sy ny olona hafa izay novonoin'ny fahavalony satria nijoro tamin'ny fahamarinana. Tsy ny kristiana ihany no manao tahaka izany, ary mahamenatra raha ny olona tsy kristiana aza indraindray no mafana fo kokoa mijoro amin'ny rariny sy hitsiny noho ireo olona maro milaza ny tenany ho kristiana. Izaho dia mino fa amin'ny andro fitsarana farany dia tsy ampoizintsika ny hahita ireny kristiana ireny izay nanantena ny hiditra ny fanjakan'Andriamanitra kanefa ho hita miharihary fa olona niroaroa fo sady nihemotra. Raha olomarina ianao ka manaiky henjehina noho ny fahamarinana dia ho anao ny fanjakan'ny lanitra, izay ihany no fomba tokana.

Ny Matio 5:11dia miresaka momba ny hoe enjehina noho ny amin'i Jesosy. Raha mangina ianao tsy miteny hoe mpianatr'i Jesosy Kristy dia mety hisy tombontsoa ho azonao ao am-piasana. Mety hoe olomarina ianao ka tian'ny mpiara-miasa saingy mangina ianao tsy sahy miteny hoe ny lalana ahazoana famonjena dia Jesosy Kristy satria matahotra ianao sao tsy hahazo fisondrotan-toerana. Angamba aza aleonao ny olona hieritreritra anao hoe tsy kristiana tahaka ireo lehibenao, ary menatra ny ho vavolombelon'i Kristy ianao. Any amin'ny biraom-panjakana maro sy ny banky aho dia mahita kalendrie misy ny sarin'ny sampy tompoin'ny olona tsy kristiana miasa ao ka ahantony ao amin'ny biraony. Kanefa vitsy dia vitsy ny kristiana hitanao vonona ny hanantona kalandrie misy tenin'Andriamanitra izay mampiseho mazava ny maha kristiana azy. Ny antony dia satria matahotra izay mety holazain'ny olona momba azy izy. "Ho hitan'ny lehibeko ve io, tsy hahazo fisondrotan-toerana ve aho na mety hila vaniny amiko ve izy?".

"Sambatra izay enjehina noho ny Amiko, izany hoe izay tsy menatra Ahy". Menatra an'i Jesosy ve ianao ao amin'ny toeram-piasanao ? Aza mirehareha amin'ny hoe olomarina ianao noho ny fiainanao ety ivelany satria marobe ny olona tsy kristiana izay marina ivelany koa. Aza mihanina amin'izany, mandrosoa lavitra kokoa, lazao hoe "Kristiana aho. Mpianatr'i Jesosy aho". Raha mijoro ho an'Andriamanitra sy ny Teniny ianao (ary tsy any amin'ny toeram-piasana ihany, raha mpitory ianao ka mijoro amin'izay rehetra ampianarina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra), raha mazoto mampiharihary ny famitahana eo anivon'ny fiangonana kristiana ankehitriny ianao dia hanevateva anao ny olona ary hanenjika anao ka hamorona tantara ratsy maro sady lainga momba anao, satria ianao mijoro amin'ny fahamarinana.

Inona no tokony ataonao rehefa mitranga izany ? Tokony hitoloko eo ve ianao noho ny zavatra manjo anao ? Sanatria izany. Izao no voalaza "Mifalia sy miravoravoa hianareo fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra" (Matio 5:12). Tsy hahazo valimpitia ianao ety an-tany, mety henjehina sy horoahina ianao, kanefa ny valimpitianao any an-danitra dia ho lehibe satria toy izany mihitsy no nanenjehana ireo mpaminany talohanao. Raha jerenao ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta taloha dia ho hitanao fa nenjehina ny mpaminany marina rehetra. Tsy voatantara avokoa anefa ny fanenjehana nahazo an'izy ireo. Raiso ohatra ny lehilahy iray toa an'i Isaia izay nanao teny mafy loatra nanohitra ny vahoakan'Isiraely. Tsy lazaina amintsika ao amin'ny Bokin'i Isaia ny fomba nahafatesany, kanefa ny lovantsofina dia milaza fa natao tao anaty hazo poakaty izy ary notsofain'ireo mpanenjika azy hizara roa ny vatantenany.

Isaia dia anisan'ireo olona voatonona ao amin'ny Hebreo toko faha-11 fa notsofana. Ny olona rehetra izay mijoro ho an'i Kristy dia tsy maintsy voaenjika. Stefana rehefa nijoro teo anatrehan'ireo lohan'ny mpisorona ao amin'ny Asan'ny Apostoly toko faha-7 dia nametraka fanontaniana iray tena lehibe tamin'ny faran'ny toriteny lavabe izay nataony. Hoy izy ao amin'ny Asan'ny apostoly 7:52 "Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo ? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'Ilay Marina". Iza tamin'ireo mpaminany teo amin'Isiraely no tsy nenjehin'ny razanareo ? Lazao ny anarany raha misy". Notantarain'i Stefana ny tantaran'ny zanak'Isiraely. Efa nandinika ny tantaran'ny Isiraely izy ary nanao tsoakevitra avy tamin'izany fa tsy nisy na dia mpaminany anankiray aza tao amin'ny tantaran'ny Isiraely iray manontolo ka tsy nenjehina. Tsy nisy mpaminany marina ka tian'ny vahoaka na ao amin'ny Testamenta taloha izany na ao amin'ny Testamenta vaovao.

Ny pastera no mety tian'ny olona, ny evanjelistra mety tian'ny olona, na dia ny apostoly aza indraindray mety tian'ny olona. Ny mpampianatra mety tian'ny olona be fa ny mpaminany dia saika tsy misy mpitia mihitsy satria tonga izy hamantatra sy hampiseho izay tsy mety ao am-piangonana na izay tsy mety eo amin'ny olona. Ary miditra ao am-piangonana izy mba hilaza izay zavatra tokony ho ren'ny olona fa tsy hoe izay tian'ny olona ho re. Hasehony azy ireo ny lafiny sasany ao amin'ny Tenin'Andriamanitra izay tsy noraharahainy. Hasehony ny lafiny sasany eo amin'ny fiainany izay tsy araka ny fenitra sy ny fitsipik'Andriamanitra, koa henjehina izy. Mitranga koa izany na dia ankehitriny aza. Izany no dikan'ny hoe mijoro ho an'i Jesosy. "Noho ny Amiko sy noho ny Teniko". Raha enjehina ianao dia sambatra ary tokony hotsiriritin'ny olona. Any amin'ny dikan-teny anankiray dia izao no voalaza "Mibitaha!" Tokony hientan-kafaliana ianao satria ao anatin'ny dian-tongotr'ireo mpaminany sy ao amin'ny dian-tongotr'i Jesosy ny tongotrao.