WFTW Body: 

"Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan'ny lanitra" (Matio 5:10). Efa hitantsika tany aloha hoe "Sambatra ny malahelo am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra". Rehefa manaiky manetry tena isika ka mikatsaka fihavanana ary noana sy mangetaheta ny fahamarinana sady mikatsaka halemem-panahy ary tsy mitolona ho an'ny zontsika dia hifanehatra amin'ny olona ratsy fanahy sy mpanenjika eny amin'izao tontolo izao. Ny olona rehetra izay te ho velona amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra dia henjehin'ny olona. Koa raha te ho velona araka ny fahamarinana isika dia tsy maintsy voaenjika.

Ny 2 Timoty 3:12 dia fanambarana hentitra avy amin'ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina. Hoy Paoly "Izay rehetra te ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy dia henjehina". Tsy nilaza izy hoe "ny sasany", tsy nilaza izy hoe "betsaka" tsy nilaza izy hoe "ny ankamaroany". Mety hoe ny sasany na betsaka na ny ankamaroany na izy rehetra. Ny voalaza dia hoe "izay rehetra". Tafiditra ao anatin'izany "izay rehetra" izany ny mpino rehetra tsy ankanavaka ao amin'i Jesosy Kristy (Tsy izay olona milaza ny tenany ho mpino fa ny olona rehetra izay te ho velona amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra).

Inona moa no dikan'ny hoe enjehina noho ny fahamarinana ? Mila mandinika ny dikan'ny hoe mandany amin'ny fahamarinana isika. Ny dikan'izany dia hoe ao amin'ny toeram-piasana na ao anatin'ny toe-javatra anankiray dia miteny hoe "tsy hanao izany aho fa tsy mety izany". Ao anatin'ny asa maro dia manao marimaritra iraisana ny olona marimaritra iraisana : ao ny mandainga, ny misoloky sy mandray kolikoly mba hanaovana tsy marina. Rehefa mivily any amin'izany lalana izany ny kristiana dia mazava ho azy fa tsy hiharan'ny fanenjehana izy. Fa raha tsy mety mandeha amin'izany lalana izany izy, raha tsy mety mandray kolikoly na tsy mety manao zavatra tsy marina dia mety hahazo fandrahonana avy amin'ny lehibeny izay te hahazo anjara amin'izany kolikoly izany na zavatra hafa. Marobe ny tranga tahaka izany. Rehefa mijoro sy miaro ny rariny ianao dia mety ho voaroaka amin'ny asanao na tsy ho tian'ny lehibenao kanefa ho anao ny fanjakan'ny lanitra. Mety very zavatra ety an-tany ianao amin'izany, mety very seza, mety tsy mahazo fisondrotana, kanefa ny takalon'izany dia hahazo zavatry ny lanitra ianao. Mahafaty antoka ve izany ?

Mety ve ny mandainga mba hahafahana fanadinana na hahazoana asa ? Mahafaty antoka ny manao an'izany. Mahafaty antoka tanteraka izany ho an'ny kristiana. Tsara lavitra raha tsy manao an'izany satria tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra izany. Raha voaray ianao noho ny nilazanao lainga dia matokia fa tsy Andriamanitra no nitondra anao nankao. Rehefa miatrika zava-tsarotra ianao dia mety hiteny ny devoly hoe "Milazà lainga fa ny lainga no tompon'ny hery, afaka manome anao ny zavatra rehetra ny lainga". Ary hoy ny Fanahy Masina "Tsia, lainga izany, Andriamanitra no tompon'ny hery. Tsy ny lainga no fomba mahomby indrindra hahazoanao izay tadiavinao. Mijoroa ho an'Andriamanitra. Afaka manome anao izay tiany omena anao Andriamanitra". Dia ho hitanao fa homen'Andriamanitra anao izay mendrika ho anao.

Tadidiko ireo toe-javatra maro fony aho niasa tao amin'ny tafika an-dranomasina izay tsy maintsy nijoroako toe anatrehan'ireo manamboninahitra ambony ka nitenanako hoe "Miala tsiny tompoko, tsy afaka manao an'izany aho satria tsy eken'ny feon'ny fieritreretako izany fa kristiana aho". Ary tena zavatra mampidi-doza ny miteny tahaka izany ao anivon'ny tafika. Raha asa aman-draharaha sivily no ataonao dia horoahina fotsiny ianao ary miala amin'ny asanao. Fa raha milaza an'izany ao anivon'ny tafika ianao dia mety ampidirina court martial (tribonaly miaramila), ny dikan'izany dia entina eo amin'ny fitsarana ianao ary azo antoka fa ampidirina am-ponja, satria zava-doza loatra ny tsi-fankatoavana baiko miaramila. Tadidiko ny toe-javatra maro nisehoan'izany ary tsy maintsy niankina tamin'Andriamanitra aho mba hamonjeny ahy. Raha nasaina nanao zavatra izay tsy neken'ny feon'ny fieritreretako aho dia niteny hoe "Miala tsiny tompoko fa kristiana aho. Tsy afaka manao an'izany aho". Tsy nampaninona ahy na inona na inona gradin'ilay manamboninahitra.

Mety niteraka fatiantoka ho ahy izany. Izany no mety antony tsy nandrisika ny lehibeko hampakatra ny gradiko. Indray mandeha dia novaina asa tampoka tao anatin'ny antsasak'adiny aho. Na dia nampisy fanelingelenana ho ahy aza izany dia tsy mampaninona. Tsy azo antsoina akory hoe fanenjehana izany fa kaikitry ny moka kely fotsiny raha oharina amin'ny liona izay nandrapaka ireo kristiana taloha. Nandalovan'ireo kristiana taloha koa izany.

Hizaha toetra anao amin'izany Andriamanitra. Fantatro fa nozahan'Andriamanitra toetra imbetsaka aho ary mino aho fa raha tsy nandresy tamin'ireny fitsapana ireny dia tsy ho toy izao aho ankehitriny ary tsy ho nanome asa fanompoana ho ahy Andriamanitra. Angamba raha mba olona nanao ny marina sy mahitsy ianao ka nanaiky fatiantoka tamin'ny lafiny sasany noho ny fahamarinana dia ho nanome asa fanompoana ho anao Andriamanitra. Angamba tokony ho nahazo anjara betsaka kokoa tamin'ny fanjakan'ny lanitra ianao kanefa nisy ampahany nesorina tsy ho anao. Tsy misy azonao atao intsony mikasika ny lasa, izay efa very dia tsy azo averina. Fa mbola misy zavatra azonao atao mikasika ny ho avy. Lazao hoe "Tompo o, farafaharatsiny amin'ny andro ho avy dia te hiandany amin'ny rariny sy ny hitsiny aho". Ny kristiana dia tsy tokony hiolikolika na amin'ny inona na amin'ny inona. Ny kristiana dia tsy tokony handainga na hamitaka mba hahazoany tombontsoa. Mitady olona mijoro Andriamanitra mba hanomezany azy ireny asa fanompoana goavana kokoa.