Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana (Matio 5:6). Eto amin'izao tontolo izao dia noana sy mangetaheta izao karazan-javatra rehetra izao ny olona. Rehefa jerena ireo zavatra mampanoana sy mampangetaheta ny olona dia ny harena, ny vola, ny fampiadanam-batana, trano sy tany, toerana ambony eo amin'ny fiaraha-monina, fisondrotana eo amin'ny asa, fanatsarana ny bika amana endrika sy izay rehetra hahazoany voninahitra sy filaminana ary fahafinaretana eto an-tany. Izany koa no marina amin'ireo kristiana maro sasany.
Ny ankamaroan'ny kristiana, na dia ireo milaza fa efa nateraka indray aza, dia mbola manenjika an'ireny zavatra ireny. Fa ny hoe noana sy mangetaheta fiainam-pahamasinana, izany hoe noana sy mangetaheta handresy fahotana, dia fahamendrehana tsy fahita firy koa inoako ilay nolazain'i Jesosy hoe : vitsy no mahita ny lalana mankany amin'izany fiainana izany. Tsy mahagaga ahy ny mahita fa olona vitsy dia vitsy no liana amin'ny toriteny hananana fahamarinana tanteraka. Raha ny marina dia tsy gaga aho mahita olona miodina miteny hoe « tsy ho vita mihitsy izany ». Rehefa misy miteny hoe ny toriteny teo an-tendrombohitra dia tsy fenitra natao hotratrarina ary tsy hisy olona hahavita hiaina mifanaraka amin'izany na oviana na oviana, dia izany mihitsy no valinteny henoko amin'ireo kristiana tia an'izao tontolo izao sy amin'ireo milaza efa nateraka indray nefa manao ny fanaon'izao tontolo izao. Manontany tena aho na efa nateraka indray na tsia ny olona manao tsinontsinona ny toriteny nataon'i Jesosy teo an-tendrombohitra. Izany no antony nilazan'i Jesosy hoe « Ataovy mpianatra ny olona » talohan'ny nilazany hoe « Mampianara azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo » ao amin'ny Matio 28:20.
Ny olona rehetra izay milaza ny tenany ho kristiana kanefa te ho any an-danitra fotsiny fa tsy te hitandrina izay rehetra nandidian'i Jesosy dia lavitry ny lanitra tokoa. Raha tena tonga mpianatra ny olona anankiray dia ho liana hahafantatra izay nandidian'i Jesosy izy. Tahaka izao ny toe-tsain'ny tena mpianatr'i Jesosy : « Raha tian'i Jesosy ho tonga malahelo am-panahy aho dia tiako ho fantatra ny dikan'izany mba hankatoaviko . Raha tian'i Jesosy ho ory noho ny fahotako aho na ho tonga malemy fanahy dia tiako ho fantatra koa ny dikan'izany. Raha tiany ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana aho dia te ho noana sy mangetaheta aho ».
Inona moa ny dikan'ny hoe noana sy mangetaheta ny fahamarinana ? Ohatra raha miteny ianao hoe « mangetaheta te hisotro rano kely aho ». Hatramin'ny ohatrinona no sahinao hividiananao rano iray vera ? Ahoana raha hoe iray tapitrisa ny vidin'ny rano iray vera ? Hiteny ianao hoe « Tsia tsy dia tena mangetaheta loatra aho ka, tsy laniako amin'izay rano iray vera ny volako iray tapitrisa ». Fa eritrereto hoe avy nirenireny hafitoana tany an'efitra ianao, ary efa maina ny tenanao iray manontolo, maina ny vavanao, ary efa ho fatin'ny hetaheta ianao. Kay, tena vonona hividy rano iray vera iray tapitrisa ianao. Izany no atao hoe hetaheta. Ary vonona hividy sakafo na ohatrinona na ohatrinona ianao raha efa ho fatin'ny hanoanana.
Ny karazana hanoanana sy hetaheta resahin'i Jesosy dia hanoanana sy hetaheta mafy dia mafy te ho tonga olomarina na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana. Fa tsy te ho olomarina rehefa mety amiko na rehefa tsy manelingelina ny planiko fotsiny. Ny ankamaroan'ny mpiangona ao am-piangonana mihaino toriteny mikasika ny fahamasinana dia maniry ny ho masina raha tsy manelingelina ny fikasany izany na tsy manimba ny tanjom-piainany na tsy manakana azy hanambady izay tovovavy na tovolahy tiany hovadiana. Te ho marina izy ireo raha tsy dia lafo loatra ny takalony. Koa rehefa manolotra azy ireo ny fahamarinana ianao ka ny fanontaniany voalohany dia hoe « inona ny takalony ? » dia fantatrao fa tsy dia tena noana loatra izy. Ny olona tena noana sy mangetaheta efa mila ho faty dia tsy manontany vidin-javatra. Izao no holazainy « Omeo ahy io rano io fa haloako izay vidiny, homeko anao ny fananako rehetra satria efa mila ho faty aho ».
Izany no atao hoe mitady an'Andriamanitra amin'ny fo rehetra. Ny antony tsy ahitan'ny olona maro an'Andriamanitra amin'ny fomba nahitan'ny hafa Azy, sy mahatonga ny olona tsy manana fiainana kristiana mahafapo (izany no mahazo ny ankamaroan'ny kristiana nateraka indray) dia noho izy tsy mitady an'Andriamanitra amin'ny fony manontolo.Teo amin'ny fiainako, nandritra ireo 52 taona naha-kristiana ahy sy nitetezako firenena marobe dia vitsy dia vitsy ny kristiana nihaona tamiko ka afaka niteny marina tokoa hoe « Tena afapo amin'ny Tompo aho, tena afapo amin'ny fiainako kristiana aho, tena afapo tamin'ny fampandrosoana nataony tamiko ary feno fankasitrahana aho tamin'ny nitondrany ahy. Mientan-kafaliana isan'andro aho ». Vitsy dia vitsy ny olona tena afaka miteny an'izany. Hitako fa marobe ny kristiana no leon'ny fiainany. Mety nientan-kafaliana ihany izy ireo tamin'ny fotoana niovany fo fa ankehitriny dia efa mankaleo azy tanteraka ny fiainany. Tsy manam-potoana hamakiana Baiboly intsony izy, tsy liana amin'ny zavatra ara-panahy. Mety variana amin'ny zavatra sasany tahaka ny fankanesana any am-piangonana izy na amin'ny fijoroana vavolombelona sy ny fanampiana ny mahantra kanefa tsy mampientanentana azy ny fanarahana ny dian'i Jesosy.
Mba hahatakarantsika ny antony ao ambadik'izany dia tsy maintsy fantarintsika ny lalàna anankiray mikasika ny olona sy Andriamanitra. Ao amin'ny Jeremia 29:13 dia hoy ny Tompo tamin'ny Isiraely olony « Hitady Ahy hianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra ». Ahoana raha tsy amin'ny fonao rehetra no hikatsahanareo Azy fa amin'ny fo miroaroa na amin'ny ampahaefatry ny fo ihany ? Azo antoka fa manana fivavahana ianao. Fivavahana fe fivavahana fotsiny ny maha kristiana anao, miaraka amin'ny fombafomba sy ny hetsika isan-karazany fa tsy mahafantatra ny Tompo hianao. Tsy hahafantatra an'i Jesosy ho namana akaiky ianao ary tsy hahita na inona na inona eo amin'ny fiainanao miaraka amin'i Kristy. Mety mitondra anarana kristiana ianao ary mety mpikambana ao amin'ny fiangonana kristiana kanefa raha tsy mahalala manokana ny Tompo ianao dia tsy ho azonao ny zava-dehibe indrindra. Ny antony dia angamba ianao tsy nitady an'Andriamanitra tamin'ny fonao rehetra. Mety zavatra betsaka eto amin'izao tontolo no katsahinao amin'ny fonao rehetra fa tsy ny Tompo.