Efa hitanareo ve ny halehiben'ny herin'Andriamanitra azony aseho ao amin'ny olona ? Ny hery lehibe indrindra nasehon'Andriamanitra teto amin'izao tontolo izao dia tsy tamin'ny namoronany an'izao tontolo izao fa tamin'ny nananganany an'i Jesosy tamin'ny maty (Efesiana 1:20).
Izao zavatra àry rehetra izao no asa famoronana voalohany. Tamin'ny nananganana an'i Jesosy tamin'ny maty no nanomboka ny asa famoronana faharoa, dia ny asa famoronana vaovao. Izany asa vaovao izany dia mahery kokoa noho ilay asa taloha. Ny zavatra vakianao ao amin'ny Jaona toko faha-20 no mahery kokoa noho izay vakianao ao amin'ny Genesisy toko 1. Ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no fanehoan-kery lehibe indrindra hita teto ambonin'ny tany. Ny herin-tsaina dia lehibe noho ny herim-batana.
Nivavaka i Paoly mba handraisantsika fanambarana (révélation) hoe tian'Andriamanitra handramantsika izany hery izany. Tiany hiainantsika ao amin'ny fiainantsika anaty aloha izany hery izany. Ary hiainantsika ao amin'ny vatantsika koa izany indray andro any. Ny asa ataon'Andriamanitra dia manomboka ao anaty foana. Indray andro dia hihatra amin'ny vatantsika ny herin'ny fitsanganan'i Kristy. Amin'izao andro izao dia ao amin'ny fanahintsika no tian'Andriamanitra hanandramantsika an'izany herin'ny fitsanganana izany. Ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty dia hery hampakatra antsika hiala avy ao amin'ny fahafatesana ara-panahy . Ny lalàn'ny ota dia mampidina antsika any amin'ny fahafatesana ara-panahy. Ny herin'ny fitsanganana dia mampiakatra antsika ka manohitra izany.
Ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty dia manainga antsika hiala amin'ny lalàn'ny ota, dia tahaka ahy manainga ity boky ity hiala amin'ny lalàn'ny sinton'ny tany (izay mitady hisintona azy hidina). Ny herin'ny fitsanganana dia manainga antsika ho any an-danitra. Vakiantsika ao amin'ny Efesiana 2:1-6 fa rehefa matin'ny fahotantsika isika dia ity hery ity no niara-nanangana antsika sy niara-nametraka antsika any an-danitra ao amin'i Kristy. Mety misy hieritreritra hoe sarin-teny ihany izany. Tsia. Tena zava-misy marina izany. Raha tsy mino an'izany ianao dia tsy hahita ny tombontsoa avy amin'izany na oviana na oviana, satriaaraka ny ohatry ny finoantsika no handraisantsika. Aoka Andriamanitra no ho marina fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga. Ny fihetsempontsika rehetra dia mamitaka avokoa. Na dia ny fahitantsika aza dia mety hamitaka antsika.
Misy tantara'ny ankizy kely roalahy mijery ny filentehan'ny masoandro. Hoy ilay zokiny izay tokony ho 12 taona eo "Jereo, nihetsika ny masoandro. Tamin'ny maraina izy tao antsinanana izao izy niankandrefana". Hoy ilay zandriny vao 6 taona "Tsia, tadidio ilay nolazain'i dada tamintsika. Tsy ny masoandro no mihetsika. Ny tany no mihodinkodina". Dia hoy ilay zokiny "Izay hitako sy tsapako no inoako. Hitako tany antsinanana ny masoandro aninkeheo ary izao izy eo andrefana. Ary tsy tsapako nihodinkodina ny tany teo ambany tongotro. Tsy nihetsika ny tany". Dia hoy ilay zandriny "ny ahy dada no inoako".
Iza no marina, ilay nino ny rainy sa ilay nino izay hitany sy tsapany ? Ny ankamaroan'ny kristiana koa dia mandeha amin'izay hitany sy tsapany. Kanefa ny fahatsapantsika dia mety mamitaka. Koa ny ahy dia ilay Raiko any an-danitra no inoako sady marina foana ny lazainy na dia tsy hitako sy tsy tsapako aza.
Koa mino ny lazain'Andriamanitra aho hoe efa niara-natsangana sy niara-napetraka any an-danitra ao amin'i Kristy. Tsy ahoako izay lazain'ny fahatsapako. Fantatro fa ny fahatsapako dia mety mamitaka tahaka ny fahitan'ny masoko. Efa hitako fa rehefa mino izay lazain'ny Raiko any an-danitra aho dia mandeha tsara ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainako. Rehefa tsy mino izay lazain'ny Raintsika any an-danitra isika dia hianjadian'ny olana maro. Eto dia lazaina amintsika fa izany herin'ny fitsanganana mahagaga izany dia tsy natao ho an'ny olona rehetra fa hoan'ireo izay mino ihany. Raha tsy mino ianao dia tsy hanandrana izany hery izany. Hoy Jesosy tamin'i Tomasy "Sambatra izay tsy nahita nefa nino" (Jaona 20:29). Izaho dia anisan'ireo.