Jaona Mpanao batisa no mpaminany farany tao amin'ny firenena Isiraely. Ny zavatra notoriany voalohany izay voatantara ao amin'ny Matio 3:2 dia hoe "Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra". Nisy antony anankiray lehibe nahatongavany tany amin'ireo vahoaka ireo sy nitondrany an'izany hafatra izany.
Ny dikan'ny hoe mibebaka dia hoe mitodika any an-damosina. Ny fanoharana tsara indrindra hanazavana azy araka ny hevitro dia ny baiko miaramila hoe 'todika ivoho'. Rehefa mijery mankany aloha ny miaramila anankiray manao matso ka miteny ny lehibeny hoe 'todika ivoho' dia miodina avy hatrany ilay miaramila ka mitodika mankany an-damosina. Manome antsika sary mazava mikasika ny teny hoe mibebaka izany, mitodika any an-damosina. Mila atodika mankany an-damosina ny fisainantsika. Amin'ny teny anglisy sy amin'ny teny maro hafa dia tsy tena voadika mazava tsara izany, fa amin'ny teny tamoul kosa dia tena mazava be. Amin'ny teny Tamoul, ny hoe mibebaka dia nadika hoe "manam thirumbudhai", ny dikany dia hoe fitodihan'ny saina. Fitodihan'ny saina mankany an-damosina no tena tian'i Jaona Mpanao batisa notoriana tamin'ny firenen'Isiraely.
Zavatra ara-nofo maro isan-karazany no nampanantenaina ny firenen'Isiraely. Ao anatin'ny Testamenta Taloha iray manontolo dia tsy misy fampanantenana hoe hiombon-toetra amin'Andriamanitra izy ireo, na hahazo harena any an-danitra na hiaina fiainan-danitra dieny ety an-tany, sy ny sisa. Fa ny zavatra rehetra dia momba ny eto an-tany.
Hitantsika mazava tsara ao amin'ny Deotoronomia 28 fa nampanantenaina harena ara-nofo izy ireo, fanambinana ara-nofo, fahasalamana ara-batana, zanaka maro sy fitahiana ny asa aman-draharahany, ny vokatry ny famboleny ary ny biby fiompiny. Nampanantenaina izy ireo hoe ho tonga mpanefoefo, tsy hidiran-trosa mihitsy, haringana avokoa ny fahavalony eto an-tany, ho tonga firenena lehibe ary hanana tany onenana, dia ny tany Kanana, izay antsoina hoe Isiraely.
Nanomboka tamin'io dia ara-nofo avokoa ny fitahiana rehetra nampanantenaina ny Isiraely ary tany amin'ireo zavatra ara-nofo ireo no nitodihan'ny tavany mandrakariva. Kanefa tonga Jaona Mpanao batisa niteny hoe "Mihodina amin'izay, mitodiha mankany an-damosina. Aza mijery manatrika ny zavatry ny tany intsony fa mitodiha satria ankehitriny dia efa misy fanjakana vaovao ho avy. Izany dia ny fanjakan'ny lanitra, ary ao amin'izany dia laharana faharoa ny zavatry ny tany, na dia ny fahasalamana ara-batana aza dia faharoa. Ny fanambinana ara-nofo dia tsy zava-dehibe intsony satria Andriamanitra manome antsika izay rehetra ilaintsika. Mitodiha mankany an-damosina satria efa hanome anao harena ara-panahy Andriamanitra, dia ny harenan'ny lanitra. Efa hanome anao zanaka ara-panahy Andriamanitra, tsy voatery hoe ny zaza naterakao. Hanana tany onenana any an-danitra ianao ho lovanao, fa tsy tany eto an-tany". Nasain'i Jaona nitodika izy ireo satria mbola tsy tonga ny fanjakan'ny lanitra fa efa akaiky. Ho tonga izany amin'ny andro Pentekosta.
Jaona Mpanao batisa dia mpialoha làlana an'i Jesosy Kristy koa, izy no nanokatra ny lalana mankany amin'ny fanekena vaovao izay efa hataon'Andriamanitra miaraka amin'ny olona, izay hitondra ny olon'ny firenena rehetra hanana an'Andriamanitra ho Rainy. Vakiantsika ao amin'ny Matio 4:12-13 fa nosamborin'i Heroda i Jaona. Rehefa ren'i Jesosy izany dia lasa nankany Galilia Izy ary niala tany Nazareta tanàna nahabe Azy izay nonenany nandritra ny 30 taona. Nipetraka tany amin'ny trano anankiray tany Kapernaomy izay nanamorona ny ranomasina Izy. Ary nanomboka teo no nitorian'i Jesosy ny toriteny notorian'i Jaona Mpanao batisa. "Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra" (Matio 4:17). Azo lazaina hoe nisy hazakazaka nifandimbiasana ka i Jaona no nanao ny dingana voalohany nitondra ny relais. Natolony an'i Jesosy iny ary naverin'i Jesosy ny toritenin'i Jaona hoe "Mibebaha". Rehefa niakatra tany an-danitra Jesosy dia vakiantsika fa ny Apôstôly Petera no nandray ny relais avy teny an-tanan'i Jesosy ary nitovy ihany ny hafatra notoriany dia hoe "Mibebaha" (Asa 2:38). Nitory teny tamin'ny vahoaka i Petera tamin'ny andro Pentekosta hoe "Mibebaha, ary raisonareo ny fanomezan'ny Fanahy Masina dia ny fanjakan'Andriamanitra ao anatinareo". Ary dia tonga tokoa izany tamin'ny farany.
Rehefa niresaka momba ny fanjakan'Andriamanitra Jaona Mpanao batisa sy Jesosy dia hoe mbola ho avy na efa akaiky no nilazany azy. Indray mandeha Jesosy dia nilaza hoe efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra. Ny tiany nolazaina dia hoe ao anatin'ny Tenany amin'ny maha Kristy azy ny fanjakan'Andriamanitra noho izany dia efa tonga teo anivon'ny olona. Kanefa tsy tao amin'ny olona nanodidina Azy. Tsy tonga ny fanjakan'Andriamanitra raha tsy tamin'ny andro Pentekosta izay niandrasan'ireo mpianatra 120 ny batisan'ny Fanahy Masina. Dia nameno azy ireo ny Fanahin'Andriamanitra ary nitoetra tao anatin'izy ireo. Izany ilay fanjakana izay notoriany, ny fanjakan'ny lanitra (na ny fanjakan'Andriamanitra) rehefa mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina. Tsy fanjakana ety ivelany mikasika ny fanasitranana ara-batana sy ny fanambinana ara-nofo izany. Tena mampalahelo fa izany no torian'ny mpitory kristiana maro ankehitriny. Raha ny tena izy dia famitahana izany fa tsy izany ny fanjakan'Andriamanitra.
Fa inona marina moa ny fanjakan'Andriamanitra ? Ao amin'ny Romana 14:17 dia voalaza fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy fihinanana sy fisotroana. Tsy zavatra ara-nofo tahaka ny fanambinana sy ny fanasitranana, tsy fitahiana ara-nofo velively.
Araka ny voalazan'ny Romana 14:17, ny fanjakan'Andriamanitra dia fahamarinana sy fifaliana ary fiadanana ao amin'ny Fanahy Masina.
● Fahamarinana : Ilay fahamarinan'Andriamanitra mihitsy, izay nisaina ho fahamarinantsika raha vao nandray an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy isika, ary avy eo dia nampitain'ny Fanahy Masina ao anatintsika ka mahatonga ny fahamarinan'Andriamanitra ho hita eo amin'ny fiainantsika
● Fifaliana : fifaliana anaty izay manafaka tanteraka antsika amin'ny fahakiviana sy ny famoizam-po ao amin'ny Fanahy Masina
● Fiadanana : fiadanana anaty izay omen'ny Fanahy Masina indrindra indrindra, fanafahana amin'ny fanahiana, ny tahotra, ny tebiteby, ny fahakiviana, ny fanjombonana sy fahakizitinana sy ny sisa. Fiadanana ivelany na fihavanana amin'ny olona rehetra, ka mandà tsy hiady na amin'iza na amin'iza na amin'ny inona na amin'ny inona
Koa izany ilay fanjakan'Andriamanitra. Zavatra anaty ilay izy. Ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatintsika. Izany ilay fiainan'i Kristy izay ao amin'ny Fanahy Masina sy tonga amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Izany ilay fiainan-danitra eto an-tany ao anatin'ny fontsika
Eo am-pandinihana ny ho avy, dia aoka harahintsika ny tenin'i Jaona Mpanao batisa hoe : "Ajanony ny fifantohana amin'ny zavatry ny tany fa mitodiha satria efa misy fanjakana vaovao tonga izao ka ny zavatry ny tany dia efa laharana faharoa, na dia ny fahasalamana aza dia laharana faharoa. Ny fanambinana ara-nofo dia tsy zava-dehibe intsony satria efa omen'Andriamanitra antsika izay rehetra ilaintsika. Mitodiha ka mibebaha noho ny nifantohantsika tamin'izao tontolo izao, satria ankehitriny dia hanome harena ara-panahy ho antsika Andriamanitra".
Andeha isika hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.