WFTW Body: 

Vakiantsika ao amin'ny Genesisy 13:7 fa niady ny mpanompon'i Abrahama sy ny mpanompon'i Lota. Nahazo harena be avy tamin'ny diany tany Egypta i Abrahama sy Lota ary niteraka olona izany harena izany. Miteraka olana foana ny harena. Lota mivady dia voaovan'ny zavatra hitany tany Egypta. Te hahazo vola bebe kokoa izy ireo. Abrahama kosa dia lehilahy izay tsy te hiady na tamin'iza na tamin'iza. Saingy ny mpanompony no niady.

"Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota ; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay". Inona moa no antony nanoratana ity fehezanteny farany ity ? Satria nijery an'io ady io ireo jentilisa ireo. Zava-mitranga tena misy ao amin'ny fivavahana kristiana ankehitriny koa izany. Ny jentilisa no monina eo amin'ny tany ary inona ny zavatra hitany ? ny adin'ireo vondrona kristiana. Ary eo anivon'izany rehetra izany dia mety misy lehilahy mpivavaka anankiray tahaka an'i Abrahama hiantso an'i Lota (olon'izao tontolo izao izay tia vola) ka hiteny aminy hoe "Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, fa mpirahalahy isika" (Genesisy 13:8). Tsy mpirahalahy izy sy Lota. Abrahama dia rahalahin-drainy. Lota dia zana-drahalahiny. Jereo ange ny halemem-panahin'ity lehilahy lehibe 75 taona amin'ity zana-drahalahiny 35 taona e. "Mpirahalahy isika!". Ny olona izay matahotra an'Andriamanitra dia olona manetry tena. 75 taona izy, kanefa vitany ny niteny tamin'ilay zana-drahalahiny hoe "Mpiarahalahy isika. Mitovy ihany izaho sy ianao. Aoka ianao hisafidy voalohany. Fidio izay tianao". Olona tahaka izany no manorina an'i Jerosalema. Mpitarika tahaka izany no ilain'ny kristiana ankehitriny, ary sarotra ny mahita olona tahaka izany.

Ankehitriny ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana hitantsika dia mampihatra ny fahefany ka hiteny hoe "Izaho efa 75 taona, dadatoanao aho. Izaho no nantsoin'Andriamanitra fa tsy ianao. Ianao olona niaraka tamiko fotsiny". Kanefa tsy tahaka izany ny firesak'i Abrahama tamin'i Lota. Hoy izy tamin'i Lota "Raha handeha hiankavanana ianao dia hiankavia aho. Ary raha handeha hiankavia hianao dia hiankavanana aho. Alaivo aloha izay tianao". Ary noho Lota lehilahy tia vola, sady nanana ny fanahin'i Babylona, dia avy izy naka voalohany. Nojereny ireo saha mahafinaritra tao Sodoma, hitany fa mety hahazoana vola be ireo tany sy ireo olona mpanankarena nonina tao. Dia hoy izy "Ery amin'iry tany iry aho no andeha hipetraka ary eny aho no hanompo an'Andriamanitra".

Ny ankamaroan'ny kristiana sy ny mpitondra fivavahana kristiana dia tia mipetraka any amin'ny firenena manankarena. Kanefa dia tsy maintsy ho very foana ny fiainam-panahiny. Tamin'ny fotoana nandraisan'i Abrahama izany fanapahan-kevitra izany dia nidina teo ny Tompo (Tahaka ny tao Babela), mba hijery izay nataon'i Abrahama sy Lota. Ary hitan'ny Tompo ny fitondran-tenan'i Abrahama natahotra an'Andriamanitra. Raha vao nandao an'i Abrahama fotsiny i Lota dia nilaza zava-dehibe indrindra tamin'i Abrahama ny Tompo (Genesisy 13:14).

Nosarahin'Andriamanitra tamin'ny rainy aloha i Abrahama (tamin'ny alalan'ny fahafatesana). Avy eo dia nosarahin'Andriamanitra tamin'ny havany anankiray indray i Abrahama (izay mety ho sakana ho azy noho ny fitiavam-bolany). Hoy ny Tompo "Efa irery ianao izao koa azoko entina any amin'izay toerana tiako andehananao amin'izay ary azoko ovaina araka izay tiako hanaovana anao. Efa hitako tsara daholo ny zava-niseho". Mba fantatrao ve fa mijery ny fifampiraharahana rehetra ataon'ny olona Andriamanitra ?. Dinihany tsara ny toe-panahintsika. Efa nafoinao ve ny zonao tamin'ny zavatra anankiray satria ianao kristiana ? Hoy Andriamanitra aminao "Efa tsikaritro izany".

Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama "Mijoroa eto fotsiny ianao dia mitazàna mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana. Ny tany rehetra izay tazanao dia ho an'ny taranakao indray andro any. Mampanantena an'izany Aho. Tsy ho an'ny taranak'i Lota izany. 4000 taona izay no nilazan'Andriamanitra an'izany tamin'i Abrahama. Ankehitriny dia jereo izany tany izany 4000 taona aty aoriana ary fantaro hoe iza no mipetraka ao. Ny taranak'i Abrahama fa tsy ny taranak'i Lota. Mihazona ny teniny Andriamanitra. Mety mandalo ny taona anarivony maro fa rehefa nilaza tamin'i Abrahama Andriamanitra hoe "Homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ity tany ity" (Genesisy 13:15), dia izany mihitsy no hitranga.

Avy eo dia hitantsika ao amin'ny Genesisy Toko faha-14 ny olana goavana nianjady tamin'i Lota. Misedra olana goavana foana ianao rehefa mivoaka ivelan'ny sitrapon'Andriamanitra. Voasambotry ny fahavalony izy. Azon'i Abrahama natao ny nanao hoe "Tsara izay ka. Naka ny zavatro iny olona iny". Kanefa tsy tahaka izany ny fihetsik'i Abrahama. Eto dia hitanao ny fotoana faharoa nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama. Ahoana moa ny fihetsik'i Abrahama rehefa nandre izy fa ilay olona nanambaka azy dia niharan'ny loza ? Raha nisy olona nanambaka anao ka niharan'ny loza iny olona iny dia ho fantatrao avy hatrany na olona matahotra an'Andriamanitra ianao na tsia.

Izao no fihetsik'i Abrahama. "Andeha hamonjy an'i Lota aho. Marina fa nanambaka ahy i Lota. Kanefa inona moa no nanambakany ahy ? Izay fakofakon-karen'ny tany ve. Tsy misy dikany izany. Manana harena any an-danitra aho. Mangoraka an'i Lota aho satria niraiki-po tamin'ny haren'ny tany izy ka izao izy niharan-doza izao. Andeha aho hamonjy azy". Dia lasa i Abrahama namonjy an'i Lota. Izany no toe-panahin'ny olona izay matahotra an'Andriamanitra. Ny olona tahaka izany ihany no afaka manorina an'i Jerosalema.