WFTW Body: 

Lazain'ny Baiboly fa "ny fiainan'ny tsara fanahy dia fiainam-pifaliana" (Ohabolana 14:14 - Baiboly Living).

Mamelà ahy hijoro vavolombelona aminao. Efa 85 taona aho izao ary efa 65 taona mahery izay no niovako fo ho tonga zanak'Andriamanitra. Azoko ijoroana vavolombelona amin'ny fo tsotra fa ny fiainako ao amin'i Kristy dia fiainam-pifaliana. Nandritra ny fiainako dia nandalo fitsapana maro aho, kanefa tao anatin'ireny fitsapana rehetra ireny dia fifaliana no nanandramako an'Andriamanitra. Ary mino aho fa ny ampahany tsara indrindra amin'ny fiainako dia mbola eo anoloako. Mampientan-kafaliana ahy ny mivelona ho an'Andriamanitra sy manompo an'Andriamanitra. Ny manompo an'Andriamanitra no zavatra tsara indrindra azon'ny olona atao eto amin'izao tontolo izao.

Tsy misy olona na anankiray aza eto ambonin'ny tany mampisy fimonomononana ato amiko. Tsy misy olona na iray aza nahavita nanisy ratsy ahy hatramin'izay. Maro ireo nitady hanisy ratsy ahy ary nisy mpiara-miasa nivadika tamiko sy nanohitra ahy. Maro ireo "kristiana" izay nitantara lainga momba ahy tany amin'ny gazety "kristiana" isan-karazany sy tao amin'ny internet. Nisy tamin'izy ireo mihitsy aza nitory ahy tany amin'ny tribonaly. Kanefa ho ahy, ireny rehetra ireny dia ampahany fotsiny amin'ny "fiombonana fijaliana amin'i Kristy". Ary na inona na inona nataon'ny olona tamiko dia niara-niasa hahasoa ahy, araka ny voalazan'ny Romana 8:28. Noho izany dia tena isaorako an'Andriamanitra ireny rehetra ireny, satria nampiasain'Andriamanitra ny ratsy nataon'ny olona mba hahatonga ahy ho olona tsaratsara kokoa, ho olona manahaka kokoa an'i Kristy amin'ny fihetsika. Izany no zavatra mahasoa indrindra azoko avy tamin'ny ratsy nataon'izy ireo.

Tsy maintsy POTEHINA isika voalohany indrindra vao azon'Andriamanitra ampiasaina .

Mampiasa olona maro sy toe-javatra maro Andriamanitra mba hamotehany ny avonavontsika sy ny fahatokisan-tenantsika mba ho hitantsika ny maha-tsinontsinona antsika.

Tamin'ny fahatanorako dia nanapotika ahy fatratra Andriamanitra, ary mbola potehiny aho ankehitriny. Izany no lalana hahazoana vokatra. Arakaraky ny maha torotoro antsika no ampiasan'Andriamanitra antsika kokoa mba ho tonga fitahiana ho an'ny hafa. Vakiantsika ao amin'ny Eksodosy 17 fa rehefa nokapohina ny harambato vao nanomboka nikoriana ny rano. Nitondra tavoara ala-bastara feno menaka manitra ny vehivavy anankiray mba hanosorany an'i Jesosy. Rehefa novakina ny tavoara vao nameno ny trano ny fofomanitra (Marka 14:3). Rehefa namahana ny olona dimy arivo Jesosy dia nandray ny mofo ary nisaotra. Kanefa tsy nisy olona nihinana raha tsy novakiana ny mofo. Inona ny hafatra ao anatin'ireo ohatra ireo ? Izao ihany : ny fahapotehana no lalan'ny fitahiana. Rehefa vakiana ny atôma anankiray dia ampy hanomezana herinaratra tanàna lehibe iray manontolo ! Ny atôma dia bitika loatra ka tsy hitan'ny masontsika na amin'ny mikrôskôpy aza. Kanefa rehefa potehana iny atôma iny dia be dia be ny herinaratra azo avy aminy. Ny hafatra raisina avy amin'ny natiora sy avy amin'ny Baiboly dia izao ihany : Ny herin'Andriamanitra dia mivoaka avy ao amin'ny fahapotehana. Enga anie mba hahakasika antsika izany hafatra izany amin'ity taona vaovao ity.

Nokasihin'Andriamanitra tamin'izany hafatra izany aho tamin'ny taona 1963 teo am-pitadiavana ny herin'Andriamanitra voalohany ho an'ny fiainako sy ho an'ny asa fanompoako. Tamin'izay indrindra rehefa nametra-pialana tao amin'ny Tafika an-dranomasina aho, dia nasehon'Andriamanitra ahy fa ny lalan'ny fahapotehana no lalan'ny hery. Tsy ho hadinoiko mihitsy izany amin'ny androm-piainako manontolo. Te hampahery manokana ny tanora aho mba hianatra ity lesona ity dieny mbola ao anatin'ny fahatanorany.

Ny fepetra faharoa dia FINOANA velona an'ireo teny fikasan'Andriamanitra.

Tany Egypta dia nanome teny fikasana anakiroa ho an'ny loholon'ny Isiraely Andriamanitra : "Hitondra anareo hiakatra Aho, (1) ho afaka amin'ny fahoriana aty Egypta, (2) ho any amin'ny tanin'ny Kananita" (Eksôdôsy 3:17). Araka ny hitanao eto dia anankiroa ireo teny fikasana. Ilay voalohany ihany anefa no tanteraka. Ilay faharoa tsy tanteraka. Tsy nisy loholon'ny Isiraely tafiditra an'i Kanana, satria tsy nandroso tamin'ny finoana izy ireo rehefa tonga ny fotoana hidirana an'i Kanana (Nomery 13). Tsy tanteraka ny teny fikasan'Andriamantra raha tsy mandroso amin'ny finoana. Ny teny fikasan'Andriamanitra sy ny finoantsika dia tahaka ny tariby anankiroa mitondra herinaratra (tahaka ny prise). Rehefa mifampikasika izy roa vao manomboka mikoriana ny herinaratra. Mety misy teny fikasan'Andriamanitra anankiray henonao ary azonao tsara. Kanefa ny finoanao raha tsy mandray an'izany ka manao hoe "Eny, mino aho fa ho tanteraka eo amin'ny fiainako izany" dia tsy ho tanteraka ilay teny fikasana. Teo amin'ny sisin-tanin'i Kanana dia Josoa sy Kaleba irery ihany no nino ny teny fikasan'Andriamanitra, noho izany dia izy roalahy irery no niditra ilay tany nampanantenaina. Enga anie isika amin'ity taona vaovao ity mba hanana izany finoana izany koa ka honina tsy tapaka eo amin'ny tany nampanantenaina feno fandresena.

Mirary Taona vaovao sambatra tokoa ho anao izahay, dia Taonan'ny fahapotehana bebe kokoa sy finoana lehibe kokoa an'Andriamanitra.