WFTW Body: 

Ny tena firaisam-po kristiana dia tsy maintsy ao amin'ny mazava. Tsy afaka miara-mandeha ao anaty firaisam-po marina sy lalim-paka isika raha tsy vonona ny handeha eo amin'ny mazava. Tafiditra ao anatin'izany ny fahavononana hampiseho ny tena maha-isika antsika amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa, tsy miolikolika na mihatsaravelatsihy. Izany no zavatra andrasan'Andriamanitra ao anatin'ny fiarahan'ny olona samy kristiana. Tadidio fa ny fahotana voalohany izay notsarain'Andriamanitra imaso imaso tao amin'ny fiangonana voalohany dia ny fihatsarambelatsihy (jereo ny tantaran'i Ananiasy sy Safira voarakitra ao amin'ny Asa 5:1-4).

Ny fahotana dia mahatonga antsika rehetra hanao saron-tava ao amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Sady matahotra isika no menatra sao fantatry ny olona hoe iza marina moa isika. Ao anatin'ny tontolo feno olona mpanao saron-tava no misy antsika, ary rehefa miova fo ny olona, dia tsy esoriny ny saron-tavany. Anaovany ny saron-tavany rehefa mamonjy fivoriam-bavaka sy mihaona amin'ny hafa izy, ary izany no antsoin'izy ireo hoe firaisam-po. Ny firaisam-po tahaka izany dia vazivazy ihany. Kanefa efa nataon'ny devoly afa-po tamin'izany ny ankamaroan'ny kristiana.

Marina fa tsy misy mahay manala tanteraka ny saron-tavany na iza na iza. Mbola miaina ao anatin'ny tontolo feno fahotana sy manana firaisam-po ao anatin'ny fiangonana tsy tonga lafatra isika sady mbola voafatotry ny nofontsika. Tsy vitantsika sady tsy mahasoa ny milaza ny marina rehetra amin'ny hafa. Tsy vita ny mitsotra tanteraka ny marina satria na isika aza tsy mahafatantra tsara akory ny tenantsika. Tsy tokony ataontsika koa izany zavatra izany satria mety mahasadaikatra ny hafa.

Ilaina tokoa ny fahendrena rehefa mitsotra ny marina. Kanefa tsy azontsika atao mihitsy ny mihambo ho olon-kafa. Izany dia atao hoe fihatsarambelatsihy, ary ny fihatsarambelatsihy dia nohelohin'i Jesosy avy hatrany mihitsy.

Ny toetsaina tia manamarin-tena sy manahaka ny Fariseo no manakana ny Kristiana maro tsy ho tonga fantson'ny fanampiana sy fampaherezana. Ny toetrantsika dia tokony hahatonga ny olona mpiara-mivavaka amintsika sy ny hafa koa hanatona antsika tsy am-pihambahambana sy hiresaka malalaka ary hamboraka ny ao am-pony. Satria fantany fa mangoraka sy malala-tsaina isika ary tsy hanao tsinontsinona azy noho ny tsi-fahaizany na noho ny fahadisoany.

Izao tontolo izao dia feno olona manirery, kizitina, mihorohoro ary tsy azo taitairina. Manana vahaolana amin'izany rehetra izany Kristy, kanefa tsy maintsy avy amin'ny alalan'ny Tenan'i Kristy, izany hoe ny Fiangonana, no hahazoan'ny olona ny vahaolana. Indrisy anefa fa ny anakamaroan'ny kristiana dia mpanamarin-tena loatra ary olona sandoka ka mampitsoaka ireo izay mitady fanampiana.

Keith Miller dia milaza ao amin'ilay boky nosoratany hoe "The Taste of New Wine"

"Ao anatin'izao fiangonana moderna misy antsika izao dia toa manana fiainana madio ivelany ny mpiangona. Ao anatiny ao dia leon'ny toe-piainany izy, leon'ny fahalemeny sy ny sorisorin-tsainy ary ny tsi-fisian'ny marina manodidina azy ao am-piangonana.

Izao ny fahitan'ireo namantsika tsi-kristiana antsika :

- 'andian'olom-banona tsy mba misy ahiana ireo ka tsy hahazo an-tsaina velively ny manjo ahy'

Na izao no tsapan'ireo olona tsy mpino mahira-tsaina mpiara-monina sy mpiara-miasa amintsika :

- na isika Kristiana narovana be loatra ka tsy mahalala na inona na inona momba ny toe-javatra iainan'ny olombelona

- na isika mpihatsaravelatsihy izaitsizy".

Eo amin'ny fiainantsika manokana dia tsy maintsy ianarantsika izany hoe manana firaisam-po tsotra sy marina miaraka amin'ny hafa. Ary azontsika rehetra atomboka amin'ny olona anankiray izany.