WFTW Body: 

"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy ENY AMIN'NY RIVOTRA" (Efesiana 6:12).

3500 taona lasa izay dia nidina avy teny amin'ny tendrombohitra Sinay i Mosesy nitondra ny teny fampanantenan'ny fanjakana eto an-tany ho an'ny zanak'Isiraely. Fa 2000 taona lasa kosa izay no nidinan'i Jesosy avy tany an-danitra nitondra ny teny fampanantenan'ny fanjakan'ny lanitra. Izany no maha-samy hafa tanteraka indrindra ny fanekena vaovao sy ny fanekena taloha. Raha tsy azontsika tsara izany dia tsy hahita fahombiazana isika rehefa miady amin'i Satana.

Ny fanjakantsika dia tsy eto amin'izao tontolo izao. Ary noho izany dia tsy mahazo miady na mifanditra amin'ny olona VELIVELY MIHITSY isika na inona na inona mety ho antony. Izany no fepetra voalohany indrindra takiana amintsika raha tiantsika ny hahomby amin'ny ady ara-panahy. Anisan'ny fomba lehibe fampiasan'i Satana mba hampivily ny mpino hiala amin'ny niantsoana azy dia ny fitaomany ny mpino hiady sy hifanditra amin'ny olona, na amin'ireo havany izany na amin'ireo mpiara-monina aminy na amin'ireo rahalahy sy anabaviny. Ary mikasika ny raharaha ara-nofo hatrany no antony mampisy ny fifandirana. Tahaka izany no ahombiazan'i Satana mampidoboka mpino maro avy amin'ny toerany any an-danitra mba ho ety amin'ity tany ity sy ny raharahan'ny tany, ary izany no mahatonga azy ireo tsy hahomby amin'ny ady ataony amin'i Satana.

Raha te hahomby amin'ny ady ataonao amin'i Satana ianao ka te hanorina fiangonana, dia manapaha hevitra mba tsy hifanditra amin'ny olona mihitsy na iza na iza, tsy hifanditra mikasika ny zavatra ara-nofo na inona na inona. Tsy azontsika atao na dia miady aman'olona an'eritreritra fotsiny aza. Tsy mahazo manan-javatra itarainana na mikasika an'iza na mikasika an'iza isika.

Ary tsy azontsika atao ny manampo ao anaty fa hanao zavatra ho antsika ny olona. Tsy azontsika atao ohatra ny miandry fanajana na manantena fanamboniana avy amin'ny olona, na miandry fanehoam-pitiavana avy amin'ny olona, na mieritreritra hoe tsy misy olona tokony hisoloky antsika na tokony hamitaka antsika velively, sy ny sisa. Tsy tokony hanantena an'izany isika na amin'ny vady andefimandrintsika aza. Ny fifandirana sy fitarainana ary fitakian-javatra rehetra tahaka ireny dia mampiseho fa eto amin'izao tontolo izao ny fanjakan'ilay olona, ka efa nanome vahana an'i Satana tao am-pony izy. Ary ny olona tahaka izany dia voaheloka ho amin'ny fiainam-pahantràna.

Andriamanitra irery ihany no hiafaran'ny ataontsika (Heb. 4:13). Ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainantsika (anisan'izany ny fomba fitondran'ny olona antsika) dia noforonin'Ilay Raintsika be fitiavana avokoa mba hahasoa antsika indrindra, izany hoe mba hahatonga antsika hitovy endrika amin'ny Zanany. Noho izany dia aza asiana hirika kely akory hidiran'ny fitarainana noho ny nataon'ny hafa, na iza na iza, fa ny fiderana an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra no aoka homentsika toerana malalaka.