WFTW Body: 

Ny fiainan'i Jesosy no fiainana kanto indrindra, fiainana nilamina sy niadana indrindra ary fiainana sambatra indrindra tamin'ny fiainan'ny olona rehetra teto ambonin'ity tany ity. Izany dia noho ny fankatoavany feno ny tenin'Andriamanitra. Na aiza na aiza no misy fankatoavana feno an'Andriamanitra dia ao no misy ny fahalavorariana sy ny hatsaran-tarehy, araka izay hitantsika eny amin'ireo planeta sy kintana eny amin'ny lanitra. « Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina » (Oha. 14:27) ary Jesosy dia nankato ilay didy hoe « matahora an'i Jehovah mandritra ny andro » (Oha. 23:17). Fony tety ambonin'ny tany Jesosy dia hitan'ny olona tao Aminy ny fiainan'ny lanitra. Ny fiantràny, ny halemem-panahiny tamin'ny hafa, ny fahadiovany, ny fitiavany madio ary ny fanetren-tenany, ireny rehetra ireny dia fanehoana ny tena fiainan'Andriamanitra. Ankehitriny dia efa tonga ny Fanahy Masina nitondra izany fiainan'Andriamanitra izany ary koa ny rivotry ny lanitra hankao am-pontsika. Efa napetrak'Andriamanitra teto an-tany isika mba haneho izany fiainan'ny lanitra izany amin'ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao. Tian'Andriamanitra handramanao ny fifaliana, ny fiadanana, ny fitiavana, ny fahadiovana ary ny fahamoram-panahin'ny lanitra ao anatin'ny an-tokantranonao sy ao anatin'ny fiangonanao amin'ity taona vaovao ity. Fiainan-danitra no niainan'i Jesosy teto an-tany. Raha afantokao any amin'i Jesosy ny masonao ka manara-dia Azy ianao dia ho tahaka ny andro any an-danitra ny andronao tsirairay ety an-tany amin'ity taona vaovao ity.

Ny firaisana tamin'ny Rainy no zavatsoa sarobidy indrindra nananan'i Jesosy. Tsy nisy na inona na inona teto amin'izao tontolo izao sarobidy taminy nihoatra noho izany. Izany firaisana tamin'ny Rainy izany dia fantatr'i Jesosy fa tsy maintsy ho tapahina ao Kalvary, mandritra ireo adiny telo izay hiaretany ny fangirifirian'ny helo mandrakizay, mba hamonjena ireo olom-bery (Mat. 27: 45). Koa nandritra ireo adiny telo ireo dia tsy maintsy nafoin'ny Rainy Izy, ary ilay firaisana izay nananany niaraka tamin'ny Rainy hatrizay hatrizay dia tsy maintsy notapahina. Nahiany mafy loatra izany fahatapahan'ny firaisany tamin'ny Rainy izany ka nipotrapotraka tamin'ny tany tahaka ny rà ny hatsembohany tao Getsemane. Ny kapoaka izay nivavahany mba hesorin'ny Ray taminy dia izao : ny fahatapahan'ny firaisany tamin'ny Rainy. Ny atao hoe manara-dia an'i Jesosy dia manao ho zava-dehibe ny firaisana amin'ny Ray tahaka an'i Jesosy. Amin'izany dia haharikoriko antsika fatratra ny fahotana, satria manapaka ny firaisantsika amin'ny Ray. Ny toetra tsy ombam-pitiavana aseho amin'ny olona anankiray dia ho lavin'ny saintsika avy hatrany, satria hanapaka ny firaisantsika amin'ny Ray.

Ny sekren'ny fahatakarana ny Baiboly dia ny fananana fifandraisana akaiky sy manokana amin'ny Tompo, voalohany indrindra. Ny Fanahy Masina no afaka manazava ny dikan'ny teny notsindrian'ny Fanahy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Noho izany dia miaraha mandeha amin'i Jesosy, tahaka ny nataon'ireo mpianatra fahiny ary maniria fatratra ny haheno an'i Jesosy miresaka aminao. Amin'izay fotoana izay dia hahiratra ny masonao tahaka ny nampahiratana ny mason'ireo mpianatra ary hiredareda tahaka ny fon'izy ireo ny fonao. Izany ny ahy ny zavatra tsapako nandritra izay 61 taona niarahako nandeha tamin'ny Tompo izay.

Andriamanitra dia nanao planina ho an'ny fiainantsika talohan'ny nahaterahantsika. Izao no lazain'i Davida « Efa nahita ahy Ianao talohan'ny nahaterahako ary Ianao no efa nandahatra ny androm-piainako tsirairay talohan'ny nanombohako nifoka fofonaina. Ny andro tsirairay dia efa voarakitra ao anatin'ny Bokinao. Sarobidy amiko loatra, Tompo ô , ny mahafantatra fa tsy mitsahatra ny mihevitra ahy Ianao !!, Tsy tamboko isaina hoe impiry isan'andro no iantefan'ny fisainanao aty amiko. Ary rehefa mifoha maraina aho, dia mbola misaintsaina ahy ihany Ianao !! » (Salamo 139:16-18 Baiboly Living).

Izany dia mampianatra antsika fa ao amin'ny fisainan'Andriamanitra dia misy ny antsipirian'ny planina ho an'ny andro tsirairay eo amin'ny fiainanao. Taona anapitrisany maro talohan'ny nahaterahanao dia efa voasoratr'Andriamanitra izay ho tonga ray aman-dreninao, efa voasoratra izay firenena hahaterahanao, efa voasoratra ny toe-javatra maro izay efa nomaniny mba hitondrany anao ho any amin'i Kristy. Efa voasoratra ao koa ireo fitsapana maro izay hampandaloviny eo aminao mba handraisanao fampianarana ara-panahy. Efa voasoratra ny fomba hampiasan'Andriamanitra ny hadalana sy ny hadisoana hataonao mba ho an'ny voninahiny.

Ny rahalahy sy anabavy sarobidy indrindra ao amin'ny fiangonana anankiray dia izay olona afaka mitondra ny rivotry ny lanitra ao anatin'io fiangonana io ary manorina firaisam-po ao. Tsy voatery ho ny iray amin'ireo loholon'ny fiangonana izany olona izany. Isika rehetra dia samy afaka ho tonga rahalahy sy anabavy sarobidy tahaka izany avokoa. Mieritrereta ianao rahalahy anankiray na anabavy anankiray ao am-piangonana. Isak'izay manatrika fivoriam-bavaka izy, na ao am-piangonana izany na ao an-tokantrano, dia tahaka ny misy rivotra madio avy any an-danitra mitsoka mamakivaky ny efitrano. Tsy tena rahalahy na anabavy sarobidy loatra ve ny olona tahaka izany !! Na dia dimy minitra monja aza no iviliany sy amangiany anao dia mahatsiaro velombelona ianao. Tsapanao fa tahaka ny nidina tao an-tokantranonao ny lanitra nandritra ny dimy minitra !!

Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama « . ..Hitahy anao Aho … ary Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany » (Gen. 12:2,3 ). Izany fitahiana izany dia efa lovaintsika koa, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina (araka ny Galatiana 3:14). Sitrak'Andriamanitra ny hanome fitahiana mitafotafo ho anao amin'ity taona ity ka hanomboka hitobaka ny kapoakanao mba hitahiana ny olona maro hafa. Tsy mety ritra ny hery sy ny fitahiana ao amin'ny hosotr'Andriamanitra nomeny anao mba hahafahanao mitahy ny olona tsirairay izay mifanena aminao amin'ity taona ity. Noho izany dia ampitao any amin'ny fiainan'ny olona maro hafa ny fitahiana izay noraisinao. Raha toa kosa ka tehirizinao ho an'ny tenanao samy irery ny fitahian'Andriamanitra, dia hanomboka ho maimbo tahaka ireo mana notehirizina nandritra ny alina izany. Izay mandena ny hafa kosa anefa, dia Andriamanitra mihitsy no handena azy (Oha. 11:25). Ho tanteraka eo amin'ny fiainanao anie izany.

Enga anie ity taona ity ho taom-pitahiana ho anao tokoa.