WFTW Body: 

Ao amin'ny bokin'ny 2 Tantara 3:1, dia izao no vakiantsika " Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tao an-tendrombohitra Moria ". Ny tendrombohitra Moria no toerana nanoloran'i Abrahama an'Isaka zanany ho fanatitra ho an'Andriamanitra (Genesisy 22). Teo amin'io tendrombohitra io no nahafantaran'i Abrahama fa ny lalan'Andriamanitra dia lalan'ny fahafoizan-tena ary nankatoavin'i Abrahama izany. Nohamasinin'Andriamanitra io tendrombohitra Moria io ary notendreny fa eo amin'io toerana io mihitsy no haoriny ny tranony afaka 1000 taona aty aoriana. Ary mbola eo no aorin'Andriamanitra ny Tranony (ny Fiangonany) mandraka ankehitriny, na aiza na aiza no ahitan'Andriamanitra olona manana ny fanahin'i Abrahama sy ny finoan'i Abrahama. Ny teny nambaran'i Abrahama teo amin'ny tendrombohitra Moria dia naneho fifanoherana tanteraka tamin'ny teny nolazain'i Adama sy Eva tamin'Andriamanitra tao Edena.

Rehefa nihinana ny voankazo voarara tao Edena i Adama sy Eva dia tahaka ny niteny tamin'Andriamanitra hoe ny zavatra noharianao no ankafizinay kokoa noho Ianao Ilay Mpahary. Ary izany indrindra no lazain'ny olombelona an'apitrisany maro amin'Andriamanitra na dia amin'izao andro izao aza. "Manaja sy manompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao" ( Romana 1:25). Fa teo an-tendrombohitra Moria kosa, dia ny nifanohitra tamin'izany no nolazain'i Abrahama : Ny Andriamaniny sy ny Mpanao azy no sarobidy kokoa tamin'i Abrahama noho ny zavatra nankafiziny indrindra tety an-tany (Isaka). Ary vonona ny hanao sorona an'i Isaka izy mba hanaporofoany izany. Homen'Andriamanitra voninahitra ny olona rehetra mivelona araka ny fitsipiky ny fahafoizan-tena. Ankehitriny dia amin'ny alalan'ireo olona manaraka izany fitsipika izany no anorenana ny tena tranon'Andriamanitra.

Teo amin'ny havoanan'i Kalvary, dia tsy vitan'ny hoe maty noho ny fahotan'izao tontolo izao fotsiny Jesosy, fa teo no nanehoan'i Jesosy ny fitsipiky ny fahafoizan-tena, izay anatanterahan'Andriamanitra ny asany rehetra. Tsy misy fomba hafa ankoatr'izany ahafahana manompo ny Tompo. Ny olona izay mitady fiainam-piadanana eto amin'ity izao tontolo izao ity no sady mitady hanorina ny fiangonana, dia mamita-tena foana. Ny olona izay sady mitetika ny hahazo ny tsara indrindra eto amin'ny tontolon'ny nofo no te hahazo ny tsara indrindra ao amin'ny tontolon'ny fanahy dia efa voafitak'i Satana tanteraka. Betsaka no efa niezaka nanompo an'Andriamanitra tsy narahina fahafoizan-tena. Kanefa ny asa rehetra niezahan'izy ireny natao dia tsy nisy vanona na iray aza !!

" Tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy " (Efesiana 5:25). Raha te-hanorina ny fiangonana isika dia tsy maintsy tia ny fiangonana tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana koa. Tsy ampy ny manome ny volantsika na ny fotoanantsika fotsiny. Tsy maintsy atolotsika ny TENANTSIKA, izany hoe ilay fiainantsika.

Rehefa te-hanazava ny fitiavany ny olombelona Andriamanitra dia fitiavana anankiray ihany no azony nampitahana an'izany tety an-tany, dia ny fitiavan'ny reny ny zanany vao teraka (Jereo Isaia 49:15). Raha mandinika reny anankiray ianao dia ho hitanao fa ny fitiavany ny zanany dia feno ny fanahin'ny fahafoizan-tena. Hatramin'ny vao mangiran-dratsy mandra-pahamaizin'ny andro ary mandritra ny alina manontolo, dia mahafoy tena, mahafoy tena ary mahafoy tena ho an'ny zanany ny reny. Ary tsy ahazoany tambiny izany. Isan-taona dia miaritra ny fahoriana sy ny fahasahiranana noho ny zanany izy, ataony amin'ny fifaliana izany ary tsy anantenany valiny. Ny reny dia tsy miraharaha na mahafoy tena ho an'io zanany io ny olon-kafa manodidina azy na tsia. Am-pifaliana no hahafoizany ny zavatra rehetra. Dia toy izany koa, ny olona izay manao ny fiangonana ho zanany kely dia tsy hiraharaha na mahafoy zavatra ho an'ny fiangonana ny olon-kafa manodidina azy na tsia.

Tahaka izany koa ny fomba itiavan'Andriamanitra antsika. Ary izany koa no toetra tian'Andriamanitra ampitaina aty amintsika. Kanefa tsy hahita mihitsy isika eto an-tany fiombonan'ny mpino ka azo lazaina marimarina hoe ny olona rehetra ao dia mifankatia amin'izany fomba izany. Ny ankamaroan'ny mpino dia tsy tia afa-tsy ny olona miombon-kevitra aminy sy ny olona miditra ao amin'ny vondrona misy azy ihany. Fitiavan'olombelona ny fitiavan'izy ireo ka lavitra dia lavitra ny fitiavana feno fahafoizan-tenan'ny reny !!