Miresaka betsaka momba ny fanekena fahefana ny Apostoly Petera ao amin'ny boky voalohany nosoratany. Ny olona miaina ny tena fahasoavan'Andriamanitra ao amin'ny fiainany dia hanaiky fahefana mandrakariva na aiza na aiza toerana alehany. Tsy hampaninona azy mihitsy izany hoe manoa fahefana izany. Ny ota dia nipoitra avy tamin'ny fikomiana, efa ela be talohan'ny namoronana an'i Adama. Niodina ka tsy nanoa an'Andriamanitra ny arkanjely ambony indrindra noho izany dia tonga Satana avy hatrany izy. Ny antony ilazana hoe "ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana" (1Samoela 15:23) dia satria ny fanahy miodina sy maditra dia mampifandray ny olona amin'ny fanahy ratsy, tahaka ny ataon'ny sikidy. Nandresy an'i Satana i Jesosy noho ny fomba fiainany nifanohitra tanteraka tamin'izany. Nanetry tena Izy ka nidina tety an-tany noho ny fanekeny tanteraka ny Rainy. Ary tety an-tany dia nanaiky sy nanoa an'i Josefa sy Maria, izay olona tsy tonga lafatra Izy, nandritra ny 30 taona, satria ireo no fahefana notendren'ny Ray any an-danitra ho toaviny. Ny olona efa miaina ny tena fahasoavan'Andriamanitra ao amin'ny fiainany dia efa voavonjy ao amin'ny fanahiny ka afaka amin'ny fanahin'ny fikomiana. Raha mampalaina anao ny manaiky fahefana dia mila vonjena ny ao amin'ny fanahinao.
Antsoina isika kristiana mba hanaiky izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, na ny mpanapaka sy ny sisa (1 Petera 2:13,14). Tamin'izany andro izany dia i Néron no emperora romana ary mpanjaka anisan'ny ratsy fanahy indrindra nanjaka tao Roma izy sady nanenjika sy namono nahafaty ny kristiana. Na izany aza dia tsy hoe nasain'i Petera nanaiky an'i Néron fotsiny ny kristiana fa noteneniny koa "hanaja ny mpanjaka" (1Petera 2:17). Nilaza koa i Petera fa isika dia tsy maintsy "manaja ny olona rehetra" (1Petera 2:17). Tao ambanin'ny fanekena taloha dia nasain'ny lalàna najaina ny fotsy volo sy ny anti-panahy (Levitikosy 19:32). Fa ao amin'ny fanekena vaovao kosa isika dia asaina manaja ny olona rehetra. Efa nampiakarina ho ambony kokoa ny fenitra rehetra ao ambanin'ny fanekena vaovao. Tao ambany fenekena taloha dia tsy maintsy nandoa 10 isan-jato ho an'Andriamanitra ny olona. Ao amin'ny fanekena vaovao dia tsy maintsy omentsika avokoa izay rehetra ananantsika (Lioka 14:33). Tao ambany fanekena taloha dia andro anankiray no tsy maintsy nohamasinina (ny Sabata). Ao ambany fanekena vaovao dia tsy maintsy atao masina avokoa ny andro rehetra. Tao ambany fanekena taloha dia tsy maintsy natokana ho an'Andriamanitra ny zanaka lahimatoa. Ao amin'ny fanekena vaovao dia ny zanatsika rehetra no tsy maintsy atokantsika ho an'Andriamanitra. Ho an'ny olona efa miaina ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'ny fiainany dia tsy ho sarotra aminy ny manome voninahitra ny olona rehetra. Tokony ho tonga mpanompo tahaka an'i Jesosy isika ka ho faly manome voninahitra ny olona rehetra sady "manao ny namany ho mihoatra noho ny tenany" (Filipiana 2;3).
Avy eo dia niresaka manokana tamin'ireo mpanompo i Petera ary nasainy nanaiky ny tompony izy ireo. Ny apostoly rehetra dia samy nampianatra ny mpanompo hanaiky ny tompony avokoa. Ny kristiana izay manana toe-panahy miodina tsy manaiky fahefana ao amin'ny toerana iasany dia vavolombelona tsizarizary ho an'i Kristy. Ny mpianatra kristiana izay tsy manoa ny mpampianatra azy na any amin'ny sekoly na any amin'ny oniversite dia vavolombelona tsy lavorary ho an'i Kristy koa. Ny kristiana tahaka izany dia tsy mahafantatra velively ny "tena fahasoavan'Andriamanitra". Mbola tsy takatry ny sainy fa tonga Jesosy ary nanaiky sy nanoa ray aman-dreny tsy tonga lafatra nandritra ny 30 taona. Izany no lesona tokony ianarantsika rehetra. Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fanajana rehetra. Na miasa any amin'ny birao ianao na any amin'ny orinasa, sekoly, hopitaly sy ny sisa dia tsy maintsy maneho fanajana ny olona eo amboninao ao amin'io toerana io.
Tsy maintsy ampianarintsika manaja mpampianatra ny zanatsika ary tsy avelantsika hikambana amin'ireo ankizy hafa mpananihany mpampianatra. Ny mpiasa dia tsy maintsy mianatra manaja ny mpampiasa, na tsara sy malemy fanahy ilay mpampiasa na mora tezitra. Mora ny manaiky mpampiasa tsara sy malemy fanahy fa ny kristiana efa miaina ny "tena fahasoavan'Andriamanitra" ao amin'ny fiainany dia hanaiky ny mpampiasa saro-po koa (1Petera 2:18). Amin'ny fanekenao mpampiasa lozabe no hampamiratra ny fahazavana kristiana ao anatinao. Tsy fantatra loatra raha mirehitra ny labozia anankiray raha eo amin'ny tara-masoandro. Fa amin'ny alina kosa dia hitan'ny rehetra ny fahazavany. Dia toy izany koa, ny fahazavan'ny kristiana dia mamiratra indrindra rehefa ao anatin'ny tontolo maizina izy.
Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana hianareo ka mandefitra amin'izany ? Fa raha tàhiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra (1Petera 2:20). Ny fitondrana fahoriana tsy ara-drariny dia anisan'ny lohahevitra lehibe ao amin'ny taratasin'i Petera. Manohy ny teniny Petera hoe tahaka izany koa no nitondran'i Jesosy fahoriana. Nijaly tsy ara-drariny Izy ary namela fianarana ho antsika mba hanarahantsika ny diany. Koa eto isika dia antsoina mba "hanaraka ny diany, izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany, raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva, raha nijaly dia tsy nandrahona fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina" (1Petera 2;21-23). Izany koa no fitondran-tena ananan'ny kristiana izay mahafantatra ny "tena fahasoavan'Andriamanitra".