WFTW Body: 

Ny fihetsiky ny olona amin'Andriamanitra sy amin'ny asa fanompoana, rehefa ny nofo no ivon'ny fiainan'ilay olona, dia mampiseho fa baikoin'ny fombafomba sy ny lalàna izy na légaliste. Miezaka manompo an'Andriamanitra ny nofo. Mety ho mazoto be amin'ny fanompoana ataony koa izy, kanefa dia fanompoana baikoin'ny fombafomba sy ny lalàna ihany izany. Mitady valisoa amin'ny fanompoana ataony ho an'Andriamanitra izy. « Izay ela izay aho no efa nanompo anao », hoy ilay lahimatoa tamin-drainy « nefa izaho tsy mbola nomenao na zanak'osy aza ». Mba hahazoana valisoa no nanompoany ny rainy hatramin'izay, fa tsy hita taratra izany raha tsy tamin'ity fotoana ity. Rehefa latsaka an-katerena izy vao nivoaka ny marina.

Tahaka izany ny nofo rehefa manompo an'Andriamanitra : tsy an-kalalahana, tsy an-kafaliana, tsy an-tsitrapo, fa amin'ny fanantenan-javatra. Mety ho fitahiana ara-panahy na valisoa ara-panahy no andrandrainy avy amin'Andriamanitra. Kanefa na dia ireny aza no manesika azy hanao ny fanompoana dia baikoin'ny fombafomba sy ny lalàna izany ary tsy azon'Andriamanitra ekena.

Ilay zanaka lahimatoa dia nihevitra mihitsy fa ny rainy dia sady masiaka no ratsy fanahy satria tsy nanome valisoa ho takalon'ny nanompoany azy nandritra ireo taona maro. Ity zanaka lahimatoa ity dia nitovy tamin'ilay lehilahy nomena farantsa anankiray, izay tonga ka nanao tamin'ny tompony hoe « Tsy nokitikitihako mihitsy ny farantsanao (tsy nampiasaiko mba hahazoana tombony). Fa natahotra aho (sao dia takianao amiko ny tombony) satria olona sarotra ifampiraharahana be ianao» (Lioka 19:21 Baiboly Living). Ny nofo dia mihevitra fa Andriamanitra dia sarotin-javatra be sady tsy mety afapo. Hany ka na dia mikely aina fatratra aza ny nofo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra dia mbola manamelo-tena satria tsy mahatanteraka izay zavatra takian'ilay Andriamanitra masiaka be.

Tsy karazana fanompoana tahaka izany no andrasan'Andriamanitra amintsika. Izao no lazain'ny Baiboly « Fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra » ( 2 Kor. 9:7). Amin'ny resaka fanompoana koa dia tian'Andriamanitra ny olona manompo Azy amin'ny fifaliana, fa tsy ny olona manompo tsy fidiny na voatery manompo. Aleon'Andriamanitra tsy misy toy izay fanompoana tsy amin'ny fo. Raha fanantenan-javatra no anompoan'ny olona anankiray, tsy ho ela akory dia himonomonona amin'Andriamanitra izy fa hoe tsy ampy ny fitahiana azony. Vao mainka hiharatsy aza ny toe-javatra raha misy olona izay voatahy bebe kokoa noho izy.

Efa mba nampitaha ny asa vitantsika na ny fitahiana noraisintsika tamin'ny an'ny hafa ve isika ? Izany dia tsy inona akory fa vokatry ny fanompoana baikoin'ny fombomba sy ny lalàna. Indray mandeha Jesosy dia nanao fanoharana ny amin'ireo mpiasa tanimboaloboka izay nirahina hiasa tamin'ny ora samy hafa. Rehefa hariva ny andro dia samy nomen'ilay mpampiasa denaria iray avy izy rehetra. Ireo izay niasa naharitra ela indrindra dia tonga ka nimonomonona tamin'ilay mpampiasa hoe « nahoana izahay no omenao karama mitovy amin'ireo olona ireo ? Mendrika hahazo bebe kokoa izahay ». Karama no antony niasany, ary rehefa nomena azy ireo izay nifanarahana taminy, dia nimonomonona izy satria tsy tokony ho nitovy tamin'izay noraisiny no noraisin'ireo hafa (Matio 20:1-16).

Tsy misy valaka amin'izany ilay hitantsika nataon'ilay zanaka lahimatoa « Nahoana no omenao ny zandriko lahy ireo rehetra ireo. Izaho anie no nanompo anao tsy niala teto hatramin'izay fa tsy izy e ».

Rehefa nanao ny fanompoany an'Andriamanitra tahaka ny fanaovana asa mafy ny zanak'isiraely dia nalefan'Andriamanitra ho babo araka izay efa nampitandremany azy ireo : « Satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoravoam-po ianao ….,any... no hanompoanao ny fahavalonao » (Deo. 28:47). Tsia. Tsy sitrak'Andriamanitra ny fanompoana baikoin'ny fombafomba sy ny lalàna.

Ireo kristiana izay manao ny nofo ho ivom-piainany matetika dia manompo an'Andriamanitra mba hahatonga ny hafa hihevitra azy fa olona tena ara-panahy. Tsy ny fitiavana an'i Kristy izay tokony ho fitiavana madio sy mivaivay no mampazoto azy hanao ny raharaham-piangonana, fa ny tahotra sao heverin'ny olona hoe tsy ara-panahy raha tsy manao na inona na inona. Ary rehefa mifidy izay fomba mora hahazoana vola ho an'ny tenany ireny olona ireny, dia miezaka izy ireny avy eo handresy lahatra ny olona rehetra fa Andriamanitra no nitondra azy tamin'izany lalana izany. Inona moa no ilàn'izy ireo fanamarinan-tena raha tsy misy tahotra miafina hoe sao heverin'ny olona fa efa nidina ny ara-panahiny ! Rarin-tsaina sy fanandevozana toy inona re no hita ao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra tahaka izany.

Fifaliana sy fahafahana manahoana kosa no hita ao amin'ny fanompoana vokatry ny fitiavana an'i Kristy ! Ny fitiavana no menaka izay mampandeha tsara ny moteran'ny fiainantsika mba tsy hampipoapoaka na hampidridridridry azy ! Jakoba dia niasa mafy nandritra ny fito taona mba hahazoany an-dRahely. Ary lazain'ny Baiboly fa tahaka ny andro vitsy foana teo imasony ireo fito taona ireo noho ny fitiavany azy (Gen. 29:20). Dia ho tahaka izany koa ny hitranga amintsika rehefa manompo an'Andriamanitra noho ny fitiavana isika. Tsy hisy rarin-tsaina ary tsy hisy havizanana be.

Ampianarin'ny Baiboly fa ny fifandraisan'i Kristy amin'ny fiangonany dia mitovy amin'ny fifandraisan'ny mpivady. Inona moa no tena andrasan'ny lehilahy voalohany indrindra amin'ny vadiny ? Tsy ny hanompo azy tsy akory. Tsy ny hahandro sakafo sy ny hanasa lamba akory ny zava-dehibe indrindra nanambadiany. Ny tena zavatra iriny avy amin'ny vadiny voalohany indrindra dia ny fitiavany. Raha tsy ao ny fitiavana dia tsy ilaina koa ny zavatra hafa rehetra. Dia izany koa no tadiavin'Andriamanitra amintsika.