WFTW Body: 

1. Mandosira

Ny fomba tsara indrindra handresena ny fakam-panahy dia ny miala sy mandrositra an'izany, tahaka ny nataon'i Josefa (Gen. 39:7-12). Alaviro ny toerana sy ny olona rehetra izay manome fakam-panahy anao mafy sy manao izay hampahalemy anao. Jesosy dia nampianatra antsika hivavaka hoe 'Aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy'. Any amin'ny mandrakizay dia hisaotra tena ianao raha izany no nataonao tety an-tany. Na dia mbola eto ambonin'ny tany aza, rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hisaotra tena ianao raha alavirinao ireo toerana na olona izay manome fakam-panahy anao mihoatra noho izay azonao resena. Ny fialanao amin'ny toerana sy ny olona tahaka izany no fomba hanaporofoanao amin'ny Tompo fa ny hahafaly Azy irery ihany no tena ilofosanao. (Vakio Ohabolana toko faha 7 mifandraika amin'izany. Tena toko tsara ho vakian'ny tovolahy indraindray io).

Mandosira ny fisakaizana akaiky loatra amin'ny lehilahy raha vehivavy ianao na amin'ny vehivavy raha lehilahy ianao. Mandosira ny famakiana boky ( sy tranonkala) izay miteraka sy mampirongatra ny filànao. Mandosira na dia ny fandaniam-potoana amin'ny fijerena fandaharana tsy mahasoa amin'ny fahitalavitra aza. Ny fihainoana fosafosa, ny fihainoana zava-dratsy, ny famakiana zava-dratsy, ary ny fijerena zava-dratsy, dia hahatonga anao hanam-pahaizana momba ny zava-dratsy fotsiny. Kanefa inona moa no ilànao izany fahalalana maloto izany? Tsy hanao afa-tsy handoto anao sy hamotika anao izany. Tsy maintsy tampenanao ny sofinao sy ny masonao, manomboka izao, amin'ny fahalalana tahaka izany. Ny fahafantaranao ny zava-dratsy ataon'ny hafa dia tsy hahatonga anao ho olon-kendry akory. Ny Baiboly dia mananatra antsika mba ho tonga 'tahaka ny zazabodo raha amin'ny lolompo (amin'ny zava-dratsy)' (1 Kor.14:20) . Ny fisainan'ny zaza dia madio tsy misy zava-dratsy. Ary ny vaovao mahafalin'ny Filazantsara dia izao, na dia efa nandany taona maro nandoto ny fisainantsika tamin'ny fahalalana ny ratsy aza isika, ankehitriny kosa, raha tena maniry ho afaka amin'izany isika dia afaka manampy antsika ny Fanahy Masina hananantsika fisainana madio tahaka ny an'ny zaza indray. Izany ny zavatra azon'ny fahasoavan'Andriamanitra atao ho antsika. Deraina ny Tompo! Isika dia nantsoina mba ' ho hendry amin'izay tsara ary tsy hiharo amin'izay ratsy' (Rom. 16:19) . Noho izany dia angataho ny Fanahy masina haneho aminao ny fomba niainan'i Jesosy. Ary dia ho fantatrao ny atao hoe 'hendry amin'izay tsara'.

2. Mitomania

Raha lavon'ny fahotana ianao dia tsy maintsy manenina sy mitomany eo no ho eo ihany ary tsy maintsy mitady famelan-keloka. Raha tsy izany dia hanomboka hamaivaninao ny ota, ary hihasarotra aminao ny haharesy izany. Koa isan'andro dia aza avela hisy ota tavela mbola tsy navelan'Andriamanitra. Tsy maintsy ianaranao ny miaiky ny fahotana, ny mahafoy ny fahotana sy ny mibebaka amin'izany, raha vantany vao fantatrao fa tsy mahatanteraka ny fitsipik'Andriamanitra ianao na aiza na aiza. Raha mitomany ianao isaky ny lavom-pahotana, dia mampiseho amin'Andriamanitra izany fa tena mangetaheta fiainana mandresy ny ota ianao. Noho izany ary, na oviana na oviana ianao no mahatsiaro korontana kely ao anatin'ny fieritreretanao momba an'itsy zavatra itsy na iroa, dia ataovy izay hilaminan'izany avy hatrany. Miaike ny fahotanao amin'Andriamanitra eo no ho eo ihany, na dia fahadisoana any anatin'ny eritreritrao aza. Mifonà amin'ny olona raha ilaina. Ary amin'izany dia hahita an'Andriamanitra mampahery anao amin'ny fomba mahery vaika ianao.

3. Mahareta

Izany no tsiambaratelon'ny fandresena. Tohizo foana izany, tahaka ny mpianatra izay miezaka manao ny entimodiny mandra-pahavitany azy. Raha alaim-panahy ho kivy ianao dia mpahazo ny olona rehetra izany, kanefa aza mamoy fo. Andriamanitra efa nanao drafitra tonga lafatra ho an'ny fiainanao talohan'ny nahaterahanao (Sal. 139:16). Aza avelanao hanimba izany i Satana. Na ho mora na ho sarotra dia mijoroa ho an'ny Tompo. Jesosy dia nilaza tao amin'ny Jaona 14:30 fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ao aminy izy. Ankehitriny isika dia nantsoina handeha araka ny nandehanan'i Jesosy. Rehefa manatona anao Satana, dia tsy mahazo mahita na inona na inona ao aminao izy. Koa tsy maintsy 'mikely aina koa ianao mba hanana fieritreretana tsy manameloka anao na amin'Andriamanitra na amin'olombelona' (Asa 24:16) . Tsy maintsy mitady an'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra ianao mba hanampiany anao hanana fiainana tsy misy ota fantatra (na fantatra fa ota). Ny fanekenao hanao izay tian'ny filànao dia hanome toerana an'i Satana eo amin'ny fiainanao. NyRomana 6:1 dia mametraka izao fanontaniana izao : 'Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika?'. Avy eo nyRomana 6:15 dia manontany hoe ' Hanota ve isika na dia indray mandeha aza?'. Ny valin'ireo fanontaniana anankiroa ireo dia manakoako 'Tsia, sanatria izany'. Ny fakam-panahy sy ny fahalavoana dia tsy hiala eo amin'ny fiainantsika mandra-pahafatintsika. Kanefa rehefa afaka elaela dia azonao atao ny mandresy ny ota fantatra, ary aorian'izany dia hihavitsy hatrany ireo fahalavoanao.