WFTW Body: 

1. Ny fitiavana maneho fankasitrahana :

Misy boky iray manontolo mikasika ny fitiavam-bady nampidirin'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly dia ny Tononkiran'i Solomona. Eritrereto fa izao no lazain'ilay lehilahy amin'ny vadiny ao amin'ny Tononkiran'i Solomona (avy amin'ny andininy samy hafa ao amin'ny Baiboly dikanteny The Message) :

«Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako, tsy manam-paharoa ianao sady tsy misy kilema. Mahafinaritra toy ny fahitana mampientan-kafaliana ianao. Mamy ny feonao ary mahafinaritra ny endrikao. Endrey ! Tsara sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao ! Paradisa ianao. Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an'ila ka raiki-pitia aho. Tsapako ny fihetsehan'ny faniriana ato anatiko rehefa mahita anao aho, babonao tanteraka aho. Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko ! Tsy misy tahaka azy eto ambonin'ny tany, tsy nisy ary tsy hisy intsony. Tsy manam-paharoa ianao » .

Ary henoinao indray izay lazain-dravehivavy vadiny. Izao no navaliny azy :

« Eny tsara tarehy ianao ry malalako, notsongaina tamin'ny alinalina. Tsy misy toa anao. Ny lohanao dia toy ny tena volamena tsara, ny molotrao dia toy ny tanim-boninkazo. Mamy dia mamy ny vavanao, eny, maha te ho tia avokoa izy. Ny teninao dia toy ny oroka ary ny orokao dia teny avokoa. Mahafaly ahy ny momba anao. Mampientan-kafaliana ahy hatrany ianao, maniry anao dia maniry anao fatratra aho. Ory aho rehefa tsy eo ianao. Rehefa hitako ianao dia hosakambiniko sy hofihiniko mafy. Tsy avelako handeha ianao. Ahy ny malalako ary azy aho. Ianao irery no olon-tiako ary ianao irery no lehilahy amiko » .

2. Ny fitiavana malaky mamela heloka

Ny fitiavana dia tsy mora manameloka fa malaky mamela heloka. Hisy foana ny olana eo amin'ny mpivady tahaka ny an'ny fanambadiana rehetra. Kanefa raha odianao tsy hita ireny olana ireny dia azo antoka fa hirongatra (Izany hoe, raha ataonao AMBANIN-javatra ireny ka tsy vahanao avy hatrany, dia vao mainka ho ratsy be). Noho izany dia aoka ianao halaky hamela heloka sy halaky hifona. Aza miandry hoe rahariva vao hanao an'izany. Raha voatsindron'ny tsilo ny tongotrao amin'ny maraina, tsy eo no ho eo ihany ve no hanesoranao an'iny. Tsy hiandrasanao rahariva izany. Raha nandratra ny vadinao ianao, nanindrona azy tamin'ny tsilo, dia esory eo no ho eo ihany izany, aoka ianao hifona aminy avy hatrany, ary avelao eo no ho eo ihany koa ny fahadisoany.

3. Ny fitiavana mazoto manao zavatra miaraka amin'ny vady

Ho hafa mihitsy ny tantaran'ny zanak'olombelona raha tamin'ny nakan'ny devoly fanahy an'i Eva tao an-jaridainan'i Edena no novalian'i Eva fotsiny hoe « Avelao aho aloha hanontany ny hevitry ny vadiko alohan'ny handraisako fanapahan-kevitra ». Eny mantsy, ho hafa dia hafa tokoa ny tantara raha izany no nitranga. Tadidio fa ny fototra nipoiran'ny olana rehetra misy eto amin'izao tontolo izao dia satria nisy vehivavy anankiray naka fanapahan-kevitra samirery, kanefa nomen'Andriamanitra vady azony nifampiresahana talohan'ny nanapahany hevitra. Ny tena fitiavana dia miaraka manao zavatra. Tsara foana ny roa noho ny iray.