WFTW Body: 

Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tanany ny vato fisaka roa. Tao amin'ny vato fisaka anankiray no nanoratana ny didy efatra voalohany izay mifehy ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra. Tao amin'ilay vatofisaka anankiray kosa no nosoratana ireo didy enina hafa izay mifehy ny fifandraisan'ny olona amin'ny samy olona.

Nolazain'i Jesosy Tompo fa azo fintinina ho didy roa ireo vato fisaka roa ireo. Ny voalohany, " Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra ", ary ny faharoa : "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ( Matio 22:37,39)

Samy nantitraterin'i Jesosy tao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo koa ireo didy roa ireo. Ireo fangahatana telo voalohany dia mifandraika amin'ilay didy voalohany. Ary ireo fangatahana telo manarakaraka dia mifandraika amin'ilay didy faharoa izay mbola notsindrian'i Jesosy mafy tao amin'ilay didy vaovao nomeny ny mpianany rehefa nilaza Izy hoe " Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa" (Jaona 13:34).

Ny tena mpianatr'i Jesosy dia te hanao an'Andriamanitra ho ivon'ny fiainany tanteraka mihitsy, na mahatsiaro tena izy na tsy mahatsiaro. Izany hoe ny faniriana rehetra ao anatiny dia mifanojo tanteraka amin'ny an'Andriamanitra, ary tsy misy faniriana na tanjona na fanembonana eo amin'ny fiainany izay any ivelan'ny sitrapon'Andriamanitra. Ary etsy an-danin'izany koa dia te hitia tanteraka ny rahalahiny izy, tahaka ny nitiavan'i Jesosy azy.

Mahafantatra mandrakariva anefa ny mpianatry ny Tompo fa tsy tonga lafatra araka izay tokony ho izy ny toe-panahiny amin'ireo lafiny anankiroa ireo. Miezaka hatrany anefa izy hahatratra izany tanjona izany, ary vonona mandrakariva hanefa izay mety ho vidin'izany mba hahatongavany any.

Ny dikan'ny hoe mitia ny namana dia miahy azy ireny. Tsy ho vitantsika ny hiahy ny olona rehetra eto ambonin'ny tany. Andriamanitra irery ihany no manana fahafahana hanao izany. Kanefa araka izay fahafahana eo an-tanantsika no tokony hiahiantsika ireo mpiara-mivavaka amintsika, ary tokony hitombo hatrany izany fahafahana izany.

Tsy eo anefa no anombohantsika azy. Ny dingana voalohany dia ny mitia ny ankohonantsika ao an-tokantrano tahaka ny nitiavan'i Jesosy antsika. Kanefa tsy mijanona eo isika. Mandroso hatrany isika manao izay hitiavana ireo rahalahy sy rahavavy ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, tahaka ny nitiavan'i Jesosy antsika koa.

Ny fahatanterahana dia tanjona izay tratrarintsika eo aloha. Kanefa tsy maintsy manana finiavana isika hahatongavantsika any. Izany no lalana noraisin'i Paoly rehefa nilaza izy hoe " Fa zavatra iray loha no ataoko, manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy " (Filipiana 3:13,14).

Ny fiantson'Andriamanitra any ambony dia ny hanaovantsika an'Andriamanitra ho ivon'ny fiainantsika tanteraka mba hitiavantsika an'Andriamanitra amin'ny fitiavana faratampony indrindra. Ary hitia ireo mpiray finoana amintsika tahaka ny nitiavan'i Jesosy antsika sy ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika.