"Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany"
(Matio 28:18). Tsy maintsy mino aho hoe raha handeha hanatanteraka
izany Iraka lehibe izany aho kanefa tsy mino fa efa nomena an'i Jesosy
avokoa ny fahefana rehetra, dia hiraviravy tanana aho rehefa afaka
kelikely. Mety hahakivy sy hahaketraka tokoa mantsy ny asa fanompoana
kristiana. Tsy ho hitanao eo ny ho eo mihitsy ny vokatry ny asa. Tsy misy
mahita vokatra eo no ho eo na evanjelistra na mpaminany na apôstôly.
Mihoatra noho ny fanabeazana ny zaza ho tonga olon-dehibe izany. Azoko
ijoroana vavolombelona amin'izany ireo taona maro nananganako fiangonana sy
nanabeazako mpino ka niezahako nitarika azy ireny ho amin'ny fahamasinana.
Tena ho kivy isika raha tsy fantatsika fa Ilay naniraka antsika hanao izany
asa fanompoana izany dia Ilay efa nomena ny fahefana rehetra any an-danitra
sy ety an-tany. Izy no nanohana ahy tamin'izany fahefany izany.
Koa tahaka izao no fijereko ny tapany faharoa amin'ny Hafatra lehibe :
voafono ao anelanelan'ireo fanambarana anankiroa fatratra indrindra
nataon'i Jesosy izy io. Ny voalohany ao amin'ny andininy faha-18
"Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra ety an-danitra sy ety an-tany",
ary ny faharoa dia ny andininy faha-20, "Indro Izaho momba
anareo mandrakariva mandra-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao".
Raha misy mampisalasala ahy ny amin'ireo zava-marina anankiroa ireo dia tsy
hahatanteraka ny tapany faharoa amin'ny Hafatra lehibe aho. Efa hitako
nandritra izay dimampolo taona nanaovako ny asa fanompoana izay fa tena mora
mahakivy mihitsy ny manatanteraka an'io raha tsy resy lahatra isika amin'ny
hoe :
- Ilay naniraka anao dia Ilay efa nomena ny fahefana rehetra any
an-danitra (any amin'ny habakabaka izany hoe any amin'ny lanitra faharoa
izay itoeran'ny devoly) sy ety an-tany (izany hoe eo ambonin'ny olombelona
rehetra ety an-tany). Kristy no manana izany fahefana izany.
- Rehefa mandeha manatanteraka ity tapany faharoa amin'ny Hafatra
lehibe ity aho dia mahazo fampanantenana manokana tena miavaka avy amin'i
Jesosy dia izao : homba ahy mandrakariva Izy.
Misy zava-dratsy anankiray mikasika an'ireo teny fampanantenana anankiroa
mahagaga loatra ireo. Ny kristiana dia manana fahazaran-dratsy mitaky teny
fampanantenana nefa tsy mahafeno ny fepetra takiana amin'izany izy. Ohatra,
raha lazaina aminao hoe "minoa an'i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao"
dia mamaly ianao hoe "Tsy hameno ny fepetra takiana hoe mino an'i
Jesosy Tompo aho kanefa mbola hovonjeny ihany aho", tsy heverinao ve fa
hadalana izany ? Na koa, "Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky
sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika". Raha tsy feno ny fepetra hoe
miaiky ny fahotanao ianao, ahoana moa no mbola ahasahianao mino fa hamela
ny helokao Izy.
Misy fepetra takiana isaky ny teny fikasan'Andriamanitra. Misy teny
fampanantenana ara-nofo, toy ny hoe Andriamanitra mampiposaka ny
masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Mampilatsaka ny
ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina Izy, izay omeny ny olona rehetra
tsy misy fepetra. Fa rehefa mikasika ny teny fampanantenana ara-panahy avy
amin'Andriamanitra kosa dia misy fepetra tsy maintsy fenoina mba
handraisana an'ireny. Manomboka amin'ny famelan-keloka izany. Raha tsy
amin'ny fibebahana sy ny finoana an'i Kristy dia tsy misy olona mahazo
famelan-keloka. Ny fanamarinana dia azo avy amin'ny finoana, ary ny
fahamasinana dia azo avy amin'ny finoana koa. Sady Andriamanitra koa dia tsy
manome ny fahasoavany ho an'ny olona rehetra amin'izao fotsiny tsy misy
fepetra. Tsy manome ny fahasoavany afa tsy ho an'ny olona manetry tena ihany
Andriamanitra. Misy fepetra avokoa takian'ny teny fampanantenana tsirairay.
Koa nahoana moa ny ankamaroan'ny kristiana, izay mahafantatra ny
maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ny fepetra mifamatotra amin'ny teny
fampanantenana any amin'ireo resaka rehetra izay vao avy notanisaiko ireo
no tonga eto amin'ity teny fampanantenana ity hoe "Indro Izaho momba
anareo mandrakariva mandra-pahatonga ny fahataperan'izao tontolo izao",
ka mitaky mafy an'izany kanefa tsy manatanteraka ny fepetra akory ?
Mahazendana ahy mihitsy izany. Ho gaga anefa izy ireo raha itoriako hoe,
azo avela ny helokareo na dia tsy mibebaka sy tsy mino aza hianareo. Raha
miteny aho izao hoe azo avela ny helokareo na dia tsy miaiky ny helokareo
aza ianareo, hilaza izy ireo hoe aza mampihomehy ianao e. Ny Baiboly efa
nilaza fa raha miaiky ny fahotanareo ianareo dia mahatoky sy marina Izy ka
mamela ny fahotanareo, sa tsy izany ? Eny io Baiboly io ihany no milaza koa
hoe homba anareo mandrakariva ny Tompo mandra-pahatonga ny fahataperan'izao
tontolo izao raha mandeha ianareo ka ataonareo mpianatra ny firenena
rehetra ary ataonareo batisa izy ary ampianarinareo hitandrina izay rehetra
nandidian'ny Tompo anareo. Izany no nolazain'ny Tompo. Rehefa avy eo Izy
dia niteny hoe "Indro Izaho momba anareo mandrakariva".
Koa izany teny fampanantenana izany dia nomena manokana ho an'ireo olona
izay mandeha mampianatra ny olona hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy. 50
taona izao no nolaniako niezahako nanatanteraka izany, nampianarako ny
olona hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy tany amin'ny faritra maro
manerana izao tontolo izao, tamin'ny alalan'ny kapila mangirana, ny
internet ary ny asa soratra isan-karazany. Azoko lazaina marimarina fa efa
tena niainako mihitsy ny fanatrehan'Andriamanitra ary nomba ahy ny
fahefan'ny Tompo. Koa te hampahery anao aho hoe minoa ny teny
fampanantenan'Andriamanitra. Hanohana anao ny fahefany raha mandeha
mampianatra ny olona hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy ianao. Atombohy
amin'ny tenanao aloha izany voalohany, dia homba anao mandrakariva Izy.
Anisan'ny vokatra raisin'ny olona rehefa momba azy mandrakariva Jesosy dia
ny fanafahana azy amin'ny fahakiviana, amin'ny fanjoretana sy fanjombonana,
amin'ny karazan-javatra rehetra tahaka izany. Nahoana moa aho no mbola
hanjonitra sy hatahotra raha miaraka amiko mandrakariva Jesosy ? Ny
ankamaroan'ny olona dia mihevitra fa miaraka aminy Kristy kanefa tsy
miaraka aminy akory. Tsy miezaka hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy ilay
olona, tsy mitady hampianatra ny hafa izay nandidian'i Jesosy. Koa misy
fepetra mila fenointsika tokoa mialoha ny itakiantsika izany teny
fampanantenana izany, ary izaho dia mamporisika anao mba hahita tsara
an'izany.