WFTW Body: 

Ny dikan'ny hoe 'Deoteronomia' dia 'lalàna faharoa' (famerenan-dalàna). Ny antony dia satria misy famerenana ireo lafin-javatra maro momba ny lalàna ao. Misy famerenana tantara maro izay efa nosoratan'i Mosesy tao amin'ireo bokiny teo aloha koa ao.

Tsy tokony hampanahirana antsika ny fisian'ny famerenana. Tena ilaina ny famerimberenana mba ho voatazon'ny fahamarinana isika. Izany no antony amerimberenan'Andriamanitra zavatra maro ao anatin'ny Teniny.

Ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda dia voasoratra indroa, ny voalohany dia tao amin'ireo bokin'ny Mpanjaka voalohany sy Mpanjaka faharoa, avy eo dia naverina notantaraina tao amin'ireo bokin'ny Tantara voalohany sy Tantara faharoa.

Nahoana moa no naverina in'efatra ny filazana ny tantaram-piainan'i Kristy ao amin'ny fanombohan'ny Testamenta Vaovao, fa tsy nolazaina indray mandeha ? Marobe ireo zavatra miverimberina ao anatin'ny filazantsara efatra. Misy zavatra sasany aza samy voatantara ao anatin'ireo filazantsara efatra. Tsy maintsy misy antony izany matoa natao.

Maro amin'ireo izay efa voalaza tao amin'ny epistily ho an'ny Efesiana no naverina nosoratana indray ao amin'ny epistily ho an'ny Kolosiana. Koa azontsika tsoahina avy amin'izany fa tsy menatra ny namerimberina ny teniny ireo apostoly.

Misy mpitory izay tsy sahy mamerina ny toriteny izay efa notoriany noho ny fitandroany ny voninahiny. Ny mahatery azy kokoa dia ny fiheveran'ny olona momba azy fa tsy ny toriteny tena ilain'ireo olona mihaino azy.

Naheno aho fa nisy evanjelistra izay nitarika seminera naharitra fito andro tao amin'ny tanàn-dehibe anankiray, ary isan'andro dia lohahevitra iray ihany no notoriany : « Tsy maintsy ateraka indray ianareo ». Dia nisy lehilahy anankiray izay tsy mbola niova fo tao, izay nanatrika ireo fivoriana rehetra ireo ary nankaleo azy ny nihaino zavatra mitovy foana nandritra ny fito andro. Koa dia nandeha nanontany ilay mpitory teny izy hoe : nahoana no isan'andro izao dia izao ihany no torianao « Tsy maintsy ateraka indray ianareo ». Dia hoy ny navalin'ilay evanjelistra « Satria tsy maintsy ateraka indray ianareo ». Izay no valiny. Tsy maintsy naverimberina foana ilay toriteny mandra-pahatongan'ilay lehilahy ho nateraka indray. Tsy nila nihaino zavatra hafa izy. Ny marary dia tsy maintsy misotro ny fanafody antibiotika mandra-pahasitrany !!!

Koa raha manontany ahy izao ianao : nahoana moa ianao no tsy mitsahatra miteny hoe « Tsy maintsy maharesy ny fahotana ianareo », dia manantena aho fa fantatrao ny valiny : « Satria tsy maintsy maharesy ny fahotana ianareo ».

Ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha dia hafatra mitovy ihany no naverimberiny ombieny ombieny satria ny zanak'israely dia nila nandre mazava tsara izay nolazain'Andriamanitra. Ny an'i Jeremia dia azo heverina ho nitovy foana ny hafatra notoriany nandritra ny efapolo taona mahery, ary efa saika leo mihitsy izy namerimberina nitory an'izany. Kanefa matetika ny olona no mila mihaino impolo ny fahamarinana anankiray vao tafalatsaka ao am-pony izany. Noho izany dia tsy tokony hahamenatra antsika mihitsy ny mamerimberina ny toriteny na tsy miova aza ny mpihaino. Raha toa isika ka tena olom-boahosotra dia ho tahaka ny vaovao foana ny toriteny isak'izay averintsika toriana.

Raha ny fankasitrahan'ny olona no tadiavintsika, dia tsy hamerimberina toriteny isika. Fa raha mitady ny fankasitrahan'Andriamanitra kosa isika, dia haverimberintsika ny toriteny mandra-pahazon'ny olona tsara izany.