written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Raha nanomboka nanao fivoriam-bavaka izahay tamin'ny namoronana ny fiangonanay voalohany dia tsy nahita fandresena, na teo amin'ny fiainanay manokana izany na teo amin'ny fiainan-tokantranonay. Rehefa nijery ireo mpino hafa izahay dia nahita fa tsy nahita fandresena tahaka anay koa izy ireny. Koa tsy nandeha nitady fanampiana tany aminy izahay. Noho izany dia nifady hanina sy nivavaka matetika ny fiangonanay ary nangata-baliny tamin'Andriamanitra. Nolanianay tamin'ny fifadian-kanina sy ny vavaka ny ankamaroan'ny andro tsy fiasana. Dia nanomboka nambaran'Andriamanitra taminay tsikelikely ny fahamarinana mikasika ny fanekena vaovao izay notsoahina avy tao amin'ny Teniny izay tsy mbola fantatray hatrizay. Ary rehefa nanomboka nahatakatra ireo fahamarinana ireo izahay dia niha-nahazo fahafahana hatrany, ary voaova tsikelikely ny fiainanay sy ny fiainanan-tokantranonay.

Dia nahatsapa aho fa nanana adidy tamin'ny fitoriana ireo fahamarinana ireo tamin'ny hafa. Nazava tsara tamiko fa nantsoin'Andriamanitra aho hanasongadina ireo fahamarinana ao amin'ny Baiboly izay tsy mba notorian'ny kristiana hafa. Noho izany dia nohenoiko tsara mihitsy ny fampianarin'ny olona hafa nanodidina ahy. Ary hitako tamin'izany izay zavatra niantsoana ahy mba hasongadiko ao amin'ny asa fanompoako.

Ny Filazantsara feno

Efa nandre mpitory teny sasany aho nampiasa ny fitenenana hoe "filazantsara feno". Kanefa rehefa nampitahaiko tamin'ny fampianarin'ny Soratra Masina ny fampianaran'izy ireny dia tsy filazantsara feno velively no notoriany. Ao amin'ny Hebreo toko faha-4, dia faritan'ny Fanahy Masina fa "ny filazantsara" (andininy 2) dia hoe "fidirana ao amin'ny tany Kanana" fa tsy "fandaozana an'i Egypta" fotsiny. Efa novakiako koa fa ny vahoakan'Andriamanitra dia nasaina hiditra ao amin'ny "Sabata fitsaharanan'ny" fandresena (andininy 9). Koa hitako tamin'izany fa ny toriteny momba ny famelan-keloka dia ny antsasaky ny filazantsara fotsiny ihany. Ao anatin'ny filazantsara feno koa dia ahitana ny fandresena ny fahotana (famonoana ireo lehilahy vaventibe ao anatin'ny nofontsika). Rehefa tonga zavamarina azo notsapain-tanana tsikelikely teo amin'ny fiainako izany zavatra izany dia nanomboka nitory ny filazantsara feno tamin'izay aho.

Ny fibebahana

Ny ankamaroan'ny evanjelistra dia nitory fa ny finoana an'i Kristy irery ihany no fepetra tokana takiana mba hahazoana famelan-keloka. Ny fibebahana noho ny heloka natao dia zara raha notoriana. Ary na dia noresahina aza ny fibebahana dia tsy tena nofaritana mazava tsara fa ny fototry ny fahotana dia ny fitiavan-tena, ny fanaovana ny tena ho ivon'ny fiainana ary ny fitiavan'ny olona hanao izay tiany atao. Noho izany dia tsy fantatry ny olona tsara ny zavatra tsy maintsy hankahalainy mba hiodinany hiala amin'izany. Hitako fa ny niantsoana ahy dia ny hampianatra mazava tsara ny fototry ny fahotana mba hahafantaran'ny olona izay tokony hibebahany.

Ny fahatongavana ho mpianatra

Ny ankamaroan'ny olona niova fo dia tsy nampianarina hoe tsy maintsy tonga mpianatr'i Kristy koa anie izy. Ireto ny fepetra anankitelo hahatongavana ho mpianatra (izay efa napetrak'i Jesosy) izay tsy nohazavaina tamin'izy ireo : mitia an'i Jesosy ambonin'ny zavatra rehetra (ambonin'ny ankohonana rehetra), mitondra ny hazo fijaliana (maty ho an'ny Nofo) isan'andro, ary mahafoy ny fananana rehetra (tsy mifikitra amin'ny fananana sy harena ara-nofo) (Lioka 14:26-33). Noho izany dia tena nataoko ambetin-teny mihitsy ireo rehefa nitory aho.

Ny batisan'ny Fanahy Masina

Saika ny antokom-pivavahana rehetra izay nitory ny batisan'ny Fanahy Masina dia nampianatra avokoa fa ny porofon'izany voalohany dia ny "fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra". Kanefa hitako fa ny ankamaroan'ireo olona nampianatra an'izany dia olon'izao tontolo izao sady olona tia vola. Amin'ny lafiny iray indray, dia nahita mpino sasany aho

izay resy lahatra fa avy amin'ny devoly avokoa ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra rehetra. Jesosy anefa dia nampianatra fa ny porofon'ny batisan'ny Fanahy Masina dia ny hery, hery mba ho TONGA vavolombelona (ilazana ny fomba fiaina) fa tsy hery ijoroana vavolombelona fotsiny akory (amin'ny lazain'ny vava) (Asa 1:8). Koa dia notoriako izany. Ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra dia anankiray fotsiny amin'ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy izay nomena ny olona sasantsasany. Noho ny fotokevitra nijoroako nikasika izany resaka izany dia nantsoin'ireo "pentekotista" hoe "evanjelika" aho. Ary ireo tao amin'ny "evanjelika" dia niantso ahy hoe "pentekotista" !! Soa ihany aho fa samy nihataka an'ireo tendrony roa ireo.

(Mbola hitohy…)