written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Ny fanekena vaovao dia fifanarahana nataon'Andriamanitra tamin'ny olombelona, ary "nosoniavina tamin'ny ràn'i Jesosy" ( Heb. 13:20 - Baiboly Living). Ankehitriny àry dia tsy maintsy soniavintsika miaraka amin'ny ràn'ny ain'ny nofontsika izany. Tsy misy afa-tsy izay fomba tokana izay ihany no hahafahantsika miditra ao anatin'io fifanarahana amin'Andriamanitra io. Ary satria marobe ny olona no tsy mametraka ny soniany eo amin'ny banga miaraka amin'ny ràn'ny ain'ny nofony, dia tsy hiditra mandrakizay ao anatin'ny fiainana kristiana mahafa-po izy ireo.

Ny fanekena nifanaovan'i Jesosy tamin'ny Rainy nandritra ny fiainany manontolo dia izao, tsy hampiasa ny Tenany na dia indray mandeha aza i Jesosy hanaovany ny sitrapony (Heb. 10:5). Nanaiky namono ho faty ny sitrapony Izy ary izany no fomba nanaovany sonia ilay fanekena niaraka tamin'ny "" (fanombohana amin'ny hazo fijaliana), dia ny ràn'ny sitrapon'ny nofony. Ankehitriny isika dia nantsoina mba hiombona Aminy ao amin'izany lalana izany koa. Tsy mampiferinaina ny mandeha amin'izany lalana izany. Mifanohitra amin'izany aza, hitondra anao any amin'ny fiainan-tsambatra indrindra azonao iainana izany (tsy misy fiferotan'aina). Io ilay fanekena ambarantsika rehefa atao batisa isika ary rehefa miaraka mandray ny fanasan'ny Tompo.

Ny divay vaovao resahin'i Jesosy ao amin'ny Lioka 5:38 dia milaza ilay fiainan'Andriamanitra azontsika iombonana Aminy ao ambanin'ny fanekena vaovao. Ilay divay taloha dia ilazana fianana ao ambanin'ny Lalàna, izany hoe fiainan'ny didy aman-dalàna. Ireo hazo anankiroa tao amin'ny sahan'i Edena dia sary anehoana ireo fiainana ao ambanin'ireo fanekena anankiroa ireo ihany koa. Mitondra any amin'ny fahafatesana ny fiainana feperana tsy hanota (fiainana tsara ivelany) amin'ny alalan'ireo didy aman-dalàna (tahaka izay hita any amin'ireo antokom-pinoana). Araka ny efa nampitandreman'Andriamanitra an'i Adama mikasika ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny tena fiainana kristiana marina dia fiainana mipoitra avy amin'ny fiombonana fiainana amin'i Jesosy ao anaty ao, izay mampitandrina antsika fa ny zavatra sasany maloto ary ny zavatra sasany madio. Manana safidy malalaka isika, kanefa raha misy zavatra alavirintsika dia tsy noho ny famatoran'ny didy ("aza manendry", "aza manandrana" Col. 2:21) akory, na mba hoe hampihaiky volana ny olona.

Ny siny hoditra vaovao dia milaza ny Tenan'i Kristy izay voaorina rehefa atolotsika ny tenantsika ho fanatitra velona ho Azy isan'andro, ary rehefa angatahintsika Izy hameno antsika amin'ny Fanahy Masina. Mba ho azon'ny Fanahy Masina atao ao anatintsika koa ny asa nataony tao amin'ny tenan'i Jesosy fony Izy tety an-tany. Izany dia mahatonga antsika ho iray amin'ireo olona izay mandeha amin'izany lalana izany koa. Tahaka izany no nanaovana antsika ho tena iray ao amin'i Kristy, dia ny fiangonana, izay toerana anomezany antsika ireo fanomezam-pahasoavana hahafahantsika mifampandroso.

Amin'izany dia torotoro ao ambanin'ny tongotsika i Satana (Rom. 16:20). Rehefa avelantsika hiampanga antsika na hahatonga antsika hanamelo-tena i Satana dia mipetraka eo ambony lohantsika izy izay. Kanefa ny toerana tokony hisy azy dia ao ambanin'ny tongotsika.

Ny famaritana ny fahotana (ao amin'ny Rom. 3:23) dia hoe tsy fananana ny voninahitr'Andriamanitra. Ary ny voninahitr'Andriamanitra dia hita tao amin'ny fiainan'i Jesosy. Koa tadidio fa izay rehetra tsy azontsika atao ao amin'ny fiombonantsika amin'i Jesosy dia fahotana.

Tao ambanin'ny fanekena taloha dia azo nosaronana (tamin'ny ràn'ombilahy sy ny ràn'osilahy) fotsiny ny fahotana, fa tsy azo nesorina (Sal. 32:1,2). Tsy azo nodiovina na nofafana izany. Nisy fahatsiarovana ny ota natao isan-taona (Heb. 10:3,4). Ao ambanin'ny fanekena vaovao kosa dia tsy vitan'ny hoe voadio'ny ràn'i Jesosy avokoa ny fahotantsika rehetra, fa Andriamanitra koa dia efa nampanantena fa tsy hotsarovany mandrakizay izy ireny (Heb. 8:12). Tsy maintsy mazava tsara aminao ny fahasamihafan'ireo fanekena anankiroa ireo.