WFTW Body: 

Tsy afaka hiray am-po amin'ireo olona mampianatra zavatra mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra sy mifanohitra amin'izay nampianarin'i Jesosy isika. Aleo irery miaraka amin'Andriamanitra toy izay miaraka amin'ny besinimaro kanefa tsy misy an'Andriamanitra. Tadidiontsika fa amin'ny ankapobeny, ao amin'ny fivavahana kristiana, dia diso foana ny maro an'isa. Ireto misy ohatra dimy nalaina avy tao amin'ny Tenin'Andriamanitra izay ahitantsika fa :

1- Rehefa niankohoka teo anatrehan'ny ombilahy kely volamena ny maro an'isa, dia nanontanian'i Mosesy hoe iza no hiandany amin'i Jehovah ? Taranaka anankiray monja (taranak'i Levy) no nitsangana teo anilan'i Mosesy. Izany no nanomezana ny asa fisoronana ho an'ny taranak'i Levy ( Exo. 32,33). Ireo maro an'isa (ireo foko 11) dia diso daholo.

2- Ny finiavan'i Saoly hamely an'i Davida olom-boahosotr'Andriamanitra dia nahitany loza. Nomba an'i Saoly ny maro an'isa tamin'ny Isiraely. Andriamanitra kosa dia nomba an'i Davida (1 Sam. 16). Taorian'izany, dia nomba an'i Absaloma koa ny maro an'isa tamin'ny Isiraely, rehefa nanenjika an'i Davida rainy izy. Andriamanitra kosa dia nomba an'i Davida (2 Sam. 15).

3- Ao amin'ny bokin'ny Nomery 13 dia hitantsika fa ny zanak'isiraely dia tonga tao Kadesy-Barnea, manamorona ny tany Kanana, ilay tany nampanantenain'Andriamanitra ho lovany. Efa roa taona izay no nandaozan'ny zanak'isiraely ny tany Egypta (Deo. 2:14), sy nampandehanan'Andriamanitra azy ireo hiakatra sy handova ny tany. Dia naniraka mpisafo tany roambinifolo lahy ny zanak'isiraely mba hizaha ny tany. Rehefa tafaverina izy roambinifolo lahy dia samy nilaza fa ny tany izay nalehany nosafoina dia tany tsara indrindra. Ny folo tamin'izy ireo anefa dia nilaza hoe « Kanefa misy olona goavambe monina ao ary tsy ho resintsika ireo». Ny roa tamin'ireo mpisafo tany kosa, Josoa sy Kaleba, dia namaly hoe « Jehovah no momba antsika, ho resintsika tokoa ireo ». Fa naleon'ireo zanak'isiraely 600 000 nihaino ny tenin'ireo folo lahy maro an'isa.

Inona no lesona tsoahintsika avy amin'izany ? Voalohany indrindra aloha dia tena mampidi-doza tokoa ny manaraka ny maro an'isa, satria ny maro an'isa dia tsy maintsy diso hatrany foana. « Fa tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana ka vitsy no mahita azy » hoy Jesosy. Ny maro an'isa dia mizotra any amin'ny lalana malalaka izay mitondra any amin'ny fahaverezana. Koa raha manaraka ny maro an'isa ianao dia azo antoka fa hiara-hirona aminy any amin'ny lalambe izay mitondra any amin'ny fahaverezana. Aza mieritreritra mihitsy ianao fa ny fiangonana ngezabe dia fiangonana ara-panahy. Tao amin'ny fiangonan'i Jesosy dia tsy nisy mpikambana afa-tsy 11.

Raha misy loholona folo izao milaza zavatra anankiray ary misy loholona roa kosa milaza ny mifanohitra amin'izay, dia iza amin'ireo no hiandanianao ? Teto Andriamanitra dia niandany tamin'ireo anankiroa, dia i Josoa sy Kaleba izany. Ny tsi-finoana sy Satana no niandany tamin'ireo folo lahy. Kanefa dia nanaraka tsy am-piheverana an'ireo maro an'isa ny zanak'isiraely, ary izany no antony nampirenireny azy tany an'efitra nandritra ny 38 taona manaraka. Tsy hainy ny nanavaka na iza no nomban'Andriamanitra na iza ! Rehefa miampy an'Andriamanitra ny olona anankiray dia manjary maro an'isa, ary izaho koa hitsangana eo anilany foana. Hitantsika ao amin'ny bokin'ny Eksodosy toko faha-32 rehefa niankohoka teo anatrehan'ny ombilahy kely volamena ny zanak'isiraely rehetra, dia niandany tamin'ny olona tokana Andriamanitra, dia i Mosesy izany. Kanefa tao amin'ireo taranak'Isiraely roambinifolo, dia ny taranak'i Levy irery ihany no nahatsikaritra fa Mosesy no nomban'Andriamanitra. Eto kosa indray, rehefa niandany tamin'i Josoa sy Kaleba Andriamanitra, na dia ny taranak'i Levy aza dia tsy nahafantatra izany !

Fianarana ho antsika ankehitriny izany rehetra izany. Amin'ny ankapobeny, ao amin'ny fivavahana kristiana dia olona marobe no miroaroa saina sy tia an'izao tontolo izao. Andriamanitra kosa dia manangana olom-bitsy etsy sy eroa, dia olona izay sahy mijoro amin'ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra tsy azo rebirebena. Raha manana fahazavan-tsaina ianao dia ho fantatrao fa Andriamanitra dia momba an'ireo olom-bitsy ireo, ka hitsangana eo anilan'izy ireo ianao hanohitra ny maro an'isa. Hiditra hiaraka amin'izy ireo ao amin'ny tany nomen'Andriamanitra ho lovanao ianao. Ahoana moa ny fomba hamantaranao ny olona izay manana an'Andriamanitra mitsangana eo anilany ? Manao tenim-pinoana izy. Josoa sy Kaleba dia nanao tenim-pinoana hoe : « Ho resintsika ireo ». Ho resintsika ny fahatezerana goavambe, ny filàn'ny nofo goavambe, ny fialonana, ny fimonomononana, sns… Ho resintsika Satana. Andriamanitra hanorotoro an'i Satana ao ambanin'ny tongotsika. Izany no tenim-pinoana ataon'ny olona manana an'Andriamanitra mitsangana eo anilany.

4- Ny finiavan'ny Jiosy handà an'i Jesosy rehefa nidina tety an-tany Izy dia vokatry ny fiparitahan'izy ireo nandritra ny 1900 taona teo ho eo. Ny maro an'isa dia nomba ny Jiosy sy ny Fariseo. Andriamanitra kosa anefa dia nomba an'i Jesosy ary nanangana Azy tamin'ny maty.

5- Ny ankamaroan'ireo sakaizan'i Paoly dia nahafoy azy rehefa akaiky ho faty izy. Ny Tompo kosa anefa dia nitsangana teo anilan'i Paoly hatramin'ny farany (2 Tim. 1:15 ; 4:16-18).