WFTW Body: 

Ao amin'ny tantaran'i Joba, dia hitantsika ny fomba nanaovan'Andriamanitra azy ho olona faraidiny, rehefa navelan'Andriamanitra ho very ny fananany, ho faty ny zanany ary ho simba tanteraka ny fahasalamany. Azo lazaina fa very vady mihitsy aza izy (vady nanorisory azy isaky ny mihetsika), sady very sakaiza anankitelo koa (izay tsy niandany taminy sady nanakiana azy). Ireo sakaizany ireo dia niova ho mpitoriteny fariseo ka faly ery "mamely izay efa lavo". Nitohy "namely" an'i Joba hatrany izy ireo raha tsy ny famindram-pon'Andriamanitra no nampiato an'izany. Tao anatin'izany fahoriana be rehetra nahazo an'i Joba izany, dia nanamarin-tena imbetsaka i Joba. Tamin'ny farany rehefa niresaka taminy ny Tompo, dia hitan'i Joba ny faharatsian'ny fanamarinan-tena nataony, ary dia nibebaka izy. Lehilahy marina i Joba : zavatra tsara izany. Saingy nireharehany izany fahamarinany izany : zava-dratsy izany. Fa rehefa avy niasàn'Andriamanitra kosa izy dia tonga olona torotoro. Nanomboka hatreo dia Andriamanitra irery ihany sisa no nireharehany. Koa dia tontosan'Andriamanitra ny tanjony tamin'i Joba.

Rehefa torotoro Joba, dia jereo izay nolazainy tamin'Andriamanitra " Hatramin'izay dia tamin'ny alalan'ireo mpitoriteny ireo ihany no nandrenesako Anao ; Fa ankehitriny izao kosa dia mifanatri-tava no ahitako Anao" (Joba 42:5) . Nahita ny tavan'Andriamanitra i Joba ary dia narovana ny ainy. Ary inona no vokatr'izany ? Nibebaka teo amin'ny vovoka sy ny lavenona i Joba ( and. 6). Izay tsy vitan'ireo mpitoriteny efa-dahy nandritra ny andro maromaro tamin'ny alalan'ny toriteny dia notontosain'Andriamanitra tamin'i Joba tao anatin'ny indray mipi-maso, tamin'ny alalan'ny fanambarany taminy ny fahamoram-panahiny. Ny fahamoram-panahin'Andriamanitra no nanorotoro an'i Joba sy nitarika azy hibebaka.

Ny ankamaroantsika dia amin'ny alalan'ireo mpitoriteny ao amin'ny fivoriam-bavaka no andrenesantsika ny momba an'Andriamanitra. Kanefa ny zavatra tena ilaintsika dia ny mihaona mifanatri-tava amin'Andriamanitra, amin'izay no hahitantsika ny fahamoram-panahiny izay hanorotoro antsika. Izany koa no zavatra nihatra tamin'i Petera. Tadidinao ve ny zavatra voalohany niseho tamin'i Petera rehefa avy nandà ny Tompo izy ary naneno fanindroany ny akoho ? Nahita ny tavan'ny Tompo izy. Efa nandalo ny Penielany koa i Petera ! Vakiantsika fa " ny Tompo nitodika dia nijery an'i Petera" (Lioka 22:61). Ary inona no vokatr'izany ? " nivoaka i Petera dia nitomany mafy indrindra" (and. 62). Izay fijery feno fahamoram-panahy sy famelan-keloka avy tamin'i Jesosy izay no nanotorotoro ny fo mafin'ity mpanjono. Tao ambany fanekena taloha dia nampanantena fahasalamana sy harena ary fitahiana ara-nofo be dia be ho an'ny zanak'Isiraely Andriamanitra. Kanefa ny fitahiana lehibe sy fatratra indrindra tamin'ireny rehetra ireny dia ilay voalaza ao amin'ny Nomery 6:22 hatramin'ny 26. Ao no amakiantsika fa Arona dia nodidiana hitso-drano ny olona tahaka izao : "Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao ; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana".

Tsy mampahonena ve ny mahita mpino marobe ankehitriny izay mitady fitahiana maivan-danja toy ny hoe fahasalamana sy harena (izay azon'ny olona tsy mpino izay tsy mivavaka ho an'izany akory) ary koa mitady fihetsem-po mampangitakitaka (ny ankamaroan'ireny dia sandoka), nefa ny tokony hokatsahiny dia ny fitahiana fatratra indrindra izay afaka manova tanteraka ny fiainany, dia ilay fihaonana mifanatri-tava amin'Andriamanitra ? Na dia tsy mety manankarena mihitsy aza isika, sady tsy mety sitrana, dia hanome izay rehetra ilaintsika ny Tompo raha mitady ny tavany isika.

Ny vatan'i Joba iray manontolo dia rakotra vay ratsy rehefa nihaona tamin'Andriamanitra izy, kanefa tsy nangataka fanasitranana tamin'Andriamanitra izy. Fa izao no nolazainy : " Efa nahita ny tavan'ny Tompo aho, dia ampy ho ahy izay". Ireo mpitoriteny telolahy izay nihambo ho nanana "fahaiza-mamantatra" sy "teny avy tamin'Andriamanitra" dia samy nilaza tamin'i Joba fa efa nofaizina izy noho ireo fahotana miafina sasany teo amin'ny fiainany. Misy olona manandra-tena ho mpaminany tahaka izany koa amin'izao andro izao, izay milaza hafatra sandoka hoe "Izao no lazain'ny Tompo", ka mitondra ny vahoakan'Andriamanitra ho ao ambany fanamelohana. Kanefa Andriamanitra dia tsy nandrahona an'i Joba tamin'ny fitsarany tahaka ny nataon'izy telolahy nitoriteny ireo.

Andriamanitra dia tsy niresaka akory ireo tsi-fahombiazan'i Joba ary tsy nampahatsiahy azy akory ireo fitarainana nataony (namelezany an'Andriamanitra) fony izy niharan'ny fahoriana mafy. Nanehoan'Andriamanitra ny fahamoram-panahiny fotsiny i Joba, fahamoram-panahy izay hita eo amin'ny hakanton'izao rehetra izao, izay efa noforonina mba hifalian'ny olombelona, fahamoram-panahy izay hita eo amin'ireo biby maro izay efa noforonina mba hanjakan'ny olombelona. Io fanambarana ny fahamoram-panahin'Andriamanitra io no nitarika an'i Joba hibebaka. Maro ny olona no te hahazo tombony amin'ny fahamoram-panahin'Andriamanitra ka manararaotra izany. Fa ny an'i Joba kosa dia nitondra azy ho amin'ny fibebahana izany. Ary taorian'izany dia nitahy an'i Joba avo roa heny mihoatra noho izay efa nananany tany am-boalohany ny Tompo.

Ny tanjona faratampony tian'Andriamanitra hotratrarina amin'ny fanorotoroana antsika dia ny mba hitahiana antsika be dia be, araka izay vakiantsika ao amin'ny Jakoba 5:11. Ny tanjona nokendren'ny Tompo tamin'i Joba dia ny hanamontsana ny fanamarinan-tenan'i Joba sy ny fireharehany, mba hahatonga azy ho olona torotoro, ka hahafahan'ny Tompo mampiseho ny tavany aminy sy mitahy azy be dia be. Na dia ny fitahiana ara-materialy sy ara-batana izay omen'Andriamanitra antsika aza dia manimba antsika sy manalavitra antsika Aminy, raha tsy mahita ny tavan'Andriamanitra isika ao ambadik'ireny. Firifiry ny mpino ankehitriny no mivily miala amin'Andriamanitra noho ny fanambinana ara-nofo.

Ny fahitana ny tavan'ny Tompo indray mandeha dia afaka manafaka antsika amin'ny fitsiriritana ny zavatra rehetra izay aroson'izao tontolo izao.