WFTW Body: 

Mamelà ahy hifampizara aminareo ny amin'ny fifanoloan-toerana nisy teo amin'Andriamanitra sy ny olona. Izany dia niseho teo ambony hazo fijaliana tao Kalvary, tamin'ny sehatra anankitelo. Natao tonga inona moa Jesosy noho ny amintsika ary vokatr'izany dia natao tonga inona ao Aminy isika ankehitriny.

(1) Kristy efa natao ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika (2 Korintiana 5:21).

Izany ilay fahamarinana efa fantatry ny maro hoe fanamarinana amin'ny finoana. Fanomezana maimaimpoana avy amin'Andriamanitra ho an'ireo olona izay fatra-panetry tena izany. Mahatakatra mantsy izy ireo fa tsy ho tratrany na oviana na oviana ny fahamarinana araka ny namaritan'Andriamanitra izany. Tsy vitan'ny hoe nitondra ny otantsika fotsiny Jesosy. Fa tena natao ota mihitsy Izy. Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy fa faran'izay naharikoriko an'i Jesosy izany nanaovana Azy ota izany. Satria mantsy isika dia efa zatra mifampikasoka loatra amin'ny fahotana tahaka ny kisoa efa zatra loto. Mba hahazoantsika an-tsaina kely fotsiny izany fankahalan'i Jesosy ny ota izany dia ohary amin'ny fitsambikinanao ao anaty lava-piringa efa feno izany. Sy ny fampitoviana anao amin'ny loto sy ny diky ao. Maneho manjavozavo amintsika ny halalin'ny fitiavany izany, satria efa natao ota Izy, ilay zavatra halany indrindra, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy isika. Ny fahamarinan'Andriamanitra dia avo lavitra noho ny fahamarinan'ny olona masina indrindra ety an-tany, tahaka ny haavon'ny lanitra noho ny tany. Na ny anjely izay tsy misy ota aza dia tsy afaka nahita ny tavan'Andriamanitra (Isaia 6:2,3). Isika kosa anefa izao dia afaka mahita ny tavany, satria efa ao amin'i Kristy. Rehefa hitantsika miharihary fa tena maharikoriko ny ota, dia manomboka ankahalaintsika izany. Izany ota izany no nanombohana an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana. Ary rehefa hitantsika fa efa novaina ao amin'i Kristy isika, dia hiravoravo isika noho ny fankasitrahana antsika izay tanteraka eo anatrehan'Andriamanitra.

(2) Kristy dia tonga malahelo (mahantra) noho ny amintsika, mba hampanan-karena antsika ny alahelony (2 Korintiana 8:9)

Ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany dia mampiseho fa ny resahina eto dia fahantrana ara-nofo sy harena ara-nofo. Lazain'io andininy io fa efa nanan-karena Kristy. Inona moa no dikan'izany hoe « manan-karena » ? Ny atao hoe manan-karena dia tsy hoe manana vola sy fananana be, fa kosa manana izay ilaina ary mbola manana amby ampy hanampiana sy hitahiana ny hafa. Tian'Andriamanitra hanana izany isika rehetra. Ny hoe manan-karena dia nambaran'ny Apokalipsy 3:17 fa « tsy manan-java mahory ». Izany no maha mpanan-karena an'Andriamanitra. Andriamanitra tsy manana volafotsy na volamena na vola any amin'ny banky, tsy manana poketra asiana vola madinika akory Izy. Kanefa dia tsy manan-java mahory Izy. Jesosy koa fony Izy tety an-tany dia nanan-karena tahaka izany. Nahavita namahana olona 5000 lahy Izy, ankoatra ny vehivavy sy ny ankizy. Olona mpanan-karena ihany no mahavita zavatra toy izany amin'izao androntsika izao. Nanana vola nandoavany ny hetrany Izy. Ny naha samy hafa azy fotsiny dia izao, ny an'ny olona dia vola any amin'ny banky no sintonina handoavana ny hetra. Ny an'i Jesosy kosa dia avy ao am-bavan'ny trondro no nosintoniny ny vola. Nanana ambim-bola koa izy nanampiany ny mahantra (Jaona 13:29). Tsy nahantra Izy tety an-tany, satria tsy nanan-java mahory Izy. Kanefa dia tena tonga nahantra Izy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny mpangataka fadiranovana indrindra hitantsika dia mbola mitafy rovitr'akanjo ihany. Kanefa na dia rovitr'akanjo aza dia tsy nananan'i Jesosy rehefa nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana Izy. Tena nahantra tanteraka Izy tamin'ny fahafatesany. Nahoana moa no natao nahantra Izy teo amin'ny hazo fijaliana ? Mba hampanan-karena antsika, mba hahatonga antsika ho « tsy manan-java mahory » intsony eo amin'ny fiainantsika. Andriamanitra tsy mba nampanantena antsika hanome izay tiantsika. Na ny ray aman-dreny manam-pahendrena aza dia tsy hanome izay rehetra tian'ny zanany. Nampanantena antsika kosa anefa Andriamanitra fa hanome izay rehetra tokony ho antsika (Filipiana 4:19). Raha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany no katsahintsika voalohany, dia ho azontsika foana izay zavatra rehetra ilaintsika amin'ny fiainantsika ety an-tany.

(3) Kristy tonga voaozona hamonjy antsika, mba ho tonga amintsika ny fitahiana an'i Abrahama (fampanantenana ny Fanahy Masina) (Galatiana 3:13,14) .

Ny ozona noho ny tsi-fitandremana ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny dia efa voasoratra mazava ao amin'ny Deo. 28:15-68. Ao ny horohoro, ny aretina tsy sitram-panafody, ny areti-mandringana, ny tsi-fahombiazana, ny fahadalana sy ny fahajambana, ny fanararaotan'ny olona, ny zanaka lasan-ko babo (lasan'i Satana), ny fahantrana maha fadiranovana. Tsy misy na dia iray amin'ireo aza no hihatra amintsika, satria efa tonga voaozona hamonjy antsika Jesosy. Mariho anefa, na izany aza, fa ny fitahiana izay nampanantenaina antsika ho solon'ireny ozona ireny, dia tsy ireo fitahiana lazain'ny Lalàna (voasoratra ao amin'ny Deoteronomia 28:1-14), tahaka ny hoe vola be dia be sy zanaka be dia be. Fa kosa ilay fitahiana an'i Abrahama (voasoratra ao amin'ny Genesisy 12:2,3), izay azo bangoina hoe : Mitahy antsika ny Tompo ary ataony fitahiana ho an'ny olona rehetra mihaona amintsika koa isika. Izany no fitahiana avy amin'ny famenoan'ny Fanahy Masina antsika : loharano miboiboika ao anatintsika izay hitahiana antsika (Jaona 4:14), ary onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibontsika izay hitahiana ny hafa (Jaona 7:37-38). Izao ny teny fampanantenana ataon'ny Tompo na dia ho an'ny mpanota ratsy indrindra aza « Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tamin'ny andro taloha, no ahatongavanareo ho fitsofan-drano kosa amin'ny andro ho avy » (Tadidio io teny fikasana mahafinaritra io ao amin'ny Zakaria 8:13 ).

Izaho dia mino fa sitrapon'Andriamanitra ho anao ny hahatongavanao ho fitahiana ho an'ny olona rehetra mifanerasera aminao, na aiza na aiza onenanao. Mba hahatanteraka izany anefa dia tsy maintsy mino ianao fa hataon'Andriamanitra aminao izany. Minoa fa tsy misy amin'ireo ozona no afaka mikasika anao. Satana dia efa resy teo amin'ny hazo fijaliana. Noho izany dia tsy manana zo hikitika ny fiainanao izy. Ekeo amin'ny vavanao ireo fahamarinana ireo ary aoka ianao ho mpandresy amin'ny andronao rehetra. Tsy ho azontsika ny fitahian'Andriamanitra raha tsy inoantsika tokoa sy takiantsika amin'ny finoana. Tsy maintsy manaiky amin'ny vavantsika koa isika fa marina ny Tenin'Andriamanitra. Amin'ny fo no inoana. Kanefa amin'ny vava no anekena hahazoana fahamarinana sy famonjena (Romana 10:10). Amin'ny fomba tahaka izany, (amin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy) no andresentsika koa ny fiampangan'i Satana antsika (Apo. 12:11).