Marina fa hamaly soa an'ireo olona mahatoky Jesosy (Apok. 22:12) ary marina koa fa ny faniriantsika fara tampony eo amin'ny fiainana dia ny hanao izay mba hankasitrahan'ny Tompo antsika (2Kor.5:9) mba handrenesantsika indray andro any ireo teny hoe "Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky". Kanefa Jesosy mihitsy no nampitandrina mba tsy ny hahazoana valisoa ho an'ny tena any an-danitra no antony mahatonga antsika hahafoy tena sy hanompo Azy.
Rehefa nahita ny tenany fa tsara kokoa noho ilay mpanapaka manankarena (izay vao avy nandao an'i Jesosy) i Petera dia nanotany hoe " Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao, koa inona ary no ho azonay ?" (Mat.19:27) dia novalian'i Jesosy tamin'ny fanoharana ny amin'ny mpiasa tany izy. Hitantsika ny niafarany fa ireo nandeha niasa noho ny karama (noho ny valisoa) no lasa farany, fa ireo nandeha niasa tsy mba nieritreritra ny handray valisoa no lasa voalohany (na dia ampahany kely monja tamin'ny asa nataon'iretsy taloha aza no nataony).
Habetsahana ve sy Kalitao : eo no ahitantsika ny maha samy hafa ny asa maty sy ny asa velona. Ny asa atao izay anantenana fisandratana kokoa noho ny mpino hafa sy atao fitadiavan-tseza eo amin'ny fiangonan'i Kristy dia haseho miharihary fa asa maty amin'ny andro farany.
Raha manadio ny feon'ny fieritreretanao ianao, manisy soa ny hafa, mitia ny vadinao na manaiky ny vadinao ka manantena ianao fa hampisandratra anao izany amin'ny ho avy dia mbola "Ny Nofo" no ivon'ny fiainanao, ary ireo asa 'soa' rehetra nataonao tamin'ny fitiavan-tena dia asa maty !
Ireo olona nahazo ny satroboninahitra dia mailaka ery nanipy ny satroboninahiny teo an-tongotry ny Tompo sady niteny hoe "Hianao irery no mendrika" (Apok.4:10). Tsy maintsy esorintsika hiala avokoa izay antony rehetra anaovantsika zavatra iray, ka ny faniriana hanome voninahitra an'Andriamanitra irery ihany sisa no ao anatintsika, izay isika vao ho afaka amin'ny asa maty. Raha raketintsika ao anatin'ny fitadidiantsika foana ireo asa soa rehetra izay nataontsika, dia hivadika ho asa maty avokoa izy ireny.
Nomen'i Jesosy sary anankiroa isika mikasika ny andro fitsarana farany, ny iray dia ireo olona maro nitanisa teo anatrehan'ny Tompo ireo zavatra tsara rehetra nataony tamin'ny fiainany tety an-tany. "Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay, tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay sy ny sisa…" (Mat.7:22,23). Nolavin'ny Tompo ireo olona ireo. Ny sary anankiray hafa dia ahitantsika ireo olo-marina izay gaga rehefa nampahatsiahivin'ny Tompo azy ny asa soa nataony tamin'ny fiainany tety an-tany. "Tompo o, oviana izahay no nanao an'izany?" hoy izy ireo nihiaka tamin'ny fahatairany (Mat.25:34-40). Efa hadinon'izy ireo avokoa ny soa rehetra nataony, satria tsy nataony hahazoana valisoa ireny. Eto dia hitantsika mazava tsara ny fifanoheran'ny asa maty sy ny asa velona. Aiza amin'ireo sokajy anankiroa ireo no misy antsika ?